FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino

Publié le 02 août 2020 à 10:08

Samy hitarika ny fanompoam-pivavahana isan-tokan-trano isika manaraka izao fandaharana iombonana izao. Ny toriteny entin’ny mpitandrina Rakotoarisoa Alain kosa dia arahintsika etsy ambany.

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo @ Anarako, dia ao afovoany Aho » Matio 18:20

Lohahevitra : « Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino »

Fiderana an’Andriamanitra

– Salamo 66 and 8- 12
– Hira 824
– Vavaka

Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra

– Hira 177 and 4
– Vavaka
Daniela 6:17- 25
Matio 2:13- 15
Asa 20: 17 – 24
– Hira 823 and 2

Fanekem- pinoana laharana faha 1

Rakitra

– Hira 486
– Fanolorana ny Rakitra : vavaka

TORITENY

« 7Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. 18Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin’ny fanombohan-kaseny sy tamin’ny fanombohan-kasen’ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin’i Daniela.19Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy. 20Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin’ny lavaky ny liona. 21Ary nony tonga teo amin’ny lavaka izy, dia niantso an’i Daniela tamin’ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin’i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon’Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin’ny liona va? 22Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie hianao. 23Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan’ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. 24Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an’Andriamaniny.25Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga an’i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin’ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanankery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin’ny vodin’ny lavaka akory aza izy », Daniela 6 : 17-25

Vavaka fangatahana
Hafatra

Famaranana

– Tsodrano
– Hira 643

FAMARANANA

– Tsodrano
– Hira 171 and 3

« Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra  » Amen

Mirary ny fiadanan’ny Tompo ho aminareo


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :