FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny 11 oktobra 2009 – Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia

Toriteny 11 oktobra 2009 – Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia

Publié le 16 octobre 2009 à 12:10

Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo, ilay Andriamanitry ny taloha sy ankehitriny ary ho avy.

Ry havana, ny hafatr’Andriamanitra dia ho hitantsika ao amin’ny bokin’i Deotornomia na ny Famerenan-teny izay hiaingantsika handraisana ny hafatry ny Tompo amin’ity anio ity.

Isan’ny perikopan’ny FJKM ity Deotornomia 5, 25-30 ity zay mbola hibanjinantsika ny lohahevitra manao hoe : « Marina amin’ny teniny ny mpino ».

25 Ary Jehovah nandre ny teninareo, raha niteny tamiko hianareo, ka hoy Izy tamiko: Efa reko ny tenin’ireo olona ireo, izay nolazainy taminao, ka tsara izay rehetra nolazainy.

26 Enga anie ka mba hanana fo toy izany izy hatahorany Ahy sy hitandremany ny didiko rehetra mandrakariva, mba hahita soa izy sy ny taranany mandrakizay

27 Mandehana, ka lazao aminy hoe: Miverena any an-dainareo hianareo.

28 Fa hianao kosa dia mijanona eto anilako, ka holazaiko aminao ny lalàna rehetra sy ny didy ary ny fitsipika, izay hampianarinao azy mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho lovany.

29 Koa tandremo mba hanao araka izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo; aza mivily, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia;

30 fa ny làlana rehetra izay nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona hianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin’ny tany izay holovanareo.

Ny tanjona amin’ny fanaovana Famerenan-teny dia fanamafisana izay teny efa voalaza na ho fampahatsiarovana ny tokony atao na ihany koa ho arifanina eo am-panaovana ny zavatra izay tokony ho tanterahina ary indrindra ho fampanantenana tsara ny mpanao na ny olona izay mpanome izany zavatra izany. Inona àry ny ambaran’izao soratra masina izao ho antsika mpino sy mpanara-dia ny Tompo?

Tsy mendrika an’Andriamanitra sy ny fahamasinany isika

Hitantsika izany ao amin’ny andininy faha 25 izay vakiana toy izao indray amin’ny anaran’ny Tompo :

« Ary Jehovah nandre ny teninareo raha niteny tamiko ianareo ka hoy Izy tamiko : Efa reko ny tenin’ireo olona ireo izay nolazainy taminao ka tsara izay rehetra nolazainy ».

Fa inona avy ireo teny izay nolazain’ireo mpino ireo eo amin’ity soratra masina ity?

Ny andininy faha 20-23 no ahitantsika an’izany voalohany, ny andininy faha 20, a, vakiantsika amin’ny anaran’ny Tompo :

« Ary rehefa renareo ny feo avy tao amin’ny aizina, raha nirehitra afo ny tendrombohitra dia nanantona Ahy ianareo, dia ny loham-pirenena rehetra sy ny loholonareo ka hoy ianareo : Indro efa nampahitan’i Jehovah Andriamanintsika ny voninahiny sy ny fahalehibiazany isika ary efa rentsika ny feony avy ao amin’ny afo, koa efa hitantsika androany fa Andriamanitra miteny amin’ny olona nefa velona ihany Izy, koa ankehitriny, nahoana no ho faty izahay ? Fa handevina anay io afo lehibe io raha mbola mandre ny feon’i Jehovah Andriamanintsika indray izahay dia ho faty ! Fa iza moa tamin’ny nofo rehetra no efa nandre ny feon’Andriamanitra velona amin’ny teny teo am-povoan’ny afo tahaka antsika ka velona ihany ? »

Izany teny izany izay azontsika adika manao hoe : mahagaga Andriamanitra ; mpamindra fo Andriamanitra, tsy mendrika an’Andriamanitra sy ny fahamasinany isika, te ho velomin’Andriamanitra mandrakariva isika amin’ny fahasoavany sy ny fitahiany matetika rehetra, izany no teny ataontsika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra, izany no teny re, henon’Andriamanitra ataon’ny mpino Azy

Fa eo ihany koa ny teny izay hifanaovantsika amin’ny mpino namantsika ihany.

Ny andininy faha 24 indray no hanamarinantsika izany :

« Manantona ianao ka mihainoa izay rehetra holazain’i Jehovah Andriamanintsika ary aoka hilaza aminay izay rehetra holazain’i Jehovah Andriamanintsika aminao dia ho henoinay ka arahinay izany ».

I Mosesy izay nifampiresaka amin’ny vahoaka mpanara-dia azy, ny zanak’Israely no tantaraina eto ; dia tahaka antsika ihany koa izany manao hoe : « izaho koa mba hivavaka marina amin’izay ka !« 

Ary tamin’ny faneken’ny batisa sy ny fandraisana fanasan’ny Tompo ary ireo asa fanompoana hafa izay nanokanana antsika, ny teny nataontsika tamin’izany na tamin’ny fitsofan-drano ny mariazy ihany koa dia hoe : « eny, manaiky aho, hazoto aho, hiezaka mihitsy aho ka ! ary hitombo aho ! »

Efa ren’Andriamanitra daholo izany teny tsara nataontsika izany na teny nataontsika tamin’Andriamanitra io na teny nifanaovantsika olombelona ihany koa.

Ataovy tsara ny teninao, ataovy tsara ny fitondran-tenanao

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, Jehovah Andriamanitra nandre ny teninareo ka hoy Izy :

« Efa reko ny tenin’ireo olona ireo izay nolazainy ka tsara izay rehetra nolazainy ».

Fa ireo zanak’Israely tamin’ny fotoan’andro ry havana, isika mpino rehetra tonga eto toy izao koa, tsarovy àry fa henon’Andriamanitra ny teny tsara rehetra nataonao ary henon’Andriamanitra ny fanekena tsara izay noteneninao teo anatrehan’ny vavolombelona maro dia ny Fiangonana.

Ampaherezin’Andriamanitra àry ianao fa TSARA izany teny nataonao izany ary ny Matio 12, 35 izay novakiana tamintsika teo dia milaza hoe : « ny rakitra tsara no hamoahan’ny olona ny teny tsara », amin’ny andininy faha 26 dia hoy Izy hoe : « Ataovy tsara àry ny hazo mbamin’ny voany fa ny voany no hamantarana ny hazo ».

Tiany izaho sy ianao, ataovy tsara ny finoanao, ataovy tsara ny teninao, ataovy tsara ny fitondran-tenanao fa efa ren’Andriamanitra ny teny tsara rehetra nataonao.

« Mahareta amin’ny teny tsara rehetra »

Fa ny faharoa ry havana araka izao hitantsika amin’ny soratra masina izao dia azontsika hibanjinana ny hoe : « Mahareta amin’ny teny tsara rehetra ».

Vakiantsika ny andininy faha 29-30 eo amin’izao perikopa ho antsika izao :

« Koa tandremo mba hanao ny tsara izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitra anareo, aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia fa ny làlana rehetra izay efa nandidian’i Jehovah Andriamanitrareo no halehanareo mba ho velona ianareo ka ahita soa ary ho maro andro any amin’ny tany izay ho lovanareo »

Mitandrema, tandremo izany ilay teny tsara izay efa nataonareo, tandremo ireo teny tsara izay natolotra anareo, tandremo mba tsy ho adinonareo fa efa nanaiky teo anatrehan’Andriamanitra ianareo ry zanak’Israely.

Ary ho antsika izay mpino mpanara-dia an’ny Tompo ankehitriny, tandremo ny fahatsaràna fa raha miala amin’izany ianareo dia avy hatrany dia ao amin’ny faharatsiana, aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.

Ary raha jerentsika ihany koa ny perikopa miaraka aminy, Matio 12, 36-37 dia mampitandrina mihitsy i Jesoa Kristy, hoy Izy : « Lazaiko aminareo fa hampamoahana ny olona no miandry fitsarana noho ny amin’ny teny foana izay nataony fa ny teninareo no hanamarinana anareo ary ny teninareo no hanamelohana anareo »

Tandremo, mahareta amin’ny teny tsara izay nomen’ny Tompo antsika, mahareta amin’ny teny tsara izay efa nataon’ny Tompo ho antsika.

Ny vehivavy amin’ny ankapobeany dia resy amin’ny « 3L » ary ny lehilahy amin’ny « 3V »

3L

Izao tokoa ange ry havana no mahagaga e, ary nolazain’ny mpandinika fa ny vehivavy amin’ny ankapobeany resy amin’ny « 3L » na « L » anaky 3 izany, inona ireo ? : Lehilahy, Lamaody ary ny Lela.

Ny Lela izany ilay hipentsompetsonan’ ny vehivavy, ambara amin’ny teny mahazatra hoe « mitakoritsika », dia io ilay ambaran’i Jakoba ho antsika, eo amin’ny toko faha 3, 9-10, hoy izy : « Ny lela, izy no isaorantsika ny Tompo dia ny Ray »

Inona moa izany ? Ataontsika mandrakariva ny hoe : misaotra an’Andriamanitra mihitsy aho, te hanamarin-tena izy ‘zay ! Dia hoy ihany tohizin’ny soratra masina : « ary izy ihany koa no hanozonantsika olona » ; tahaka ny hoe : « an an an ! tsy mba te ho tahaka iny olona iny mihitsy izaho ». Te hanaratsy ny hafa koa izy ‘zay !

Ny lela no hamoahantsika izany ; ary ny andininy faha 10 : «Ny vava iray ihany no hivoahan’ny fisaorana sy ny fanozonana »

3V

Ilay eritreritra ratsy ao anatintsika izany ; fa tsy latsa-danja amin’izany koa ange e, tsy ny vehivavy ihany no resy fa amin’ny ankapobeany ny lehilahy koa dia resy amin’ny « 3V » indray, V anaky 3 : Vehivavy, Vola, Voninahitra.

Ny Voninahitra ilay mampieboebo, « je suis », izaho mihitsy izany ka ! Izao ihany, ny lela no hanambarantsika izany. Ry havana, tsy ratsy ho azy akory ireo nambara tamintsika teo fa fomba fijerin’ny mpandinika avokoa izany ary tsy handinika ho antsika izay mihaino ny tenin’Andriamanitra rehetra kanefa izao, eto ny mpandinika ny fo sy ny voa dia ilay Andriamanitra no miteny amintsika araka izao soratra masina izao mba aharetantsika amin’ny teny tsara rehetra sy amin’ny zavatra tsara rehetra izay fanaontsika.

Hafatra

Eto am-pamaranana àry ry havana, zavatra roa no takian’ny Tompo amintsika ary hampaherezana antsika dia izao ihany :

1 – henon’Andriamanitra ange ny teny tsara rehetra nataontsika é ! Henon’Andriamanitra ange ny teny sy fikasàna tsara nambarantsika é ! na tamin’ny vavaka io na teo anatrehan’ny fiangonana io !

2 – fa ny faharoa, mahareta amin’ny teny tsara rehetra izay nataonao teo anatrehan’Andriamanitra, mahareta amin’ny fanao tsara rehetra izay nandidin’Andriamanitra anao. Tsy averina intsony ny didy folo izay haintsika na ezahintsika ho hay fa ny Fanahy Masina anie hampahery antsika ahavitantsika izany sitrapon’Andriamanitra izany.

Dia ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra eo amin’ny fiainantsika mba hahita soa isika ary ho maro andro ary ho ambinina eo amin’ny tany izay hametrahan’Andriamanitra antsika sy amin’ny sehatra sitrak’Andriamanitra ivelarantsika. Amen.

Mpitandrina mpianadraharaha Rija


Lire aussi

19/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zavatra iray loha no nangatahiko tamin’i Jehovah, izany no hotadiaviko, dia ny hitoetra ao an-tranon’i Jehovah amin’ny andro rehetra hiainako, mba ho faly mijery ny fahasoavan’i Jehovah sy mandinika ny tempoliny

Alahady 19 Martsa 2023, fanompoampivavahana ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra noho ny faha-20 taona maha-mpikarakara ny trano fiangonana an’Andriamatoa RAKOTONANDRIANINA Tantely Arinarivo mianakavy. Mbola anatin’ny lohahevitra isika @ity volana ity manao hoe « Mamerina amin’ny fahamarinana ny Tompo ». Ny tenin’Andriamanitra notorian’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia araka ny teny faneva nofinidin’i Tantely mianakavy, araka ny Salamo 27,4

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :