FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny nanoratana ny teny malagasy, sy ny endriky ny hira protestanta tany am-piandohana

Ny nanoratana ny teny malagasy, sy ny endriky ny hira protestanta tany am-piandohana

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Tany amin’ny taonjato faha 17 dia efa nisy tokoa ny boky kely voasoratra tamin’ny teny malagasy. Anisan’ireny ohatra ny « Petit catéchisme avec les prières du matin et du soir » nataon’i Rév. Naquart sy Gondrée . Nony voaroaka anefa ry zareo, dia tsy fantatra ny nalehan’io boky kely io. Teo koa ny « Voyage au pays des Slaves », nosoratan’i Mayeur (1677). Tsy nipaka tamin’ny vahoaka ireny boky kely ireny , ka mbola tsy azo lazaina hoe efa tafiditra teto ny soratra.

Ny tena nidiran’ny soratra teo anivon’ny vahoaka malagasy dia taorian’ny nahatongavan-dry David Jones (Jonjilava) sy Thomas Bevan. Ny 16 Jiona 1818 no tonga tao Toamasina ry zareo. Mampalahelo anefa fa maty tamin’io taona io ihany i Beva mivady sy Ramatoa Jones. Voatery nody kely tany nosy Maurice i Jones, ary avy eo vao niverina, ka tafakatra taty Antananarivo ny volana Oktôbra 1819. Tonga nanampy azy i Griffiths.

I Griffiths sy i Jones, izay samy Gallois, no nikaroka ny fomba tsara indrindra mety hanoratana ny teny malagasy. Tsy dia nifanaraka hevitra tamin’ireo nnamany izay niara-nandika ny Baiboly taminy izy ireo. Teo ohatra i Jeffrey (Anglisy) izay nitady hampiditra ny feo anglisy, toy ny [w], teo ry Robert sy Robin (Frantsay) izay nitady hampiditra ny fomba fanoratra frantsay sasantsasany tahaka ny qu (oh : Raqutu)

Rehefa tsy nifanaraka tahaka izany, dia nanatona an-dRadama I. Ny foto-kevitra nijoroan-dRadama dia toy izao :

– aoka tsy handova izay anganonganon-kevitra avy amin’ny vazaha eo amin’ny lafiny feo. Rehefa a ohatra dia a, rehefa o dia o.

– aoka ho iray ny fanoratana ny teny malagasy, satria raha tsy izany, hoy izy, tsy ho iray ny vahoaka.

Dia namoaka didim-panjakana mihitsy izy mba hamaritana ny tsipelin-teny, sy hilazana fa ny kolontsaina hotazonina dia ny an’ny tompom-pahefana, fa tsy ny an’ny vahiny.

Dia nosoratana nanara-pitsipika àry ny teny malagasy. Nandika ny Baiboly, nanorina ny sekoly, ary nampianatra namaky teny sy nanoratra ry Jones. Araka ny hita tao amin’ny gazety Midi Madagasikara, laharana faha 5872 tamin’ny 03 desambra 2002, dia nisy « Roambinifololahy » ny mpianatra voalohany tao amin’ny Sekoly tao Besakana Anatirova, izay nisokatra ny 08 desambra 1820. Ireto izany : Rakotobe, Raharolahy, Ralaimaholy, Rainifiringa, Rasatranabo, Ratsisetraina, Rainiseheno, Ratsimihara, Ramaka, Rabohara, Rasoanitsiniriana, Ratsitohaina, Rainisoa, Ratsimandisa. Noho ny fahaizany sy ny faharanitantsainy, dia nantsoin’ireo misionera izy ireo handray anjara tamin’ny fandikana ny Baiboly.

Mba hitarihana ny olona ho kristiana, dia teo aloha ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanazavana ny foto-pinoana. Tetsy an-daniny, dia fitaovana lehibe nanampy ireo misionera ihany koa ny hira. Araka ny filazan’i Philippe RAJOHANESA, « ny hira, hono, dia manan-kery manoatra lavitra nojo ny sermona tsara indrindra [ ] Ireo fihirana ireo no jono iantsoan’ny mpitory Filazantsara ny hazandrano hiditra ao amin’ny haraton’i Kristy. » (jereo « Ny Fihirana Malagasy », in Mpanolo-tsaina n° 82, 83, avril-juillet 1924).

Azo lazaina ho nandalo zana-banim-potoana telo miavaka tsara ny hira protestanta malagasy nanomboka tamin’ny fanjakan-dRadama I ka hatramin-dRanavalona III. Ireto izany :

– zana-banim-potoana I (1818-1828)

– zana-banim-potoana II (1828-1861)

– zana-banim-potoana III (1861-1895)

Zana-banim-potoana I (1818-1828)

Rafitra namorona sy nampianatra hira ny misionera. Mazàna dia ireo feon-kira efa nahazatra an-dry zareo tany Angleterre ihany no namoronany tonony malagasy, ary dia ireny no noventesin’ny kristiana malagasy izay nazoto nihira tokoa. Anisan’izany ohatra ireo hira krismasy.

Koa ny misionera aloha izany no namoron-kira teo am-piandohana. Ny Malagasy fantatra hoe namorona dia RAINISOA RATSIMANDISA. Sekreteram-panjakana tamin’ny andron-dRadama I izy. Santionany amin’ny hira noforoniny ny « Aretim-be alahelo ».

Zana-banim-potoana II (1828-1861)

Rehefa tafakatra teo amin’ny fitondrana RANAVALONA I, dia nanenjika ny nantsoiny hoe « fivavahana amin’ny razam-bazaha » izy. Tamin’ity vanim-potoana ity no nisian’ireo « kristiana maintimolaly » niaritra ny fanenjehana. Ireo hira noforonin’ny Misionera aloha no noventesiny. Tsapany anefa tato aoriana kely, fa tsy mahalaza ny fihetsem-pony intsony ireny, koa dia namorona izy, araka izay takatry ny sainy sy nampangetaheta ny fanahiny. Ireo tononkira noforoniny ireo, araka ny filazan-dRavoajanahary Charles, no sangan’asan’ny Malagasy voalohany eo amin’ny sahan’ny literatiora an-tsoratra. Hita ao ny fisainana kristiana, kanefa tsapa ihany koa fa Malagasy no namorona azy.

Tsy fantatra anarana ny ankamaroan’ny mpamorona. Tsy dia mahagaga izany, satria noho ny fanenjehana, dia nizarazara ho antokon’olona vitsivitsy ry zareo kristiana. Raha misy mahatsiaro ho hetsehin’ny fanahy, ka mahaforona, dia mampianatra izany amin’ireo namany. Ireo kosa indray , rehefa tonga any amin’ny antoko hafa, dia mampianatra ity hira vaovao. Mandrakariva, tsy voateny izay namorona azy. Notazonina ho tsiambaratelo rahateo izany noho ny tahotra ny Mpanjaka.

Ireny hira noforonin’ny « kristiana maintimolaly » nandritra ny andro fanenjehana ireny no antsoina heo « hira maintimolaly ». Maromaro izy ireny no ao amin’ny fihirana FFPM ankehitriny, toy ny :

Hira faha 2 : Misaora an’i Zanahary

Hira faha 43 : Manenoa ry anjomara

Hira faha 76 : Sambasamba Zanahary

Raha bangoina ny momba ireo hira maintimolaly ireo, dia mby amin’ilay voalazan’i RICHARDSON ao amin’ny Antananarivo Annual vol.I-1875-1878, tak. 151-163 manao hoe : « Mampalahelo ny mihevitra ireo fihirana feno hevitra ireo, fa tsy azo tahirizina noho ny tononkira ao aminy tsy manaraka ny lalàn’ny versification na fanaovan-tononkira. » Vokatr’izany, rehefa natonta indray ny fihirana taty aoriana, dia maro tamin’ireo tononkira ireo no tsy tafiditra intsony.

Zana-banim-potoana III (1861-1895)

Ity zana-banim-potoana ity, indrindra manodidina ny 1870, no ilay antsoin’i Yvette RANJEVA RABETAFIKA hoe « Taom-bolamenan’ny fihirana malagasy » (« L’influence anglaise sur les cantiques protestants malgaches », in Annales de lUniversité, Série Lettres et Sciences Humaines, Antananarivo, 1971).

Vazaha telo lahy no voalaza ho nikaroka izay hamolahana ny teny malagasy ho azo anaovana tononkalo mirindra na « poezia ». Tsy iza izany fa i HARTLEY, RICHARDSON, ary DAHLE. Nisy mantsy adihevitra nifanaovan’ny misionera na azo anaovana poezia na tsia ny teny malagasy. Nizara telo ny hevitra :

– maro no nisalasala, ary nilaza fa tsy azo anaovana poezia ny teny malagasy

– nisy ny nilaza, fa ny fingadon’ny teny malagasy dia ahitana « musicalité naturelle », ka tsy ilaina akory ny fanapahana andalana césure sy ny mampiady rima azy. Tsy ilaina, hoy izy ireo, ny mamolaka ny teny malagasy ho poezia, satria efa poezia vita izy.

– Nisy kosa ny nilaza, indrindra ireo havanana amin’ny fahaizana teny malagasy, fa « teny mandeha moramora sy tsara firindra ity teny malagasy ity, ka azo anaovana poezia tsara. » Ary noporofoin-dry zareo tamin’ny famoronana izany.

Ilay tononkira noforonin’i HARTLEY hoe « Jesoa Mpamonjy Mpiandry tokoa » (Hira faha 39) araka ny filazan-dRAJOHANESA Philippe, no modelin’ny tononkira vita amin’ny teny malagasy, ka nahavaky vava ireo Vazaha nanohitra ny heviny.

Fotoana fohy taty aoriana, dia nipoitra ny « poeta malagasy ». Anarana vitsivitsy no voarakitry ny tantara : RAJAONARY, RAMAHANDRY, RAZAFIMAHEFA, sns., fa ny hita ho tena havanana dia ANDRIANAIVORAVELONA Josefa Rainy. Izy no ilay nantsoin’i Philippe RAJOHANESA hoe : « Rain’ny Poeta malagasy. » Mahatratra 36 ny isan’ny tononkira nataony. Indreto ny sasantsasany :

– Miely lavitra any (Hira faha 311)

– Ry namako mahantra (Hira faha 355)

– Ao ny lanitra tsara tokoa (hira faha 684)

– Jeso Tompo lehibe (Hira faha 115)

Tamin’ny taona 1894, hono, dia nisy fifaninanana nampanaovin’ny gazety boky Ny Fiangonana sy ny Sekoly hilaza izay hira tsara indrindra amin’ny fihirana protestanta malagasy. Nasaina nanondro izay hira 10 tiany indrindra ny mpifaninana. Nandray anjara hatramin’ny Praiministra sy ny Mpanjaka. Ka rehefa nalahatra ny hira be mpanonona, dia ny « Jeso Tompo lehibe » no ambony indrindra. Ary tsy vitsy, hono, ireo Vazaha no niaiky ny fahaizan’ANDRIANAIVORAVELONA Josefa Rainy.

Pr. ANDRIAMANANTSILAVO Seth


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «