Ny sitrapon'Andriamanitra
Inona moa no anirian’Andriamanitra antsika. Tadiaviny ho inona isika? Kendreny hanao ahoana? Inona no sitrapony amintsika?
Maro no fikasany, ka izany rehetra izany dia ny hahasoa antsika. Na ireo heverintsika ho mangidy sy mampirotsa-dranomaso ; na ireo tsy maintsy hotazana eo am-pototry ny hazofijaliana, ets… dia fitiavana antsika avokoa ka ikendrena hanoloram-pahasoavana antsika.
Irin’Andriamanitra ho inona aho?
Fanontaniana mendrika hodinihina izany, ka rehefa fantatra ny valiny dia iezahana ho tratrarina.
Indreto misy telo hambara avy amin’ireo maro anirian’Andriamanitra antsika.
Voavonjy : Tian’Andriamanitra ho voavonjy isika. Izany no zava-dehibe aminy, izany no makadiry, izany no voalohany. Raha lavo ny olombelona dia nampanantena Mpamonjy ho azy izy. Hevero kely izay nataon’Andriamanitra : nomeny ny Zanany Lahy Tokana. Fatratra izany! Takatrao moa ve ny fiezinezin’izany? Iza no mahatratra izay ambaran’izany? Iza no mahalanja ny vesany, ary zovy no mahalaza ny soa ao aminy? Izany no mahagaga sy ngeza ary ambony indrindra amin’izay nataon’Andriamanitra mba hahavonjy antsika.
Tsy mbola nisy toy izany ary tsy hisy fanindroany. Ny Zanaka indray, mba hahalavorary ny famonjena antsika, dia nietry tena, nandefitra nampianatra sy nitory, nanao soa, tsy nanana izay hipetrahan’ny lohany, nolavina, nenjehina, nosamborina, nisetrasetrana, fadiranovana tao Getsemane, nijaly tany Gologota, maty tao Kalvary, ets…
Nofoanany ny tenany. Tsy nijanona tamin’io fototra lehibe io fa mbola miasa hatrany hatrany mandraka ankehitriny hahavoavonjy antsika. Ai-mpaminany firy, ain’Apostoly firy no ritra sy lany nentina nitory io fitiavan-dehibe io? Vola firy tapitrisa no voriana sy laniana isan-taona eran’izao tontolo izao hampielezana ny tenin’ny famonjena? Baiboly, toriteny, gazety fampianarana, fotoam-pivavahana. Zava-nitranga, ets… izany rehetra izany mbamin’ny marobe tsy voalaza dia hahavoavonjy anao sy izaho.
Azo ambara fa ny raharaha lehibe heverin’ny any an-danitra, ary ny iray amin’ny goaibe ikatrohana eto an-tany, omban’ny fifonan’i Jesosy Tompo eo ankavanan’ny Rainy, dia ny hanatanteraka ny famonjena antsika.
Koa ny sitrapon’Andriamanitra ary dia ny hahavoavonjy antsika.
SAMBATRA : Io koa no tian’Andriamanitra ho antsika. Vantanina fa noharina ho sambatra isika ary natao ho tretrika sy noforonina hiadana. Mivezivezy ny olona ka mankatsy, mankaroa, mikaroka fahasambarana, ary mandrakariva ao amin’izay tsy misy no itadiavany izany. Migoka ny ranon’i Sykara, ka mangetaheta lava eny. Ny sambatra ambara eto dia tsy ireo ataon’izao tontolo izao hoe sambatra dia ny manan-karena, be vola, manana trano soa, ambony ets… Tsy ireo. Tsy mba zavatra ivelany no mahay mahasambatra antsika. Ao amin’Ilay efa nomena antsika ihany. Io no mahasambatra antsika. Izany no iray amin’ny anton-diany. Ny fiadanako no omeko anareo, hoy Izy. Jesosy no ilay manome mihoatra ilay fahasambarana very tany Edena fahizay.
Ny fifankazarana amin’ny Tsitoha no hampiadana antsika, ary ny fandraisana an’i Kristy honina ao am-po : izay no tena fahasambarana. Averina kely ny voalaza fa tsy misy zava-tsoa eto hahay hampiadana antsika, fa raha olona afa-pon’ny zavatra eto an-tany isika, ka mety ho sambatra tanteraka amin’ireo dia olona mietry isika.
Tsy nofo fotsiny isika, fa fanahy, ka tsy afaka hahasambatra na inona na inona izany eto. Izany no ambara tsotra : ao amin’ny tsy misy Jesosy, mahaleo monina Azy, eny, izay foana Kristy, na firenena izany, na fon’olona tsirairay dia tsy misy fahasambarana.
Tian’Andriamanitra ho sambatra isika na eto na ary, ka omeny ny Zanany honina ao amintsika hahasambatra antsika.
MASINA : Io no hambara farany sady izany no hahalavorary iretsy roa voalaza eo ambony ; fa raha tsy misy firaisana aminy dia sarotra andrandraina ny famonjena sy ny fahasambarana, ary raha tsy masina indray isika dia tsy misy firaisana. Irin’ny Tompo ho masina isika, ataovy ao an-tsaina izany, ary alenteho lalina ao am-po. Mandrakariva hadinontsika io zava-dehibe io.
Tsarovy fa tsy maintsy ho masina isika. Hoy ny Tompo : « Ho masina hianareo, satria masina Aho« . Fatratra ny Fitiavan’Andriamanitra antsika : ety isika iriny honenana, fa efa nanomanany fonena-mahasambatra ka hahita ny tavany. Tsy hiditra any anefa isika, raha tsy masina ; eny tsy hahita ny Tavan’ny Tompo raha tsy manana fahamasinana. Koa satria Kanana fahizay dia nampanantenainy fa homena ny taranak’i Abrahama ; izay kosa ny lanitra natao ho an’ny olombelona ; nefa izay tsy masina tsy mba ho any (Apok. 21:27 ; Heb. 12:14).
Tian’i Kristy ho Masina ny Azy ka hamasininy (Jao. 17:19), ka na mbola eto amin’ity fiainana ity aza, dia efa manana ny taratry ny lanitra efa manana Paradisa sahady, ka masina, tsy anjakan’ny loto na izay tsy madio, sambatra, satria voaroaka ny ratsy, foana ny fitiavan-tena, ary nandresy ny fitiavana, ka indro fa voavonjy! Ry Malagasy ô! Tian’Andriamanitra ho voavonjy isika, iriny ho sambatra isika, tadiaviny ho masina isika! Izany no Sitrapon’Andriamanitra
Paul RAKOTOARIVONY