FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Ireo dingan'ny finoan'i Marta, Jaona 11.21-27, 39-40

Ireo dingan'ny finoan'i Marta, Jaona 11.21-27, 39-40

Publié le 14 novembre 2008 à 12:11

Amin’i Jesoa, ny toe-javatra rehetra miseho dia fotoana mety avokoa mba hampianarana sy hanabeazana izay olona manatona Azy. Eto dia ny hampiorina ny finoan’i Marta miatrika ny fahafatesan’i Lazarosy, anadahiny, no nimasoan’ny Tompo. Efatra no voalazan’i Jaona fa dingana nampandalovan’i Jesoa io finoan’i Marta io.

1. Finoana ny resaka ren’ny sofina (21-22)

Ny faharenesana ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesoa, dia nahazoan’i Marta an-tsaina ny maha olon’Andriamanitra miavaka ity Jesoa miresaka aminy ity. Miavaka noho ny heriny sy ny fahefany mihoatra ny mahazatra ka nahasitrana ny zanak’ilay tandapa narary efa ho faty tany Kana (Jaona 4. 46-50) sy nampahiratany tao Jerosalema ilay lehilahy teraka jamba (Jaona 9. 1-6). Mba hampisongadina ny finoan’i Marta ny maha mpanasitrana tsy roa aman-tany an’i Jesoa, dia taterin’i Jaona ny tenin’ireo Jiosy sasany naneso an’i Jesoa izay namelona ny mason’ilay jamba nefa tsy nanao izay tsy ho nahafaty an’i Lazarosy (Jaona 11. 37).

2. Finoana ny fampianarana takatry ny saina (23-24)

Ny teny navalin’i Marta ny fanambaran’i Jesoa hoe : “Hitsagana ny anadahinao”, dia naneho fa mazava tsara aminy ka voarainy sy inoany izay nampianarina azy tany an-tsekoly ny amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany. “Fantatro ihany” hoy izy. Izany hoe : haiko ny momba io fampianarana io ka sady tsy hatoro ahy intsony no tsy hitondra fanampim-pahalalana mety hampisava ny alaheloko. Nahatsiaro ho diso fanantenana manko i Marta rehefa nahita an’i Jesoa tsy nangataka ny hananganan’Andriamanitra an’i Lazarosy amin’ny maty fa nionona tamin’ny fanambarana fampianarana efa fantany. Ary io fahadisoam-panantenana nahazo azy io no niteraka fifandisoana teo amin’ny fandraisany ny hevitry ny teny nataon’i Jesoa, teny izay midika fa izao ankehitriny izao no hitsangana amin’ny maty i Lazarosy ary Izy Jesoa no hanangana azy.

3. Finoana ny fanambarana nataon’i Jesoa ny amin’ny tenany (25-27)

Tsy nahasakana an’i Jesoa tsy hanohy ny fampianarana ny finoan’i Marta ny hadisoan-keviny momba ny teny voalohany nataony. Trangan-javatra efa fahitany teo amin’ireo mpino sy mpanaraka Azy rahateo ny toy izao ka tsy nahagaga Azy intsony. Iray amin’ireny ny hatailam-pandraisana ny amin’ny fampianarany momba ny mofon’aina izay nahatafintohina ka nampihemotra ny maro tamin’ny mpianany ary nahatonga Azy hanontany ny roa ambin’ny folo lahy hoe : “Ianareo koa ve mba te hiala ? (Jaona 6. 60-67). Fantatr’i Jesoa koa anefa fa ny fahoriana midona no manarona ny sain’i Marta tsy hahatakatra ny vontoatin’ny teny nolazainy taminy. Izany no nahatonga Azy hanambara amin’ny fomba hentitra sy mivantana fa Izy “no fananganana ny maty sy fiainana”. Ny mahagaga dia izao : nanala ny sarona nandrakotra ny masom-panahin’i Marta io fanambaran’i Jesoa io ary nanokatra ny vavany hanonona ilay fanekem-pinoana tsara indrindra : “Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Izay ho tonga amin’izao tontolo izao”.

4. Finoana manova ny fijerin’ny maso (39-40)

Ny fanesorana ny vatom-pasana, mariky ny sisin-tany mampisaraka ny toerana misy ny maty amin’ny misy ny velona, no baiko farany nasain’i Jesoa notanterahina mialoha ny hananganany an’i Lazarosy.

Fa tamin’i Marta, dia ny fiahanahana mbola tavela tao aminy no vato nisakana ny fahazoany antoka ny zavatra antenainy dia ny fitsanganan’ny anadahiny amin’ny maty. Ny fanesoran’i Marta io sisam-pisalasalana tao aminy io no dingana farany nampanaovin’i Jesoa ny finoany mba hahazoany mahita ny voninahitr’Andriamanitra velona ao ambadiky ny fasana ametrahana ny maty. “Dia nesoriny ny vato” hoy ny fitantaran’i Jaona. Nino i Marta ka nahita fa tsy tahaka an’i Tomasy izay nahita vao nino.

Fampianarana ho antsika. Sahia manatona ny Tompo amin’ny fotoana rehetra. Sahia koa mangataka aminy ny hampiorenany ny finoantsika. Meteza kosa anefa hankato ny teniny sy hanatanteraka ny baikony hanaisotra izay sisasisam-pisalasalana misakana ny fampitomboany ny finoantsika.

Andrianavalona Solomon


Lire aussi

19/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2024

Alahady Pentekosta , 19 mey 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe Mampahery ny Fanahy Masina, nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 3 : 5  » Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. « 

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary