FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Aloky ny fahasambarana – fizarana faharoa farany

Aloky ny fahasambarana – fizarana faharoa farany

Publié le 16 novembre 2008 à 12:11

Sady nangovitra izy roa kely ka namaly hoe : ieee !

Nanontany ihany ilay olona : « f’angaha moa ianareo tsy mitovy amin’ny ankizy rehetra ihany eh ? « 

Namaly izy roa : « mitovy ka ! « 

Hoy ihany ilay rangaha : « sambatra ary ianareo sa mijaly ? « 

Namaly indray izy roa : « sambatra ka « 

Nipetraka teo alohany ilay lehilahy ka nanontany : « azafady ange ! ianareo roa angaha manana baiboly ? « 

Dia namaly i LILA izay nanomboka tsy natahotra : « manana izahay, no sady mpianatra sekoly alahady. Fa ahoana kay ? « 

Dia namaly ilay lehilahy fa : « ianareo izany no tena sambatra ! « 

BAHOLY : zany ve ! (sady faly ery !fa ahona ary eh !)
Hoy ilay rangaha « …mandalo izao rehetra izao sy ny filany…  » rankizy I JAO : 1/17a, tenin’Andriamanitra izany hoy ilay rangaha. Gaga izy roa fa hainy hatramin’ny toko sy andininy nefa tsy misy Baiboly teny an-tanany.

Nitohy niteny ihany ilay rangaha ka hoy indray izy « misy teny tonononareo isan’alahady ao am-piangonanareo ao, tadidinareo ve ? ilay hoe : Sambatra ny mahitsy lalana sy mandeha araka ny lalan’i Jehovah, ary sambatra ny mitandrina ny tenin’ny vavolombelona ka mitady azy amin’ny fony rehetra ; sy ilay hoe : Sambatra ny olona izay voavela heloka sy voasarona ny fahotany ary sambatra ny olona izay tsy isain’i Jehovah heloka ary tsy misy fitaka ny fanahiny (SAL32 :1-2) ; ary aza adino koa ny manatanteraka ny tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny MAT 5/3-12 .Vakio ny Baiboly nareo rehefa tonga any an-trano ary aza adino koa ny APOK :1/3 sy APOK :22/14 dia ilazao izay mbola tsy mahatsiaro ho sambatra. « 

Niara-niondrika izy roa ka nifanontany hoe : fa iza io eh? tena mahay Baiboly be, andao amin’izay hody ka !

Vao nitraka anefa ry zareo dia taitra satria efa tsy teo intsony ilay olona. Tena gaga ry zareo, fa iza iny ? Fa inona iny ? sady natahotra « sao dia matoto eh ? « 
Niainga ihany izy roa ka velon-kira indray nony avy eo.

« Sambatra aho Jesoa ôh ! manana Anao Tompon’ny hery , sambatra aho Jesoa ôh ! miankina eo an-tratranao. Ampy ho ahy ny fitiavanao, ampy ho ahy ny finoaka Anao. Raketiko ao am-po lalandava fa reharehako Ianao ! « 


Lire aussi

18/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1  » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny

11/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra

Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7  » Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo:

04/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho masina ianareo, satria masina Aho

Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ».  Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16  « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena

28/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra

Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8  » 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy

14/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina

Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao

Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6 « 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Fetim-bokatra 2024

Alahady 07 Jolay 2024, alahadin’ny Fetim-bokatra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 8 : 12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina,

30/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaro ny olony tsy ho lavo ny Tompo

Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,

23/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Vokovoko manga 2024

Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy

16/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny Ray 2024

Alahady 16 Jona 2024, fetin’ny Ray, ivon’ny Jobily faha-75 taona ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ». Alahady nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5; 16  » Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo