Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ny tany Aho?
Alahady 26 Septambra 2021, hitondrana am-bavaka ny sampan’asa FFP (Fiofanana sy fandalinam-pinoana), alahady farany andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa ».
Ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja Nantenaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 49 – 53 : « 49Tonga hanipy afo et? ambonin’ny tany Aho, ka manao ahoana ny faniriako mba hirehetan’izany sahady? 50Ary manana batisa hanaovana Ahy batisa Aho, ka manao ahoana ny fahoriako ambara-pahatanterany! 51Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ny tany Aho? Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana. 52Fa hatramin’izao dia hisy dimy hisara-tsaina ao an-trano iray, ny telo hanohitra ny roa, ary ny roa hanohitra ny telo. 53Hisara-tsaina ireo, ka ny ray hanohitra ny zanani-lahy, ary ny zanakalahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zanani-vavy, ary ny zanakavavy hanohitra ny reniny; ny rafozambavy hanohitra ny vinantoni-vavy, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozani-vavy. «