FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tafika Masina tany Ankadivory Imerintsiatosika

Tafika Masina tany Ankadivory Imerintsiatosika

Publié le 07 novembre 2008 à 12:11

Maneno ny « sifflet », mampatsiahy fa amin’ny 6 ora sy 45 mn no misakafo, amin’ny 7 ora sy 15 mn ny fanompoam-pivavahana ary amin’ny 7 ora sy 30 mn no miainga hanafika.

Ho any Antanetilava dia mitohy ho any Morarano ary mifarana any Ankadivory no dianay, izay lavidavitra ihany avy eo amin’ny « Mpamafy » (« Mpamafy » no anaran’ny toerana itobianay). Ary tsy vitan’ny hoe lavitra Antanetilava fa miaka-piakarana mideza ihany no mankany.

Ny « paysage » tazanao rehefa ho any Antanetilava dia tendrombohitra manodidina. Mangina tokoa ny làlana mankany ary ny feonay miresaka ihany no manakotaba izany fahanginana mahafinaritra izany. Ary misy rivotra mitsoka malefaka dia malefaka izay tena mahafinaritra mihitsy ho anay izay tsemboka no vizana. Izahay izay miakatra ilay tendrombohitra mideza.

Rehefa tonga eny an-tampony ianao, dia indro tazanao, mbola ery lavitra ery, ny tanànan’Antanetilava. Ary raha mitodika mijery ny làlana efa vita, sady miala sasatra kely ihany, dia tazanao manangasanga ery lavitra ery ny tanànan’Antananarivo. Mankadiry tokoa ny taza-maso. Tsara dia tsara ny tazana ka lasa adinonao hatramin’ny havizananao, ary ny hany tonga ao an-tsainao manoloana ny hitanao dia ny hoe : Lehibe ny Andriamanitsika, Tsitoha Izy.

Rehefa tonga tao Ankadivoiy izahay dia mihevitra ny hoe efa akaiky ny « Mpamafy » na dia mbola misy làlana adiny iray latsaka aza. Tamin’ny 15 ora sy 30 mn eo ho eo izahay no tafaverina tao amin’ny « Mpamafy », izay vao hisakafo antoandro. Ary mandritra izany làlana izany dia fihomehezana, hafaliana foana ny anay. Hafaliana tokoa ny fandehanana mitory an’i Jesoa Kristy.

Vizana tokoa izahay rehefa tafaverina ao amin’ny « Mpamafy », fa izao : havizanana mahafinaritra, havizanana feno hafaliana. Havizanana tsy hay no mitantara azy, fa havizanana iainanana vao takatry ny saina. Hafaliana koa ny anay na eny an-dàlana, na ao an-trano. Hafaliana tsy hay no mitantara azy, fa hafaliana iainana koa vao takatry ny saina.

Ireto misy fihetsik’olona tao aminay, ahafahana manarangaranga fotsiny ny haben’izany hafalianay izany. Raha mifampitantara ny zavatra mampihomehy teny am-pitoriana izahay dia ao ny latsa-dranomaso noho ny fihomehezana, ao ny mifona mba tsy hampihomehezina intsony, ao ny mitaraina fa vizaky ny fihomehezana. Tsy ny hoe ny fihomehezana fotsiny ihany no afahana mandrefy ny fifalianay tany, fa ao ny fifandraisanay, ny fîarahana manao raharaha, fiainam-pifaliana izay tsy hay tantaraina, no niainanay tany.

Niainanay tany koa ny hoe : « Momba ny olona irahiny hitory Azy ny Tompo« . Raha fintinina dia toy izao ny fandehan’ny Tafika Masina tany :
– Nahomby satria tafaray amin’ny Tompo tokoa izahay ary nahafinaritra satria fiainam-pifaliana no niainanay tany.
– Farany : Ny Tafika Masina, dia tsy hay tantaraina fa andrana fotsiny izao ataoko izao ; fa mila iainana, ary mampitombo ny mpitory ny fanaovana izany.

Ho an’Andriamankra irery ny voninahitra.


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina