FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?, Salamo 22:2

Andriamanitro o, Andriamanitro o, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?, Salamo 22:2

Publié le 19 avril 2009 à 12:04

Anisan’ny teny izay sarotra hazavaina indrindra amin’izay niainan’ny Tompo nandritra ny herinandro Masina ry Havana izany teny izany. Teny sarotra satria teny fifanoherana :

– Etsy andaniny ny Tompo dia milaza an’Andriamanitra araka ny fitenin’ny mpanao Salamo manao hoe : Andriamanitro ô ; ilay Andriamanitra niankinako, ilay Andriamanitra nametrahako ny fiainako, ilay Andriamanitra Raiko ; araka izay fisesin’ny fitantaran’ny filazantsaran’i Marka.

– Nefa izany Andriamaniny izany dia namotsotra azy, namela azy, nandao azy amin’ny fotoana sarotra eo amin’ny hazo fijaliana.

Ary eo isika no tsy maintsy mandinika tsara tokoa hoe nahoana moa no nafoin’Andriamanitra tokoa ny Zanany, na dia tsy misy valin-teny aza eo fa isika no mamaly azy amin’ny mason’ny finoana, amin’ny maha-mpamaky ny filazantsara an’i Marka antsika ; satria alina tampoka teo ny andro tamin’ny ora fahasivy, izany hoe tamin’ny telo tolakandro. Tsy nahazo valinteny avy any an-danitra i Jesoa tamin ‘izany NAHOANA, NAHOANA napetrany izany.

Fa isika rehefa mahatapitra ny famakiana ny filazantsaran’i Marka no nahafantatra fa nafoin’Andriamanitra ho faty tokoa ny Zanany satria tsy maintsy niatrika ny herin’ilay fahavalo lehibe, dia ny fahafatesana Izy. Io dia tsy afaka hialana fa tsy maintsy hatrehina tanteraka. Io no fahavalon’ny zanak’olombelona hatramin’ny farany vokatry ny fahotana, ny fisarahana tamin’Andriamanitra araka ity lazainy ity hoe : « Nahoana no dia nahafoy Ahy Ianao » satria ny mpanota dia nafoin’Andriamanitra. Ary satria nisolo-tena ny mpanota ny Zanaka dia nafoin’Andriamanitra ho any amin’ny fahafatesana.

Kanefa hiatrika ny fahafatesana amin’ny fomba hafa satria hadresy izany fahavalo lehibe sady loza izany Izy satria Zanak’Andriamanitra tsy nanana ota Izy. Noho izany dia famonjena no anton’izao famoizan’Andriamanitra ny Zanany izao.

Ary ny zavatra faharoa, izay lehibe ary tsy itovizantsika mihitsy amin’ny Jesoa Kristy koa eto, dia izao : ho Azy dia làlam-pamonjena hanovana ny tontolo nanjakan’i Satana io famoizan’Andriamanitra io satria tsy hoe niatrika ny fahafatesana fotsiny Izy, dia hanova izany mbamin’ny tenany satria hitsangana amin’ny maty Izy ary tsy ho voatanan’ny herin’ny fahafatesana, fa indrindra koa hanova loko izany tontolo izany ka tsy araka izay filazan’ny mpanao Salamo mahazatra hoe toeram-panadinoana, toeram-pahaverezana, toerana tsy ahafahana mahatsiaro an’iza na iza intsony fa toeram-piandrasana ka ahazoan’i Jesoa niteny hoe : « Sambatra, sambatra izay maty ao amin’ny Tompo hatramin’izao na dia tsy mbola ny fahasambarana tanteraka aza ny fahasambarana iandrasana ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty sy ny fiainana mandrakizay. »

Izany no antony namoizan’Andriamanitra ny Zanany. Kristy dia mpamonjy ary izaho sy ianao dia tsy manana lanja toy izany manoloana ny fahafatesana.

Fa ny zavatra itantsika eto kosa anefa na dia izany aza no hevitra lehibe raiketin’izany fanontaniana tsy nahazo valiny izany dia izao : nosedraina mafy teo amin’ny hazo fijaliana ny maha-zanak’Andriamanitra an’i Jesoa satria nizara ny sain’i Jesoa sy ny Fanahiny eo anoloan’ny fifandraisana lalina amin’Andriamanitra sy ny dia mankany amin’ny fahafatesana.

Nifikirany Andriamanitra satria Andriamaniny. Kanefa ity làlana mankany amin’ny fahafatesana ity no hafa ary tsy misy maniry ho any, na iza na iza : na Jesoa izay hanatanteraka ny asam-pamonjena aza tsy mora Aminy ny mankany. Na ho antsika olombelona tsotra izao aza… raha eto zao no hampanangan-tànana aho hoe : « iza no tena vonona tena ho an amin’ny fahafatesana tsara moa isika ity! » Marina eto raha hisy hanangana satria hoe inona fotsiny no hivavahana isan’andro eto raha hoe izany no hananganan-tànana eto, fa hoe aleo maty rahampitso toy izay maty anio sao tanterahan’ny Tompo eo tokoa ny teniny rahariva. Araka ny vazivazin’ny Dorkasy iray nitantara hoe :

Hoy ny iray : efa vonona ve ianao ho any amin’ny Tompo

Hoy ny iray namaly : Ie, izaho akia efa vonona mihitsy, efa ela

Ny alin’iny anefa nanetsetra ka nilaza hoe : « Izao sahady ve izy ity Tompo ô ! »

Tsy misy olona te ho any na dia izay be vava indrindra aza fa mampatahotra, fahavalo ny fahafatesana. Ary na Jesoa Kristy aza teo anoloan’izany dia nanao fahavalo io fahafatesana io.

Kanefa tsy mora ary tsy mahafinaritra ny miatrika izany satria Jesoa Kristy olombelona feno no niatrika na dia tsy nànana ota aza ; tsy mandeha ho azy akory izany zavatra izany.

Koa tena nosedraina teo ny maha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesoa satria ny fanekena ho faty no isehoan’ny maha-Zanak’Andriamanitra.

Tapaka tarangana teo ny fifandraisan’i Jesoa Zanaka sy Andriamanitra Ray raha vao tsy tanteraka ny fiatrehan’i Jesoa ny fahafatesana satria ny fikasam-pamonjen’Andriamanitra mihitsy no rava, tsisy ho raisina intsony raha ohatra ka tsy nety ho faty teo amin’ny hazo fijaliana teo Jesoa, na hoe nidina teo amin’ny hazo fijaliana teo Izy, raha hoe tsy lasa izany maty izany fa nga tsy misy fomba hafa anaovana an’ity raharaha ity ! Dia tapaka tarangana na dia nisy fifandraisana anaty ao amin’Andriamanitra aza ; ary izay no zava-doza mety ho nitranga raha tsy nanaiky ny hafoin’Andriamanitra, havelan’Andriamanitra hihatra tamin’i Jesoa ny fahafatesana.

Itantsika amin’izany fa tsy mandeha ho azy akory ity raharaha ity fa fitsapana henjana dia henjana ary amin’ny fomba manova ny fifandraisan’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka , kanefa izany no làlana nodiavin’Andriamanitra ary nolalovantsika tamin’ny herinandro Masina toy izao ; Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy izany.

Fa raha isika kristiana ry Havana, izay miatrika fahoriana koa, dia tokony hieritreritra lalina isika hoe : Ahoana tokoa re no fihatrika izany e ! Marina fa tsy isika no mpamonjy ohatran’i Jesoa, fa miatrika fahoriana mafy koa isika indraindray. Ary misy ny toe-javatra izay tsy ahitana mivantana an’Andriamanitra, tahaka an’ity hoe Andriamanitra mahafoy an’i Jesoa nefa mbola Andriamaniny ihany. Izany hoe tsy hita akory izay apoakan’Andriamanitra rehefa tadiavina Izy eo, fa mangina Izy eo ary avelany hitranga izay hitranga… Ny Zanany aza moa nataony an’izany araka ny tantaran’ny famonjena. Ary indraindray isika koa mba hataony an’izany an!

Misy fotoana dia ohatran’ny hoe havotsitr’Andriamanitra isika. « Andriamanitro ô, aiza ianao » ; tsisy tena mamaly izany eo. Dia ahoana ary no dikan’izany? Dia tsy eo ve izany Andriamanitra ?

Ary izay no zava-miafin’ny finoana ry havana. Eo amin’ny toe-javatra tsy ahitana mivantana an’Andriamanitra no hanehoany ny fitahiany mahagaga. Tsy mila miteny aminao Izy ; ny Zanany aza tsy nomeny valiny fa aty aoriana ny mpino vao manakatra . Fa iza ianao no hahazo valiny !

« Andriamanitro ô, fa nahoana aho no ataonao ohatran’izao, marary aho izao ! »

« Andriamanitro ô, fa nanina loatra, inona no loza nataoko no dia rava ny fananako ! »

« Andriamanitro ô, fa nanina loatra no niady izahay mianakavy, tsy nifankatia intsony ! »

« Andriamanitro ô, fa nahoana no nilaozan’ny malalako aho ; andeha ho any Tanjombato aho izao », dia misy mitsambikina eo.

Ny zavatra lehibe dia izao, mety tsy hahita valiny amin’izany NAHOANA, NAHOANA lava izany isika. Fa raha tena mpino isika, ary tadidio fa ny Salamo faha-22,

« Andriamanitro ô, nahoana no dia
mahafoy ahy Ianao »

dia mba hoantsika koa fa tsy Jesoa ihany no naka an’io ho an’ny tenany. Vavaky ny mpanompon’Andriamanitra rehetra io, olon-tsotra ohatra antsika, fa tsy hoe mpamonjy ohatran’i Jesoa foana akory. Ny tohin’io Salamo io moa no ahitantsika fa misy koa ny fanenjehan’ny olona, ho hita eo izay apoakany… Kanefa Andriamanitra na dia tsy mamaly anao amin’izany zavatra izany aza dia mamonjy anao, mampahery anao, manatrika anao, manambina anao ; ary izay no herin’ny Zanak’Andriamanitra. Eo amin’ny fihatrehana ny fahafatesana no hanotronan’Andriamanitra izay matoky Azy.

Tsy hoe akory isika mpino, mpivavaka dia tsy ho faty mihitsy ; dia hoe miala aina dia hoe : « Andriamanitro ô, sao dia mba azo alàna eto ihany ? »

Dia mety havotsiny eo ianao, misy hilany azy ianao dia ataony hoe : « Io ndray ary an! Omena kely izao taona idray ary an ! ».

Misy moa nataony an’izany amintsika ireto dia ataovy izany izay nasainy natao teo.

Fa misy ny sasany lasa amin’izay ; izany akory tsy midika hoe tsy tiany akory izay lasa amin’izay. Izay mantsy no mahavoa an’ilay hoe nivoaka ny hopitaly na narary dia hoe « Arahabaina tsy maty fo aman’aina, fitiavan’Andriamanitra…» Ary ilay maty izany tsy tiany !?

Tsy izay ange akory ilay izy ; eto moa tsy misy faty dia azo atao ny miteny tsotra ohatran’izany fa rehefa misy moa eto dia sarotra ny miteny ; fa tsy hoe rehefa maty akory dia tsy tian’Andriamanitra, fa tamin’ny fotoana nahafatesanao, firy no tsy ampahereziny sy raisiny, ary tsy very izany maha-zanak’Andriamanitra anao izany amin’ny fahafatesana ; fa tsy hoe izay avotra teo ihany akory no arahabaina.

Tokony ho tsaroantsika hoe na amin’ny fahafatesana aza, manotrona antsika eo, miandany amintsika ny Tompo satria mpanompony isika.

Ary amin’ny fotoana angatahantsika fanazavana ka mahatonga an’Andriamanitra mangina, dia aza mihevitra ianao hoe ts’inona ts’inona izao zavatra manjo anao izao, tsisy heviny izao, pokaty izao, ianao fotsiny no mijalijaly eo. TSIA.

Tsy anjaranao ny manadina an’Andriamanitra hoe : « Andriamanitro ô, midina Ianao hadinina : Inona ity tsy fahaizanao mitondra ahy ity ? Nahoana no very teo ilay volako fa tsy nety ilay afera ? Nahoana no tsy nahomby ilay fanafody teo fa vao nainka aho narary ? Avia Ianao fa tena tsy mety mihitsy izao fifandraisana eo amin’ny fiaraha-monina sy firenena sy izao tontolo izao ? »

Tsy isika no mpanadina an’Andriamanitra. Fa amin’ny fotona izay tsy ahitan’ny saintsika sy ny fontsika fanazavana, ka mety hipoitra ihany ny fanontaniana hoe : « Nahoana Andriamanitro ô » dia mbola meteza ihany ianao hotantanin’Andriamanitra fa tsy ianao no mpaniraka, mpanoro-hevitra, mpilaza amin’Andriamanitra hoe izao no tokony ataonao, fa tsy hanao an’izany Izy na dia Mpino aza ianao tsy ho valiany. Fa meteza Ianao hoentin’Andriamanitra fa ho zava-doza no hitranga raha isika no mpitondra an’Andriamanitra ary tsy Andriamanitra intsony Izy amin’izay fotoana izay.

« Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Ianao ?»

Mety misy toe-javatra eo amin’ny fiainana ahatonga antsika hanontany toy izany, kanefa matokia fa eo anilanao ny Tompo, ary vao mainka tena eo anilanao amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy satria efa nihatra taminy koa ny fanontaniana sari-baliana napetrakao izany. Amen.

Dr RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo,

mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «