FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Mitàna ny teniny ny Tompo

Mitàna ny teniny ny Tompo

Publié le 06 février 2022 à 04:02

Alahady 06 Febroary 2022, faha-5 manaraka ny Epifania hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mitàna ny teniny ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitory ny tenin’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 5 : 7-21 « 7Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran’ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. 8Ary hoy izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? 9Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. 10Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11Ary nidina teo amin’ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. 12Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. 13Ary hoy Jehovah tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. 14Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. 15Nefa hianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra hianao vao hodi-mandry. 16Fa raha mby amin’ny zafiafy, dia hiverina at? izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. 17Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo. 18Tamin’izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin’i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Egypta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, 19dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaïta 21ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita. »


Lire aussi

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,

01/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoreno ao amin’ny Tompo ny tokantrano

Alahady 01 oktobra 2023, hibanjinana lohahevitra vaovao @ ity volana ity « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana« , nanatanterahin’ny SAMPATI ny fanateram-bokatra ihany koa. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Genesisy 2 : 18-25 « 18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. 19Ary tany

24/09/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mitoria teny @ firenena rehetra

Alahady 24 septambra 2023, alahadin’ny Fikarohana sy fandalinam-pinoana manerana ny FJKM; nentina ihany koa nanomezana vatsy ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja niza-draharaha teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Mamarana ny fandinihina ny lohahevitra hoe « Mitoria teny @ firenena rehetra » isika, ka ny mpitandrina miza-draharaha Vola Soa Tafita no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 24:44-49 « 44Dia hoy Izy