FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fandaminana fanompoam-pivavahana 11/04/2021

Fandaminana fanompoam-pivavahana 11/04/2021

Publié le 08 avril 2021 à 11:04

« Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao. » Isa.43,1

Toy izao ry havana ny fandaminana ny fanompoam-pivavahana amin’ny alahady izao :

1) Misoratra anarana ny mpivavaka rehetra : tsy misy ny fisoratana anarana @site web sy facebook fa miantso ny Birao avy hatrany 034 03 510 56

2) Ny biraon’ny Fiangonana no mandray ny anarana sy mametraka ny tsirairay @ fanompoam-pivavahana hidirany.

Atao affichage ato @ Akany sy @ facebook ary ao @ site Fiangonana ny lisitry ny mpivavaka isaky ny fanompoam-pivavahana ny Sabotsy maraina

3) Manomboka ny Alakamisy @ 15h-18h (eto @ Akany) ny fisoratana anarana. Afaka tonga mivantana na miantso @ téléphone 034 03 510 56

4) Maharitra 1 ora sy 30 minitra (1h30) ny fanompoam-pivavahana tsirairay ary manomboka @7h30 ny voalohany

5) Hajaina ny fepetra ara-pahasalamana: masques, elanelana 1m, fanasana tanana @ savony na gel hydroalcoolique

6) Ferana ho 100 olona ny mpivavaka isaky ny fanompoam-pivavahana tsirairay

7) Ny Asa sy fampaherezana, ny fiheverandraharaha, ny Ankatoky ny fandraisana dia ao aorian’ny fanompoam-pivavahana farany indrindra

Ny Biraon’ny Fiangonana


Lire aussi

27/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Inty aho, iraho aho

« Masina, Masina! Masina Jehovah Tompon’ny maro, heniky ny Voninahiny ny tany rehetra » Alahady 25 Jolay 2021, alahady faha-8 manaraka ny Trinite hamaranana ny lohahevitra hoe « Miorena amin’ny antson’ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Isaia 6 : 8 « Inty aho, iraho aho » Andeha hiombona amin’ny fotoam-pivavahana :

24/07/2021 Fanompoam-pivavahana

Fanokanana Masera MAMRE FJKM Ambavahadimitafo 24 jolay 2021

Notokanana ho Masera MAMRE F.J.K.M. i : – RAFARAMALALA Christine – RAZAZAROHAVANA Pierrette – RAMILISOA Dina Raymonde Elisa – RANDRIANJANAHARY Minah Felaniony Teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny asabotsy 24 jolay 2021 Araho ny fotoana tamin’izany :

20/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho tompon-daka any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Alahady 18 Jolay 2021, hiombonana @ sampana Fivondronana Laika manerana ny FJKM, hibanjinana amin’ity volana ity ny lohahevitra hoe « Miorena @ antson’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 3:12-16 : « 12Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazona izay nihazonan’i Kristy

11/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny STK – 11 jolay 2021

Alahady 11 Jolay 2021, alahadin’ny STK, nitondran’i Pasteur Misaina ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 10;1-10. Handeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana izany :

05/07/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetim-bokatra 04 Jolay 2021

Tanteraka soa aman-tsara teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ny Fetim-bokatra 2021 niarahana tamin’ny Fiangonana manontolo sy ireo zanaka am-pielezana; fotoana lehibe eo amin’ny fiainan’ny fiangonana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Genesisy 12 ;1-9 :  » dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary

28/06/2021 Antso sy filazana

Fandaminana volana Jolay 2021

Toy izao no fandaminana avy amin’ny Biraon’ny fitandremana ho amin’ny fanompoam-pivavahana manomboka ny volana Jolay 2021 * Fidirana in-1 ihany : amin’ny 9ora * Misy ny fivorian’ny Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Miverina manatanteraka ny fivoriana sy ny asany ny Sampana – Fikambanana – Asa Ho an’Andriamanitra ny Voninahitra

27/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fampianarana Alahady 27 jona 2021

Alahady 27 Jona 2021, alahady farany hibanjinana ny lohahevitra hoe « Anorenana ny maha-kristiana ny finoana », hitondrana am-bavaka ny firenena. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana avy amin’ny tenin’Andriamanitra anio : Ilay finona avy amin’Andriamanitra (Matio 16;13-19) Fibebahana sy fanetre-tena (II Mpanjaka 22; 11-20) Manome Voninahitra an’Andriamanitra (I Korintiana 1; 4-9) Andeha hiombona amin’izany

22/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fanasàna fetim-bokatra 2021

FANASANA FETIM-BOKATRA ALAHADY 04 JOLAY 2021 « Dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao ; ary ho fitahiana tokoa ianao » Gen.12,2 Manasa anao sy ny ankohonanao ary ny fianakaviana manontolo hiaraka hiombom-bavaka amin’ny 9ora maraina ny  alahady 04 jolay 2021 :  Hisy ny fiarahana mandray ny Fanasan’ny Tompo  Hisy ihany koa ny

22/06/2021 Antso sy filazana

Fandaminana Alahady 27 Jona 2021

Mampatsiahy antsika ny Biraon’ny fitandremana fa hihisy fidirana in-droa ny fanompoam-pivavahana amin’ny Alahady 27 Jona 2021 : 8 ora maraina 10 ora maraina Marihina fa tsy misy akory ny fisoràtana anarana. Entanina hatrany isika hitandro ny fepetra ara-pahasalamana manoloana ny Covid-19. Tahian’ny Tompo

20/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako

Alahady 20 jona 2021, alahady fetin’ny Ray sy hitondrana am-bavaka ny sampana Vokovoko manga. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana 23;26 : « Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako« . Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo : « 26Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary