FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny 13 febroary 2011 : Manantona an’Andriamanitra fa Izy irery no afaka hanavotra antsika

Toriteny 13 febroary 2011 : Manantona an’Andriamanitra fa Izy irery no afaka hanavotra antsika

Publié le 17 février 2011 à 05:02

Ny tenin’Andriamanitra nangalana ny hafatra tamin’ny Alahady 13 febroary 2011 dia ao amin’ny Isaia 55:6-11 manao hoe :

6 Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

7 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

8 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

9 Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra noho ny tany no hahavon’ny lalako noho ny lalanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo.

10 Fa toy ny ranonorana sy ny oram-panala milatsaka avy any an-danitra ka tsy miverina any raha tsy efa nahavonto ny tany ka nampaniry* sy nampahavokatra azy, mba hahatonga voa ho an’ny mpamafy sy hanina ho an’ny mpihinana, [Heb; nampiteraka]

11 Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy.

Ny mpitandrina mpiza-draharaha eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo no nitondra izany hafatra izany.


Lire aussi

18/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1  » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny

11/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra

Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7  » Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo:

04/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho masina ianareo, satria masina Aho

Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ».  Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16  « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena

28/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra

Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8  » 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy

14/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina

Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao

Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6 « 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Fetim-bokatra 2024

Alahady 07 Jolay 2024, alahadin’ny Fetim-bokatra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 8 : 12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina,

30/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaro ny olony tsy ho lavo ny Tompo

Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,

23/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Vokovoko manga 2024

Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy

16/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny Ray 2024

Alahady 16 Jona 2024, fetin’ny Ray, ivon’ny Jobily faha-75 taona ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ». Alahady nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5; 16  » Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo