FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ny asan'ny manodidina

Ny asan'ny manodidina

Publié le 11 novembre 2008 à 12:11

Mba mampieritreritra ny mamaky ilay fanoharana nataon’i Jesosy ao amin’ny Mat. 13:3-8, fa toa miharihary eo loatra ny herin’ny manodidina antsika, na ara-nofo na ara-panahy :

« Ny tany dia vala iray, ny voa dia mitovy, ny fotoana dia andro tokana, ary ny tanana namafy dia an’olon-drery ; nefa ny vokatra dia samy hafa loatra, fa nisy voa tsy naniry akory, ny sasany maty kely, ao ny naniry ihany fa nitsipozipozy ; ary indreo kosa ny vanona tsara ka nahavokatra be. »

Ny nahatonga izany tsy fitoviana izany dia asan’ireo toe-javatra samy hafa nanodidina ny voa. Raha izao toetra ananantsika ankehitriny izao no dinihina, dia azo lazaina fa niankina betsaka tamin’ny toe-javatra nanodidina antsika.

Ao ihany ny toetra tsy azo ialana izay nolovana tamin’ny razana. Misy lova tsara ireny, ary misy lova ratsy. Hita izany amin’ny toetra sy ny fahaizana ary ny kilema ananantsika ; kanefa na izany aza dia misy azo ovana mihitsy, satria tsy dia mbola tena toetra voahombo ireny, fa mbola azo tampenana sy amboarina ary ahitsy ihany, araka ny fitenin’ny razana hoe :

« Ny tarehy ratsy no tsy azo ovana, fa ny fanahy ratsy azo ovana »

Izany fanovana izany anefa dia miankina betsaka amin’ny toe-javatra manodidina antsika, dia ny tany nipetrahana, ny ray aman-dreny nitaiza, ny namana niarahana, ary ny zavatra hitan’ny maso sy ren’ny sofina.

Nahoana moa no samy hafa ny toetra amam-pomban’ny Sakalava sy ny Hova, nefa samy Malagasy, ary nahoana no tsy mitovy fiasa ny ankabiazan’ny zanak’Ambanivohitra sy ny terak’Antananarivo, na dia sekoly iray aza no nianarany, ary diplôma mitovy no namoahana azy?

Ny toe-javatra manodidina azy izay hitany sy reny ary nitaizana azy, no nahatonga izany. Miasa lalandava ary ny manodidina hamboamboatra ny toetsika ho tsara na ho ratsy. Raha misy hazo roa mitovy karazana miaraka ambolena, ka nony efa maniry dia hita fa ny iray botribotry ary ny iray kosa midokadoka, dia tsy inona no nahatonga azy ho samy hafa toetra fa ny asan’ny manodidina, dia ny tany aniriany sy ny zezika ary ny zavatra hafa koa.

Noho izany dia tokony hatao izay azo atao hifidy izay toerana na ny zavatra hafa manodidina antsika amin’izay azo fidina hahatonga antsika ho olom-banona. Moa tsy fanaon’ny mpamboly va ny mifidy ny tany lonaka na ny lohasaha, na ny takon-drivotra sy talaky andro hovolen-javatra, raha misy azo ifidianana ihany, mba hahavanona tsara ny zavatra amboleny?

Koa manan-tsafidy ihany isika amin’ny zavatra sasany mba hifidy izay toerana ahazoantsika handroso amin’izay haha-olom-banona antsika, fa tsy izay hahabotry ny tena amam-panahy, toy ny fifidianana ny toerana iasana, ny namana iraisana, ny boky vakina, ny zavatra tian-ko jerena sy hohenoina ary ny zavatra hafa koa.

Fa ahoana kosa ary amin’ny toe-javatra sasany izay tsy azo ifidianana, toy ny ray aman-dreny niteraka, tany nahabe, fomban-drazana efa raikitra fahakely ka efa nanjary toetra?

Misy fomba fanaon’ny mpamboly mahay izay mendrika hodinihina mba tsy hahakivy antsika amin’izany : Any an-dafy, hono, dia kely ihany no tany azo volena noho ny habetsahan’ny mponina ; noho izany dia tsy afaka hifidy loatra izay tany lonaka hovolena ny olona, fa izay an’ny tena no tsy maintsy atao izay hahatsara azy, na toy inona na toy inona.

Koa izao no ataony : fantariny ny toetry ny taniny, ka heveriny izay fanatsarana antonona hanasoavana azy ; koa ny tany mando loatra anaovany tatatra hahamaina azy ; ny maina loatra kosa itarihany rano velona ; ary ny tsy ampy tsiro aza dia isahiranany itaomana zavatra hafa, toy ny sokay, na fasika, na zezika, samihafa ; koa noho ny fahaizany sy ny fisahiranan’ilay tompony dia manjary tany mahavokatra tsara ilay tanimboly tsy tsaratsara teo iny.

Koa noho ny maha olona antsika, sady olombelona manan-tsafidy sady mahay mivoatra, dia tsy tokony havela hotapahin’ny toe-javatra manodidina fotsiny isika, na hogiazany ; fa mbola tokony hiezaka hivoatra sy hamboatra ny manodidina aza ho tsaratsara kokoa, ary izay tsy haintsika atao dia apetraho amin’Ilay Mpamboatra mahay dia Jesosy, fa Izy ihany no mahay mamboatra ny ratsy ho tsara.

Mitoera, ry Jesosy! Ao an-tanimbolinao, Ka amboary ‘zao ny voly mba hitombo sy hamoa.

Rasamoely, Fiadanana


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «