FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fisoràtana anarana Alahady 17 mey 2020

Fisoràtana anarana Alahady 17 mey 2020

Publié le 13 mai 2020 à 02:05

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.
Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ny amin’ny fanompoam – pivavahana amin’ny alahady faha –  17 may 2020.

1. Misoratra anarana eto amin’ny site web, na ao amin’ny Facebook na ao amin’ny sacristain (Rakotonandrianina Tantely) na ao amin’ny laharana 034 36 311 76 izay hivavaka amin’ny alahady faha – 10 may 2020.


* marihina fa mety hiova ny ora misy anao arakaraky ny faha-fenoin'ny toerana

2. Hisy fidirana in – efatra amin’ny alahady izao:

  • 7 h 45
  • 9 h 00
  • 10 h 15
  • 11 h 30.

Afaka misafidy amin’ireo ora fidirana ireo izay tonga hivavaka. Saingy kosa rehefa feno ny isa 35 amin’ny ora izay nanaovana safidy  dia halamina ny mpivavaka hiditra  amin’izay ora malalaka kanefa tsy nosafidiana.

Ny zoma faha – 15 may amin’ny 12 h 00 no farany fisoratana anarana mba ahafahana mamoaka ny lisitra ny sabotsy  faha – 16 may 2020.

3. Mbola mitombina avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana izay napetraka (manao aro vava, elanelana 1 metatra, soratana ny anarana, fanampin’anarana, adiresy ary laharana finday,…).

4. Noho ny antony ara – pahasalamana dia tsara raha tsy mitondra zaza latsakin’ny folo taona. Dia tahaka izany ihany koa ireo olona marefo ara – pahasalamana.

5. Hivoaka eto amin’ny site web sy ny facebook ny alahady hariva amin’ny 18 h 00 ny fanompoam – pivavahana.

Dia mankasitraka antsika mpianakavin’ny finoana ny amin’ny fanarahana ny fandaminana.
Dia maniry soa ho antsika tsirairay avy dia samy ho tahian’Andriamanitra.

Ny Biraom-piangonana


Lire aussi

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena 20 hatramin’ny 24 desambra 2021 : herinandro sambatra 25 desambra 2021 : krismasy 26 desambra 2021 : Alahadin ‘ny fiantsona sy famaranana ny

05/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »

29/11/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Advento 2021 : Toriteny an-kira – Sekoly Taninketsa

Tahaka ny fanaony isan’taona dia tamin’ity alahady 28 novambra 2021 ity no nanatanterahin’ny Sekoly Taninketsa ny toriteny an-kira teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo.

07/11/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo

Alahady 07 Novambra 2021 hibanjinana lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity « Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo » Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 13:36-43 : « 36Ary rehefa nampody ny vahoaka Jesosy dia niditra tao an-trano Izy, ary ny mpianany nankao aminy ka nanao hoe: Lazao aminay ny hevitry ny fanoharana

31/10/2021 Fampianarana . Fanompoam-pivavahana

Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

Alahady 31 oktobra 2021, alahadin’ny Reformarsiona, hamaranana ny fandinihana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny fanasany ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny fampianarana avy amin’ny Tompo manodidina ny lohahevitra hoe : Nahoana ny kristiana no tra-pahoriana

24/10/2021 Fanompoam-pivavahana

Alahadin’ny Fifohazana FJKM 2021

Alahady 24 Oktobra 2021, nitondrana am-bavaka ny sampana Fifohazana maneranany sahan’ny FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 24; 11a :  » Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ireo lehiben’ny Zanak’Isiraely Izy « 

17/10/2021 Fanompoam-pivavahana

Alahadin’ny MAMRE FJKM 2021

Notanterahina teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny fanompoam-pivavahana hitondrana ambavaka sy hanohanana ny Masera FJKM (MAMRE). Alahady 17 Oktobra 2021 mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany »

14/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 10 oktobra 2021 : Tafika masina

Alahady 10 oktobra 2021, niarahan’ny vahoakan’Andriamanitra avy ao @ FJKM Ambavahadimitafo sy ny FJKM Isoavina Fiorenana miombom-bavaka am-po sy am-panahy teto amin’ny FJKM Isoavina Fiorenana, taorian’ny Tafika masina notanterahina teny an-toerana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

14/10/2021 A la une . AFF . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Hafatra avy amin’ny mpitandrina taorian’ny Tafika Masina oktobra 2021

« Misaora an ‘i Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany Masina . »(Salamo 103:1) 1/Isaorana ny Tompo Andriamanitra fa tontosa soamatsara ny Tafika Masina tany Isoavina Fiorenana. Mankasitraka antsika Sampana, asa, AFF, Mamre, Mpanohana rehetra, indrindra fa ny Fiangonana manontolo nanohana sy nitondra am-bavaka. « Miorena tsara aza miova ary mahefà be amin

03/10/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy mbamin’ny Apostoly

Alahady 03 Oktobra 2021, fanateram-bokatry ny SAMPATI, handinihina ny lohahevitra eto @ sahan’ny FJKM amin’ity volana ity : « Miorena ao amin’ny Tompo amin’ny Fanasany ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 22 : 14 : « Ary nony tonga ny fotoana, dia nipetraka hihinana Izy [Jesoa] mbamin’ny Apostoly » Andeha hiombona amin’izany