Ampitomboy ny finoanay
Alahady 11 oktobra 2020, fotoana manokana hitondrana am-bavaka ny radio protestanta, ny sampan’asa fifandraisana sy fampahalalamb-baovao (AFIFAB) : radio fahazavana, site web FJKM, gazety samihafa FJKM …
Androany koa no nanokafana tamin’ny fombam-piangonana ny toeram-pidiovana etsy atsimo atsinanan’ny fiangonana.
Ny mpitandrina miza-draharaha, Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, avy ao amin’ny Lioka 17 : 5.
Lioka 1-6 : « 1ARY hoy Jesosy tamin’ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’izay olona mahatonga izany! 2Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza. 3Mitandrema hianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony. 4Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe: Mibebaka aho, dia mamelà ny helony. 5Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay. 6Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo, dia azonareo lazaina amin’io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy. »