Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay
Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’Andriamanitra no nanaraka an’i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.44Ary nony tamin’ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna rehetra hihaino ny tenin’Andriamanitra. 45Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’i Paoly sady niteny ratsy. 46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany hianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia, indro, mitodika mankany amin ny’ jentilisa izahay; 47fa izao no nandidian’ny Tompo anay:,,Efa nanendry Anao ho fahazavan’ny jentilisa Aho,Mba ho famonjena hatrany amin’ny faran’ny tany Hianao’’ (Isa. 49.6).48Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia nino. «
Andeha hiombona ho amin’izany fanompoam-pivavahana izany :