FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021

Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021

Publié le 13 mai 2021 à 07:05

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20

Andeha isika hiombona amin’izao fandaharana fanompoam-pivavahana Alakamisy 13 mai 2021 izao (Ascension).

Mandinika hatrany ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » isika amin’ity volana mey ity

Fankalazana an’Andriamanitra

Apokalypsy 12:10-11
Hira 171
Vavaka

Sitrapon’Andriamanitra

Kolosiana 3:1-10
Hira 622:1

Fiaiken-keloka

Vavaka
Hira 400:1,5

Famelan-keloka

Romana 8:33-34
Hira 480

Fanekem-pinoana Apostolika
Rakitra confinement

Soratra Masina

Hira 177:2,3
Vavaka
Vakiteny :
– 2Mpanjaka 2:9-14
– Jaona 3:9-15
– Asa 1:6-11
Hira 261:1-2

TORITENY

« Ary rehefa nilaza izany Jesoa, dia nakarina Izy, raha mbola nijery izy ireo ; ary nisy rahona nitondra Azy ireo ka tsy hitany intsony Izy », Asa 1:9.

Anisan’ny foton-dehibe eo @fiainan’ ny mpino sy ny Fiangonana ny Andro Niakaran’i Kristy any andanitra. Zava-dehibe ny krismasy andro nidinan’ny Tompo, fa manohatra izany ny niakarany haka ny toerany any andanitra.

1. »Ary rehefa nilaza izany Jesoa, dia nakarina Izy… »

– Misy ny mpandinika milaza fa tsy maty ny Tompo, ny sasany indray milaza fa tsy maty teo @ hazofijaliana Izy. Noho izany fa tsy zava-dehibe @izy ireny ny fitsanganan’ i Jesoa t@ maty sy ny fiakarany any andanitra.

Ny voambolana ampiasan’i Lioka ilazany ny nitranga t@ Jesoa dia hoe : « Nakarina » izany hoe tena niakatra any andanitra Jesoa fa tsy cinéma.

– Tena niakatra Jesoa na dia tsy takatry sain’olombelona aza ny zava niseho; ny zava-dehibe ho antsika mpino dia ny fahamarinan’ny fiakaran’iJesoa. Aza variana miady hevitra ny @ hoe ahoana ny fomba niakarany; ny zava -dehibe dia tena niakatra ny Tompo, matokia fa manana anjara ao Aminy ianao n’aiza n’aiza misy anao.

Teo aloha dia tao Palestina sy ny manodidina no nandray tombontsoa t@ Jesoa fa rehefa niakatra Izy dia hisitraka izany daholo ny olona sy ny toerana rehetra indrindra @ fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina.

2. »…ary nisy rahona nitondra Azy… »

Ny voambolana faharoa mavesa- danja eto dia ny hoe « rahona  » : maneho ny maha Izy azy an’ Andriamanitra (Eks 13:21-22;Lev 16:2).

-Ny fisian’ ny rahona nitondra sy nanakona an’i Jesoa ka tsy hitan’ny mpianany dia fanehoana ny fiverenan’ i Jesoa feno @ maha Andriamanitra Azy. Teo aloha sady olombelona no Andriamanitra Jesoa (Tenin’Andriamanitra tonga nofo Jaona 1:14), fa eto kosa dia miverina @ maha Andriamanitra Azy Jesoa.

– Ny zava-dehibe amintsika mpino izay ambaran’ny Lioka eto : ilay Jesoa niakatra dia manana ny hery sy ny fahefana rehetra, ka na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona manjo anao dia manohana @ trangam- piainana rehetra Izy. Ny fiakaran’i Jesoa ihany koa dia tena tombony lehibe ho antsika :
* mifona ho antsika Izy (fifaliana lehibe izany hoe voavela heloka isika )
* nandrotsaka ny Fanahy Masina ho antsika Izy mba hampahery sy hitarika antsika haefa be @ ireo adidy sy andraikitra izay hanirahany antsika na @ mora fa indrindra @ sarotra.

Fehiny fotoan-dehibe iankinan’ny hoavin’ny mpino sy izao tontolo izao ny niakaran’ny Tompo any andanitra koa andeha isika hisaotra sy hijoro vavolombelony hiaraka @ mpanao salamo manao hoe : « misaora an ‘ny Jehovah ry fanahiko;ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina. Misaora an’ i Jehovah ry fanahiko ary aza misy adinoinao ny fitahiany rehetra…« .

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra, Amen

Vavaka fangatahana
Hira 150

TSODRANO

Apokalypsy 1:6

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina


Lire aussi

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany