FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Alahadin’ny STK – Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy

Alahadin’ny STK – Ny nanirahana ny mpisafo-tany roa lahy

Publié le 10 juillet 2022 à 09:07

Alahady 10 jolay 2022, nitondrana am-bavaka ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FJKM.

« Iorenana amin’ny finoana ny fanompoana », izany no lohahevitra dinihintsika mandritra ny volana Jolay.

Ny Mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Josoa 2 : 1-16 « 1ARY Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao. 2Ary nisy nilaza tamin’ny mpanjakan’i Jeriko hoe: Injao, misy olona avy tamin’ny Zanak’Isiraely tonga at? izao alina izao hisafo ny tany. 3Dia naniraka tao amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.4Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny, ary hoy izy: Tonga tat? amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany; 5ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo. 6Kanjo efa nampiakarin-dravehivavy any an-tampon-trano izy ka nafeniny ao amin’ ny tahon-drongony, izay efa nalahany teo amin’ny tampon-trano. 7Ary ireo olona dia nanenjika azy tamin’ny làlana mankany Jordana hatrany amin’ny fitana; ary rehefa lasa nivoaka izay nanenjika azy, dia nohidiana ny vavahady.8Ary raha mbola tsy natory izy roa lahy, dia niakatra nankao aminy tao an-tampon-trano ravehivavy 9ka nanao taminy hoe: Fantatro fa efa nomen’i Jehovah anareo ny tany, ary efa latsaka aminay ny fahatahorana anareo, sady efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra anareo. 10Fa efa renay ny nanamainan’i Jehovah ny Ranomasina Mena teo anoloanareo tamin’ny nivoahanareo avy tany Egypta, sy izay nataonareo tamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita, izay tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona sy Oga, izay novonoinareo. 11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy et? amin’ny tany ambany. 12Koa ankehitriny, masìna hianareo, mba ianiano amin’i Jehovah aho fa araka ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin’ny ankohonan’ny raiko kosa, ka omeo famantarana mahatoky aho 13fa hovelominareo ny raiko sy ny reniko sy ny anadahiko sy ny rahavaviko ary izay rehetra mety ho azy; dia hamonjy ny ainay tsy ho faty hianareo.14Dia hoy izy roa lahy taminy: Ny ainay no ho faty hisolo anareo, raha tsy holazainareo izao raharahanay izao; ary raha omen’i Jehovah anay ny tany, dia hamindra fo sy hanao izay marina aminao izahay.15Dia nampidina azy tamin’ny mahazaka avy teo amin’ny varavarankely izy; fa teo amin’ny màndan’ny tanàna ny tranony, ary teo amin’ny mànda no nitoerany. 16Dia hoy izy taminy: Mandehana any an-tendrombohitra, fandrao hifanena aminareo ny mpanenjika, ka miere any hateloana mandra-piveriny; ary rehefa afaka izany, dia vao mandehana any amin’izay halehanareo. « 

Manasa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :


Lire aussi

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina

09/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2023 : Tsy ato Izy, fa efa nitsangana

Alahady 11 Aprily 2023, alahady Paska, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« , ka nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24 : 6a  » Tsy ato Izy, fa efa nitsangana « . Manàsa anao hiombona @izany fotoam-pivavahana izany :