Andriamanitra miandàny @ olony
Alahady 31 desambra 2023, alahady farany @ taona 2023, anatin’ny lohahevitra hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« , nitoriana ny tenin’Andriamanitra araka ny Isaia 26 : 11-15 » 11Jehovah ô, avo ny tananao, nefa tsy jeren’ireo; Tsy maintsy hojereny ihany anefa ny fahasaro-piaronao amin’ny olonao, ka ho menatra izy; Eny, afo no handevona ny fahavalonao. 12Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay. 13Jehovah Andriamanitray ô, tsy Hianao ihany no efa nampanompo anay, fa tompo hafa koa; Nefa Hianao irery ihany no ahazoanay mankalaza ny anaranao. 14Ny maty tsy ho velona intsony, ny matoatoa tsy mba hitsangana; Fa novalianao izy ka naringanao, sady nolevoninao avokoa ny fahatsiarovana azy. 15Nampitombo ny firenena Hianao, Jehovah ô, Eny, nampitombo ny firenena Hianao ka nahazo voninahitra ho Anao; Nitarinao halalaka avokoa ny faritry ny tany. «
Andeha hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :