Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako
Alahady 20 jona 2021, alahady fetin’ny Ray sy hitondrana am-bavaka ny sampana Vokovoko manga.
Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana 23;26 : « Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako« .
Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo :
« 26Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako;27Fa ny vehivavy jejo dia hady lalina,Ary ny vahiny janga lavaka ety;28Eny, manotrika toy ny jiolahy irenyAry mahamaro ny olona mpivadika.29An’iza ny Indrisy? An’iza ny Endrey?An’iza ny fifandirana? An’iza ny fitolokoana?An’iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana?An’iza ny maso mivoara-mena?30An’izay mikikitra amin’ny divay,Eny, an’izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.31Aza mijery ny divay noho ny hamenanySy ny fanganohanony eo anaty gilasyAry ny fikoriany mahafinaritra;32Fa amin’ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izyAry hanindrona toy ny menarana.33Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo,Ary ny fonao hieritreri-dratsy.34Eny, ho sahala amin’izay mandry ao amin’ny ranomasina hianaoSady ho tahaka izay mandry eo an-tendron’ny andrin-tsambo.35Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy reko naharary ahy,Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako;Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray? », Ohabolana 23;26-35