FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy

Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy

Publié le 06 mars 2021 à 10:03

Alahady 28 febroary 2021, faharoa @ Karemy, mamarana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny tenin’Andriamanitra » eo amin’ny sahan’ny FJKM.

Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny II Tantara 12 : 1-8 : « 1Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalàn’i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.2Ary tamin’ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’i Egypta, hamely an’i Jerosalema, fa nivadika tamin’i Jehovah ny mponina tany, 3ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana. 4Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.5Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’i Sisaka. 6Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.7Ary nony hitan’i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’i Semaia indray ny tenin’i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’i Jerosalema avy amin’ny tànan’i Sisaka ny fahatezerako. 8Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ny fanjakana hafa. « 


Lire aussi

14/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 10 oktobra 2021 : Tafika masina

Alahady 10 oktobra 2021, niarahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao @ FJKM Ambavahadimitafo sy ny FJKM Isoavina Fiorenana miombom-bavaka am-po sy am-panahy teto amin’ny FJKM Isoavina Fiorenana, taorian’ny Tafika masina notanterahina teny an-toerana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

14/10/2021 A la une . AFF . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Hafatra avy amin’ny mpitandrina taorian’ny Tafika Masina oktobra 2021

« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin

03/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly

Alahady 03 Oktobra 2021, fanateram-bokatry ny SAMPATI, handinihina ny lohahevitra eto @ sahan’ny FJKM amin’ity volana ity : « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 22 : 14 : « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy [Jesoa] mbamin’ny Apostoly » Andeha hiombona amin’izany

02/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ataonareo va fa tonga hanome fihavanana ambonin’ny tany Aho?

Alahady 26 Septambra 2021, hitondrana am-bavaka ny sampan’asa FFP (Fiofanana sy fandalinam-pinoana), alahady farany andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa ». Ny mpitandrina Randriambinintsoa Onja Nantenaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 49 – 53 : «  49Tonga hanipy afo et? ambonin’ny tany Aho, ka manao ahoana ny

21/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny mino miorina ao amin’ny Tompo

Alahady 19 septambra 2021, mbola hibanjinana ny lohahevitra we « Miorena ao @ Tompo @ batisa »; alahady fanateram-bokatry ny antoko mpihira « Antsan’Ambavahadimitafo ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatry ny Tompo avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 8 : 34 – 40 :  » 34Ary ilay tandapa namaly an’i Filipo ka nanao hoe: Masìna hianao, iza

05/09/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny batisa

Alahady 05 septambra 2021, alahady faha-14 manaraka ny Trinite : – nanatanterahan’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA) ny vokatra– hibanjinana amin’ity volana Septambra ity ny lohahevitra hoe « Miorena ao @ Tompo @ batisa »– nitsofana rano ny mpitandrina Randrianasolo Elinah niza-draharaha teto @ fiangoana Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 3

29/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa fa ratsy izao fiainana izao

Alahady 29 aogositra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 6 : 27-36 : « 27Kanefa hoy Izaho aminareo izay mihaino: Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo; 28misaora izay manozona anareo, ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. 29Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny anankiray; ary raha

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mandinika ny fanoloran-tenan’ny mino i Jesoa

Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Alahady 22 aogositra 2021 nitondran’ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 12 : 41-44 : « 41Ary raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra Jesosy, dia nijery ny fandatsaky ny vahoaka tao; ary maro ny mpanankarena nandatsaka be tao. 42Fa nisy mpitondratena malahelo anankiray kosa tonga teo, ka nandatsaka

23/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny zanany hahazo fialofana

Famindram-po sy fahamarinana ho an’izay manao asa tsara. Ny vavaky ny marina no mamonjy ain’olona. Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina Alahady 15 aogositra 2021, hitondrana am-bavaka ny asa Aumonerie nationale eo anivon’ny FJKM mbola andinihana ny lohahevitra hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana

08/08/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Karakarao ny tanindrazana

Alahady 08 aogositra 2021 izay mbola hibanjinana ny lohahevitry ny FJKM hoe « Miorena @ asa tsara ». Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21. Andeha hiombona @izany fotoana izany :