Aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany
Alahady 14 jona 2020, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mihavàna ao amin’ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 2 : 1-4 :
1 Koa raha misy famporisihana ao amin’i Kristy, raha misy fampiononana avy amin’ny fitiavana, raha misy firaisana amin’ny Fanahy, raha misy famindrampo sy fiantrana, 2 dia tanteraho ny fifaliako, mba hiraisanareo saina, miray fitiavana, miray fo, miray hevitra, 3 tsy manao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana; fa amin’ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany. 4 Aza samy mihevitra ny azy ihany, fa samy ny an’ny namany koa.
Manasa anao hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana izao.