FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Alahady fanokanana Katekomena « Sandratra 2022 »

Alahady fanokanana Katekomena « Sandratra 2022 »

Publié le 18 décembre 2022 à 09:12

Alahady 18 desambra 2022, fotoana nanokanana ny katekomena andiany « Sandratra » teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Mbola anatin’ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ».

Ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 32-40 no nanotoriana tamin’izany : « 32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana; manaova kitapom-bola tsy mety ho tonta ho anareo, dia harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba. 34Fa izay itoeran’ny harenareo, dia ho any koa ny fonareo. 35Aoka hisikina ny valahanareo sy hirehitra ny jironareo; 36ary aoka ianareo ho tahaka ny olona izay miandry ny tompony, raha mody avy amin’ny fampakaram-bady izy, ka nony tonga sy mandondòna izy, dia vohany miaraka amin’izay. 37Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ny tompony miambina, raha avy izy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa hisikina ny tompony, dia hampipetraka azy hihinana, dia ho avy ka hanompo azy. 38Ary na avy amin’ny fiambenana faharoa amin’ny alina izy, na avy amin’ny fiambenana fahatelo, ka mahita toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo. 39Ary fantaro izao, fa raha fantatry ny tompon-trano izay ora hihavian’ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina. 40Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak’olona amin’izay ora tsy ampoizinareo. « 

Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izany :


Lire aussi

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy