Famoahana mpitandrina FJKM 2009
Hamoaka sy haniraka ireo mpitandrina sy mpampianatra nahavita ny fianarany teo amin’ny toeram-panomanana ny FJKM, hotanterahina amin’ny 26 Jolay 2009 amin’ny 2h30 ao amin’ny FJKM Andrainarivo Fahasoavana.
67 mianadahy ny mpitandrina, 19 mianadahy ny mpampianatra izay misalotra ny anarana « Antso tendry vavolombelona ».
Zava-dehibe eo amin’ny Fiangonana izany fotoana izany koa manentana sy manasa antsika rehetra hanotrona sy hampahery an’izy ireo ho voninahitr’Andriamanitra.