FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanomezan'Andriamanitra ny vady (tohiny)

Fanomezan'Andriamanitra ny vady (tohiny)

Publié le 10 novembre 2008 à 12:11

Fanomezan’Andriamanitra ny vady (tohiny)

Lahy sy vavy no namoronany azy (GENESISY 1,27)

Ity teny ity dia mahagaga. Ambarany fa efa tao amin’ny tetikasan’Andriamanitra hatramin’ny voalohany mihitsy ny hanorina fanambadiana eo amin’ny olona noforoniny.

Fanomezana nomen’Andriamanitra ho an’ny olombelona hatreo amin’ny segondra voalohany ny fisian’ny vady. Tsy izany ihany fa aseho eto koa ny mahasamihafa ny mpivady : Lahy sy Vavy.

Tsy mitovy mihitsy izy ireo. Ary mivandravandra izany na eo amin’ny toe-batana fotsiny aza. Fa na ny toe-tsaina sy ny fanabeazana noraisina aza, dia samihafa matetika.

Ny fahasamihafana ary, dia zavatra voajanahary eo amin’ny mpivady. Ary raha nataon’Andriamanitra izany dia satria tsara mba hisian’ny fifamenoana sy ny fifanampiana eo amin’ny mpivady.

Tsy hisy amin’ny mpivady hihevi-tena ho manana ny feno fa hotsarovana hatrany kosa fa mila ny vadiny izy vao feno.

Fampieritreretana : Ahoana no hampivelatra ny mahaizy azy ny tsirairay ao anaty firindrana, ao anaty tokantrano ? Izay vady sahaza… (GENESISY 2,30)

Fanomezan’Andriamanitra ny vady ary fanomezana « sahaza« . Tsara Andriamanitra ka tsy afaka hanome zavatra ratsy. Ny hoe vady dia « mpanampy » ny heviny eto.

Tsy mpanampy toy ny « mpiasa » na « andevo » anefa fa ho « mpanjakavavy ». Fa raha noforonina araka ny endrik’Andriamanitra ny lehilahy, dia araka ny endrik’Andriamanitra koa ny vehivavy (Genesisy 1,27).

Ny hoe « sahaza » kosa dia azo adika hoe « llay mifanatrika aminy« ; mitovy aminy, mifanaraka aminy, namana hifandraisany. Koa tsy azo adinoana fa ny vady nomen’Andriamanitra anao dia tsy ambany kokoa noho ianao ka azonao ambaniana, na ambony kokoa noho ianao ka tompoinao tsy misy fetra. Olona mitovy aminao, endrik’Andriamanitra, mendrika hohajaina sy hotiavina feno Izy. Ary ny fanajana ny fanomezan’ny olona iray dia porofoin’ny fiainan’ilay Mpanome.

Fampieritreretana : Manaja an’Andriamanitra ve aho amin’izao fitondrako ny vadiko izao…?
Tsy hita izay vady sahaza… (GENESISY 2,30) Fanomezan’Andriamanitra ny vady fa tsy haitraitrantsika akory.

Ny tantara voalazan’ny Genesisy 2,19-20 dia mampianatra antsika fa na dia navela hitady vady aza Adama, dia tsy nahita akory. Toy ny milaza io fa raha mitady vady tsy miaraka amin’Andriamanitra isika dia miafara amin’ny « habibiana ». Izay omen’Andriamanitra antsika ihany no tena vady sahaza ho antsika. Omen’Andriamanitra fahefana hitady vady isika. Azontsika atao tokoa izany, saingy ny hahita tena vady hahatsara antsika dia tsy haintsika irery izany.

Koa rehefa nahazo vady isika dia ho fantatsika fa nanao zava-mahagaga teo amin’ny fiainantsika Andriamanitra. Niditra an-tsehatra Izy, ary nandray an-tanana ny fanolorana vady ho antsika.

Fampieritreretana : Koa raha tsy mahafa-po anao ny vadinao satria heverinao fa tsy niarahanao nifidy tamin’Andriamanitra, inona no hataonao : Hanary azy sa hihavana marina amin’Andriamanitra mba hitsaboany ny tokantranonao?

Nalaina avy amin’ny « Ny Tsiambaratelon’ny Tokantrano sambatra »


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina