Ny olona tarihin’ny Fanahy Masina
Anio alahady 24 mey 2020 dia fianarana soratra masina no nentin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain teto @ FJKM Ambavahadimitafo :
« Dia nentina tany amin’i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana. 23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’i Davida? 24 Fa nony ren’ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’Ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ny demonia. 25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano. 26 Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany? 27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo azy? Ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo. 28 Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra. 29 Fa hataon’ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? Dia vao handroba ny ao an-tranony izy. 30 Izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka », Matio 12 : 22-30
Manasa anao hiara-hiombona @ fanompoam-pivavahana :