FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 4 oktobra 2009 – Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra

Toriteny Alahady 4 oktobra 2009 – Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra

Publié le 08 octobre 2009 à 12:10

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, faly miarahaba antsika indray tratra izao volana faha 10 amin’ny taona 2009 izao ary indrindra ity andro voalohany amin’ny herinandro izay andron’ny Tompo iombonantsika ato amin’ny fiangonan’Andriamanitra ankalaza Azy ity, indrindra ihany koa miarahaba ny Sampana Mpanazava sy ny Tily eto Ambavahadimitafo mahatratra izao faha 60 taonany izao, ary ity andro anio ity no andro hanokafana izany taom-pankalazàna izany.

Teny fanevan’ny Sampana Mpanazava sy Tily ho fankalazàny ny faha 60 taonany : « Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra » Daniela 12, 3a :

Noho izany indrindra àry ry havana, tsy ilay perikopa novakiana teo no teny hotoriana amintsika amin’ity alahady maraina ity fa ilay teny faneva izay entina hampijoroana izany taom-pankalazàna izany dia hitantsika ao amin’ny fandaharana, ao amin’ny Daniela 12, 3 a : « Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra », fa handeha aloha hovakiantsika manomboka eny amin’ny andininy voalohany izany Daniela 12 izany hatreo amin’ny andininy faha 4 amin’ny anaran’ny Tompo :

« Ary amin’izany andro izany dia hitsangana Mikaela, andrian-dehibe, izay mitsangana hiaro ny zanaky ny firenenao ; ary hisy andro fahoriana, izay sy nisy tahaka azy hatrizay izay nisian’ny firenena ka hatramin’izany andro izany ; ary amin’izany dia ho afaka ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky. Ary maro amin’izay matory ao amin’ny vovoky ny tany no hifoha : ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ny henatra sy ny latsa mandrakizay. Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria. Ary ianao ry Daniela, dia ahoroninao ny teny, ka asio tombo-kase ny taratasy mandra-pihavin’ny andro farany ; maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana »

Izany teny izany eo am-pandrenesana ny famakiana azy isika dia mandre sady mahafantatra fa misy filazana zavatra mbola ho avy, misy filazana zavatra mbola tsy tanteraka ary mbola tsy niainan’ny mpanoratra. Ny bokin’i Daniela rahateo koa moa amin’ny fomba filazana azy hiasa dia lazaina hoe apokalipsin’ny testamenta taloha, izany hoe ilay manambara ny zavatra ho avy ao aoriana ao.

Ary Jesoa Kristy àry raha ohatra ka nilaza ny amin’ny fanjakàn’Andriamanitra, mampianatra ny amin’izany ary mampilaza ny zavatra izay tsy maintsy ho tonga dia izay voatantaran’i Daniela no lazainy ao anatin’izany, araka izay hitantsika any amin’ny Matio 24, 14 sy15, izao no vakin’izany amin’ny anaran’ny Tompo :

« Ary hotoriana amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’izao fitoerana masina, ny fahavetavetan’ny fandravana, izay nampilazaina an’i Daniela mpaminany »

Ny toko faha 11 sy ity faha 12 tapany voalohany ity no milaza fandavàna na hoe fahavetavetan’ny fandravàna lazain’i Jesoa Kristy any amin’ilay Matio 24 izay novakiana ampahany tamintsika teo. Fa voatantara ao anatin’izany toko faha 11 sy ny fiandohan’ny toko faha 12 izany ny fifamelezan’ny firenena roa, ary io ilay lazain’i Jesoa hoe :

« hisy firenena hitsangana hamely firenena, fifamelezan’ny firenena roa mifanakaiky, atsimo sy avaratra, ary maharitra fotoana ela izany fifamelezana izany, izay miteraka faharavàna sy fahapotehana tsy misy tahaka izany »

Fa hitantsika ao amin’ity Daniela 11 sy 12 ity koa ny fijoroan’ny olona ankiray izay manandran-tena sy milaza azy ho Andriamanitra, ary dia taominy sy reseny lahatra, didiany hivavaka aminy mihitsy ny ankabeazan’ny olona ao anatin’ny firenena izay entiny, dia io koa ny mbola lazain’ny Tompo hoe :

« hisy kristy sandoka hitsangana amin’izany fotoana izany »

Efa hitan’i Daniela daholo ny zavatra ka nambaran’i Jesoa Kristy, fa izany rehetra izany dia niteraka zavatra hafa teo amin’ny vahoaka tao amin’izany firenena roa nifamely izany ka nahatonga azy ireo hanaraka ny tenin’ilay mpanjaka na ny fahefan’izay mpanjaka eo hivavaka aminy, hanompo azy, ary nanjary vitsy na dia teo amin’ny zanak’Israely izay lasa babo tamin’izany firenena izany aza nankato an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra nitondra azy nivoaka tany amin’ny tany Egypta ka nanome azy ny tany Kanàna voalohany, dia ireo taranak’i Abrahama izany. Mafy ny faharavàna tamin’izany fotoana izany ary tena nisedra ny zavatra sarotra iainana sy ny mangidy indrindra ny olona.

Fa ao anatin’izany mafy izany anefa no hisian’ny teny kely anankiray ny ny piti-teny mihitsy aza ny filaza azy hamelombelomana indray izay efa rava, hilazana ny fananganana izay efa mandry eo amin’ny vovoky ny tany indray ka handray fiainam-baovao, hilazàna fahavelomana indray ho an’izay torotoro ka hitsangana ho amin’ny fiainana mandrakizay ; ary hahazo tombony sy hiavaka ao anatin’izany fitsanganana avy ao amin’ny faharavàna izany izay endry araka ity andininy faha 3a ity hoe : « Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra »

Fa iza anefa no lazaina hoe « izay endry »?

Raha vao miteny an’izany dia tahaka ny misy hoe adala maromaro izany eo fa vitsivitsy ihany ny endry matoa lazaina hoe « izay endry ». Mampahatsiaro ny fomba nanoharan’i Jesoa Kristy ny fanjakan’ny lanitra any amin’i Matio 25, 1 sy ny manaraka any, filazana endrika adala, fa any misy ilay hoe :

« Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny virijina 10 izay miandry, hitsena ny mpampiakatra, ary misy endry misy adala, ny 5 adala dia ireo izay tsy mba nanana na tsy ampy ny solika fitaiza izay iomànany hiandrasana ny fotoana fiavian’ny mpampiakatra ka rehefa injay avy tery alavitra tery ny mpampiakatra vao nikoropaka izy nitady hoe : aiza no ahita solika hiandrasana iny mpampiakatra efa ho avy iny ? ary dia izay vao nandeha nitady, tamin’ny fotoana nandehanany nitady no tafiditra ny mpampiakatra ary tsy afaka niditra tao amin’izany fanasan’ny fampankaram-bady izany intsony izy, fa nisy kosa ny 5 izay nolazaina hoe endry, dia ireo olona izay vita fiomanana tsara, ireo olona nanangona, ireo olona nivatsy solika fitaiza »

Ka na dia ela aza ny fotoana fiavian’ny mpampiakatra, na dia nandrasana tamin’ny mananton’alina aza dia vonona teo foana izy ary nirehatra mandrapahatongan’ny mpampiakatra ny fanàlany, dia izany indrindra no atao hoe endry araka ity bokin’i Daniela ity, indrindra ity andininy faha 3a ity izay teny fanevan’ny Sampana Mpanazava sy Tily izay mankalaza ny faha 60 taonany ity dia ireo izay nanangona ny fahasoavan’Andriamanitra tao aminy ka nitahiry izany, ireo izay tsy niala tamin’Andriamanitra fa nifikotra taminy foana na inona na inona faharavàna sy fahapotehana, na inona na inona nihatra tamin’ny firenena, na dia mafy tahaka ny ahoana àry ny fanenjehana dia izy ilay nifikitra tamin’Andriamanitra.

Ery amin’ny andininy faha 32 sy 33 toko faha 11 moa no misy izany famaritana izany hoe :

« Fa ny olona izay mahalala an’Andriamanitra kosa dia mifikitra amin’izany ka mankato Azy ary izay endry ao amin’ny olona dia hampianatra ny maro ».

I Daniela izay lazain’ny mpandinika maromaro nanoratra ity boky ity dia anisan’ny sahy nijoro tamin’izany fahendrena izany, ary tantara mahaliana izany lehilahy izany satria rehefa niasa tao amin’ilay mpanjaka izy, ny mpanjaka Dariosy dia nialona azy ny mpiara-miasa ka nitady fomba mba ahafahana mamandrika azy ahafaty azy, dia nangataka tamin’ny mpanjaka ireo mpiara-miasa ireo hoe andao isika hanao lalàna eto amin’ny tany sy fanjakana ka tsy hisy olona avela hivavaka amin’ny andriamaniny na hangataka amin’ny olona hafa ato amin’ny fanjakanao afa-tsy aminao mpanjaka irery ihany ao anatin’ny 30 andro.

Ary dia nosoratana izany lalàna izany, natao lalàna teo amin’ny fanjakana, naraha-maso ny olona tsirairay avy, kanefa Daniela tsy nanaiky izany fa mbola nivavaka tamin’Andriamanitra ihany, nanokana fotoana mangina hivavahana tamin’Andriamanitra na dia fantany aza fa fahafatesana no hiafaran’izany fifikirany amin’Andriamanitra izany.

Dia mino kosa izy fa ilay Andriamanitra hianteherany, ilay hitokiany io dia afaka miaro azy ao anatin’izany, ny niafaràn’ny tantara moa dia natsipy tao an-davaky ny liona mihitsy izy kanefa haintsika tsara fa tsy nahakasika azy akory ny liona tamin’izany fotoana izany, dia afaka mirehareha izy, afaka milaza tena izy hoe endry manoloana izany fanenjehana izany satria namikotra tamin’Andriamanitra irery ihany, nahatoky an’Andriamanitra irery ihany.

Izay no niainany nandritra ny fotoana izay nisehoan’ny fandravàna sy ny fanenjehana nahazo azy ; ny olona toy izany no hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra.

Ny mampamirapiratra ny fiainan’ny olona anankiray dia voalohany indrindra ny voninahitr’Andriamanitra, ny faharoa dia ny fizarantsika kristianina fiainana vaovao ho an’ny hafa:

Mamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra

Fa inona moa no mampiavaka izany hoe mamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra izany ? Fa raha amin’izao andro iainantsika izao, dia toa izay milaza tena na manokan-tena ho endry indray no lazain’ny fiaraha-monina adala.

Raha ohatra ka misy kitapo latsaka eo izao, mandalo ny ankabeazan’ny olona, misy mandray ka mamerina azy any amin’ny tompony dia lazain’ny fiaraha-monina hoe tena adala ilay olona iny satria kitapo latsaka tokony hampirimina. Ka tsy izany nefa no ambaran’ny soratra masina fa « ny endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ».

Ny mamirapiratra raha hoe hilazantsika fisongadinana olona anankiray dia toa mbola miombona amin’izay heverina hoe fomba fanaon’ny fiaraha-monina hampalaza ny tenany ihany izany satria raha te hisongadina ny olona iray raha te hamirapiratra eo amin’ny fiaraha-monina ho fantatra ny anarany dia tsy mampaninona azy ny manao zavatra ratsy, tsy mampaninona azy ny manao folaitra eo amin’ny fiaraha-monina dia amin’izay fantatra tsara ny anarany hoe iny ilay nanao an’izao! Tadidy foana ary mipetraka ho tantara eo amin’ny fiaraha-monina.

Fa saingy tsy izany ilay mamirapiratra lazain’Andriamanitra eto fa ilay toerana avo, satria ilay mamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra, ilay toerana avo, ilay manerinerina, ilay loloavina eny ambony, ilay toeran’ny fanazavana amin’ny andro sy amin’ny alina ary indrindra moa ilay mahafoy ny hafa. Izany no famirapiratry ny lanitra satria amin’ny atoandro dia eny amin’ny lanitra na eny amin’ny habakabaka no itoeran’ny masoandro izay fanazavana ny andro ary amin’ny alina dia eny amin’ny habakabaka ihany koa no itoeran’ny volana sy ny kintana izay mpanapaka ny alina araka ny Genesisy toko 1 any amin’ny tantaran’ny famoronana.

Ary ny fahitana izany famirapiratry ny lanitra eny ambony izany dia voalohany indrindra ny voninahitr’Andriamanitra aloha satria nampitolagaga ny mpanao Salamo mihitsy ny fahitàna sy ny fandinihana ny lanitra eny ambony eny.

Fa mbola nampitolagaga ny malagasy ihany koa ny nanoratany ady rima sy nanoratan’ny mpanao tononkira izay maniry hipetraka eny amin’ny lanitra na maniry ny hanolotra zavatra eny amin’ny lanitra ho an’ilay tiana ary dia voninahitr’Andriamanitra izany. Izany no famirapiratan’ny lanitra, manainga ny fanahin’ny mpanakanto, fa ny famirapiratan’ny lanitra ihany koa dia porofon’ny fanomezana ho an’ny hafa satria tsy mamirapiratra ho an’ny tenany izy fa matoa izy mamirapiratra dia ny asa manodidina azy no tiany hazava ary izany fahazavàna tiany ho an’ny hafa izany dia « endriky ny fizarana fiainana ».

Fa inona moa ny fiainana lalovantsika zanak’olombelona raha toa ka tsy misy ny masoandro ho mpanapaka ny andro ary tsy misy ny volana sy kintana ho mpanapaky ny alina ? Dia tsy fantatra izay tantarantsika eo raha izany no tsy misy !

Raha mamirapiratra izany ny fiainan’ny olona iray eto amin’ity tany fandalovantsika ity, ny voalohany indrindra dia voninahitr’Andriamanitra ilay mampahamirapiratra azy ; fa ny faharoa koa « fizarana fiainana » ho an’ny manodidina azy, tsy misy hoe mba maniry te hamirapiratra tahaka Azy fotsiny ihany fa Izy mamirapiratra manome fahazavana ho an’izay manodidina ka afaka mitaona azy ireny ho amin’ny famirapiratana ihany koa.

« Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra »

Hafatra ho antsika kristianina

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, mankalaza ny faha 60 taonany izao ny Sampana Mpanazava sy Tily eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ary izany tenin’Andriamanitra izany hoe :
« Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra » no teny fanevany ato anatin’izany fankalazàna izany.

Tsy hoe ilazàna izay efa niainana nandritra izay 60 taona lasa tany mivalona ho tantara akory ny filazàny izany teny izany fa araka ny maha teny nilazàna ny zavatra ho avin’ity teny ity no mbola hiainana ao aoriana izao fankalazàna ny faha 60 taona izao ihany koa.

Amin’ny maha sampana ny sampana moa dia miezaka mamoa, ary Jesoa Kristy rahateo koa nampianatra izany hoe « ny sampana izay miray Amiko ka mamoa dia ho karakaraina fa izay tsy miray Amiko dia hatsipy any anaty farihy mirehitr’afo ». Ary izany ny maha-izy azy ny sampana izany hoe izy miray amin’i Jesoa Kristy.

Ary izay ilay fahendrena voalaza tery aloha, ilay miray amin’i Jesoa Kristy, ilay mifikitra, tsy miala, mankato Azy ao anatin’izany ; ary dia porofon’ny fijoroan’ny sampana 60 taona izao moa ny firaisana amin’i Jesoa Kristy satria raha tsy niray tamin’i Jesoa Kristy ny sampana iray tato amin’ny fiangonana dia ho rantsànana izy ary hadaboka tsy ho sampana intsony fa rehefa tsy miray amin’i Jesoa Kristy izy dia miray amin’ny zavatra hafa. Fa porofon’ny firaisana amin’i Jesoa Kristy izany, porofon’ny fifikirana sy fankatoavana an’Andriamanitra izany ny fahatratràrana izao faha 60 taona izao.

Izany ihany koa no mbola hibanjinana ny ho avy mandritra ny taona maro izay tsy azontsika ho visavisaina eto am-panombohana ny fankalazana ny faha 60 taona ka tsy ireto Tily tranainy izay hitantsika efa lehibebe mahafinaritra ny mijery azy amin’ireo fanamiana ireo, tsy ireo ihany izay efa nanjary ho komitin’ny fankalazàna ankehitriny no handray izany anarana hoe « endry » izany fa indrindra ianareo ankizy tanora izay beazina ao anatin’izao fotoana izao mba tsy ho teny mahazatra ilay teny anankiray izay ataonareo hoe hanompo an’ Andriamanitra fa teny « iainana » mba hifikitra amin’Andriamanitra, tsy hiala ary hazoto hanompo azy. Fa izany fahendrena izany no iainan’ilay teny fikasana hoe mamirapiratra, manampy isa indray ilay teny fikasana ho amin’ny fiainana mandrakizay araka ilay andininy faha2 :

« ary maro ao amin’izay vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho any amin’ny fiainana mandrakizay »

Dia mba hamirapiratra ao amin’izany fiainana mandrakizay izany, izay teny fikasàna ho an’izay rehetra mino izany ho entin’ny fahendrena izay iainanareo, hoentin’ny fiarahanareo sy ny fiombonanareo sy ny fifikiranareo tamin’i Jesoa Kristy mafy Taminy, ary indrindra amin’izao vaninandro iainanareo izao.

Iainantsika rahateo koa moa dia misy teny iray any amin’ny fanekena any ny hoe « miasa ho an’ny tanindrazana » ary indrindra fomba iainan’ny Mpanazava sy Tily ahalalàntsika azy ilay hoe « bonne action », « asa soa », ary izany ny famirapiratana velarina eo amin’ny fiaraha-monina mba ahitàn’ny mpiara-monina anareo hoe ho « endry » dia « mizara fiainana ho an’ny hafa » tahaka ny famirapiratry ny lanitra izany, mahatonga ny hafa hanana fiainana vaovao ihany koa izay zarain’ny sampana Mpanazava sy Tily ary antom-pisiany rahateo koa izany.

Noho izany àry ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, tokony hiova izany ny fomba fijerintsika an’izany sampana mpanazava sy tily izany mba tsy ireo mpivory isaky ny sabotsy hariva na ireo mpilasy in-3 na in-4 isan-taona na ireo mpanao fanamiana matetitetika, tsy izany ihany no tokony ahitàna azy fa ny antom-pisiany ihany koa dia ny hamirapiratra eo amin’ny fiaraha-monina, ny antom-pisiany ihany koa dia hanampy ny hafa, mizara fiainana ho an’ny fiaraha-monina fa izay endry no hamirapiratra toy ny lanitra.

Teny famaranana

Ry havana, eto am-pamaranana, ny andro iainana no ahafahana mamaritra ny toetry ny olona anankiray hoe endry na adala, ary izany andro iainana hamaritana azy hoe endry izany dia vokatry ny fankatoavany, vokatry ny fanarahany sy ny fiarahany ary indrindra vokatry ny fifikirany tamin’Andriamanitra irery ihany.

Ary rehefa endry izy dia hamirapiratra eo amin’ny fiaraha-monina, indrindra rehefa avy eny amin’ny rahon’ny lanitra ny Tompo ka handray izay rehetra mino Azy ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia hamirapiratra ao amin’izany fanjakan’Andriamanitra izany ny olona anankiray izay endry !

Koa herezo àry ry havana, herezo àry ry sampana Mpanazava sy Tily ny hikatsaka sy hitazona mandrakariva izany hoe « fahendrena » izany mba hamirapiratan’ny ho avinareo, ezaho dieny izao koa izany hitady ny fahendrena izany mba hisian’ny famirapiratana satria eto amin’ity tany fandalovana ity no sekoly fanomanana izay ho avy ! « Ary izay endry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra ». Amen !

Mpitandrina Harry


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «