Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena
Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52
Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany
« 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no teo Aminy.
Jesosy tao amin’ny tempoly, fony izy roa amby folo taona
41Nankany Jerosalema isan-taona ny ray aman-dreniny, rehefa tonga ny andro firavoravoana amin’ny Paska. 42Koa rehefa roa amby folo taona Jesosy dia niakatra izy ireo, araka ny fanao amin’ny andro firavoravoana. 43Rehefa tapitra izany andro izany ka nody izy ireo, Jesosy zaza, dia mbola nijanona tany Jerosalema ihany, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; 44koa satria noheveriny fa niaraka tamin’ireo izay niara-dia taminy Izy dia nandeha lalana indray andro izy vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany. 45Nony tsy nahita Azy izy ireo dia niverina ho any Jerosalema nitady Azy. 46Rehefa afaka hateloana dia hitany tao amin’ny tempoly Izy, nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra ka nihaino sady nanontany azy. 47Dia talanjona izay rehetra nandre Azy noho ny fahalalany sy ny famaliany. 48Ary raha nahita Azy izy ireo dia gaga ka hoy ny reniny taminy: Anaka, nahoana no nanao izao taminay Ianao? E izato alahelonay sy ny rainao nitady Anao! 49Fa hoy Izy taminy: Nahoana no nitady Ahy ianareo? Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto amin’ny tranon’ny Raiko Aho? 50Nefa tsy azon’izy ireo ny teny izay nolazainy taminy. 51Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy ka nanoa azy. Ary ny reniny dia nitahiry izany teny rehetra izany tao am-pony.52Ary Jesosy nitombo fahendrena sy tena ary fahasoavana teo amin’Andriamanitra sy ny olona. «
Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :