FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fifindrana tao amin'ny fiangonana vaovao misy rihana

Fifindrana tao amin'ny fiangonana vaovao misy rihana

Publié le 09 novembre 2008 à 12:11

Notanterahana tamin’ ny alahady 6 mey 2007 maraina teo ny fiverenana tao amin’ny tempoly nohavaozina rehefa niasa nandritra ny volana maromaro ny Komity Faha-X taona sy ny mpanao mari-trano ary ireo mpiara-piasa taminy rehetra.

Manomboka izao izany dia indray mandeha isaky ny alahady ihany ny fanompom-pivavahana ka ny fidirana dia amin’ny 9 ora maraina isaky ny alahady tsotra; ary amin’ny 8 ora kosa rehefa alahady fandraisana sy fotoan-dehibe.

Nialohan’io fotoana io dia nisy fivavahana fangatahampitahiana ho amin’ny fifindrana natao ny 28 aprily 2007 teo.

Fotoam-pivavahana manotrokotroka no notanterahana noho izany fifindrana izany. Nisy ny fanapahana ribà izay notanterahin’ny mpitandrina sy ny Filohan’ny Komity faha-X taona nialoha ny fotoam-pivavahana. Tena maro be tokoa ny olona tonga nanatrika izany fotoan-dehibe izany.

Araka ny isa voaray avy amin’ny Sampana Tanora Kristiana (STK); izay nisahana ny fanisana; dia nahatra 1026 ny isan’ny olona tonga niangona : 520 taty ambany ary 506 kosa tany ambony.

Marihana fa mety mahazaka olona eo amin’ny 1300 eo ny tempoly nohavaozina. Mbola nisy olona ihany anefa tany ivelany, na dia izany aza; asa na noho ny hafanana na ahoana. Fa ny azo lazaina aloha dia tratra ny tanjona tamin’ny fanorenana ny rihana mba hampitombona ny toerana ao am-piangonana iny.

Rehefa nirava ny fiangonana dia nozaraina « mamy kely – chocolat » ny mpiangonana tsirairay avy.

Raha ny heno dia mahafaly ny olona tokoa ny fanamboarana natao.


Lire aussi

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany