FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany

Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany

Publié le 12 octobre 2011 à 06:10

Ny tenin’Andriamanitra izay nangalana ny hafatr’Andriamanitra tamin’ny alahady 21 aogosita 2011 dia tao amin’ny Jona 3 : 1 -10 :

1 Ary tonga fanindroany tamin’i Jona ny tenin’i Jehovah nanao hoe:2 Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.3 Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’Andriamanitra, dia lalana hateloana.4 Ary Jona niantomboka nandehat tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.5 Dia nino an’Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ny lehibe ka hatramin’ny kely.6 Ary nony efa ren’ny mpanjakan’i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ny lavenona.7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’i Ninive araka ny didin’ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?

10 Ary rehefa hitan’Andriamanitra ny nataon’ireo ny amin’ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.


Lire aussi

11/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo

Alahady 11 aprily 2021, alahadin’ny Dorkasy, nitondrana ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Efesiana 5 : 1-2  » 1Koa amin’izany dia aoka hanahaka an’Andriamanitra hianareo tahaka ny zanaka malala; 2ary mandehana amin’ny fitiavana, toy ny nitiavan’i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. « 

11/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Paska 2021 : Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe : Finaritra

Ny hafatr’Andriamanitra amin’izao alahady paska 2021 izao dia ny avy ao amin’ny Matio 28; 1-10 :  » 1ARY tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray. 2Ary indro, nisy horohorontany mafy; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo

10/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Lisitry ny mpivavaka 11 aprily 2021

Indro ampitaina amintsika ny lisitry ny mpivavaka nisoratra anarana ny ALAHADY 11 AVRIL 2021 eto @ FJKM Ambavahadimitafo. Hisy fidirana roa : 7h30 (Fidirana Voalohany) 1 Andriamparany Ny Riana 1 2 Andrianjafy Julienne 1 3 Andrianjafy Lovasoa 1 4 Andrianjafy Ny Harena 1 5 Andrianjafy Ny Kanto 1 6 Andrianjakarisoa Fanilo – Haja 2 7

08/04/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaminana fanompoam-pivavahana 11/04/2021

« Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. » Isa.43,1 Toy izao ry havana ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana amin’ny alahady izao : 1) Misoratra anarana ny mpivavaka rehetra : tsy misy ny fisoratana anarana @site web sy facebook fa miantso ny Birao avy hatrany 034 03 510 56 2)

30/03/2021 Toriteny

Hoy Jesoa : « vahao izy, dia ento ety amiko »

Alahady 28 martsa 2021, andro voalohany @ herinandro masina, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 21; 1-10 : « 1ARY raha nanakaiky an’i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky

30/03/2021 Vaovaom-piangonana

Vaovaom-piangonana 28 martsa 2021

Misy ny hafatra avy amin’ny FJKM Foibe manoloana ny Covid-19; fankalazana jobily samihafa an’ireo mpiasam-piangonana; vaovaon’ny sampana; fivoriana eto amin’ny faritra Avaratr’Andohalo…

30/03/2021 A la une . Antso sy filazana

Fidirana in-2 @ alahady paska 2021

Ilazana isika mpiara-mivavaka fa hihisy fidirana indroa ny fotoampivavahana eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo @ Alahady Paska 04 aprily 2021 noho ny fihezahantsika hatrany hitandro ny fepetra ara-pahasalamana : 7.30 ora sy 10 ora « Ary indro Jesoa nifanena taminy ka nanao hoe : Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. » (Matio

12/03/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao

Alahady 07 Martsa 2021, handinihantsika lohahevitra vaovao eto anivon’ny FJKm amin’ity volana martsa ity : « Mampiorina ny mino ny fizahan-toetra ». Lahady fanateram-bokatry ny sampana Volana sy Kintana ihany koa. Ny hafatr’Andriamanitra nentin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia nalaina avy ao amin’ny Genesisy 22; 11-19 : « 11Fa niantso azy Ilay Anjelin’i Jehovah tany an-danitra ka nanao hoe:

06/03/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy

Alahady 28 febroary 2021, faharoa @ Karemy, mamarana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny tenin’Andriamanitra » eo amin’ny sahan’ny FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny II Tantara 12 : 1-8 : « 1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalàn’i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.2Ary

Misoràta anarana @ newsletter

Raiso @ email ny vaovao farany

*