FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Dihy sy teny aman-kira

Non classé

Dihy sy teny aman-kira

Publié le 04 novembre 2008 à 12:11

Resadresaka nifanaovana tamin’ny Filohan’ny STK, Randria Patrick

Nanao ahoana ny akon’ny hetsika nataonareo t@ Zoma faha 16 febroary lasa teo ?
Ny akon’ny hetsika SORITRA, dihy sy teny aman-kira natao ny STK Ambavahadimitafo tamin’ny 16 Febroary tao amin’ny CCESCA no resahina dia azo lazaina hoe afa-po tamin’ny ankapobeny ny mpijery rehetra. Ny mpijery moa no hiantefan’ilay izy voalohany.

Manarakaraka izay ihany koa, izahay mpikarakara dia afaka miteny hoe afa-po.

Fa teo amin’ny lafin’ny mpijery izany, raha ny tena marina, dia niheritreritra ny mpijery tamin’ny voalohany hoe fety karakaran’ny sampana ao am-piangonana ilay hetsika, dia latsa-danja ny eo amin’ny lafin’ny hoe seho, kanefa raha ny akony dia hoe afa-po ny rehetra ary taitra hoe nahavita zavatra lehibe ny tanora.

Raha teo amin’ny mpandray anjara sy ny mpikarakara indray dia ho zaraiko roa ihany :
– raha ny mpandray anjara dia afa-po tamin’ny tenany ary afa-po tamin’ny mpampianatra satria nahatsiaro ny tanora fa nahazo lesona be dia be tamin’ny mpampianatra

– izahay teo amin’ny mpikarakara indray dia azo lazaina ihany koa hoe afa-po satria raha hetsika voalohany no ahitana fahombiazana ohatran’izay dia afa-po izahay.
Noho ny fisian’ny tsy fahatombanana kely teo amin’ny fikarakarana, dia teo ihany koa ny zava-misy teto amin’ny firenena, tao arian’ny fifidianana dia somary nihaotraotra kely izahay.

Raha ny mpijery indray no resahina dia ny tao am-piangonana ihany ve sa nivelatra tamin’ny olon-tsotra rehetra?
Ataontsika hoe 70% avy ato am-piangonana, ary ny 30% dia olona avy aty ivelany.
Tamin’ny voalohany aloha dia noezahina aseho ny olona ato am-piangonana, hahafahana maka lesona satria ny olona ao am-piangonana no afaka manome kihana satria izay izany no tokony ho tsaroana hoe : ny STK dia avy ao Ambavahadimitafo aloha ary sampana ho an’ny tanora, mampivondrona ny tanora.

Nanao ahoana kosa ary ny fanomanana an’ilay hetsika SORITRA? 
Raha ny vaomiera mpikarakara dia efa tany amin’ny volana Marsa tamin’ny 2006 no niheritreritra hoe hanao comédie musicale.
Tany izany dia efa nanomboka nametrapetraka ny zavatra rehetra, nanomboka nijery ireo mpampianatra hampianatra ka aleo mijery olona efa tena mahay an’ilay izy.

Nanomboka tamin’ny 10 Jona indray izahay no nanomboka niaraka tamin’ny ankizy rehetra, teo no nanao ny ohatran’ny hoe karazana fifantinana voalohany, nijerena sy nahitan’ny mpampianatra hoe mety ho vitan’ireto tanora ireto ihany ve ilay izy.
Volana Jolay izany no tena nanomboka ny repetition, teo amin’ny 7 volana teo no nanomanana raha ho an’ny mpandray anjara fa raha ny mpikarakara dia efa ho erin-taona latsaka kely.

Raha teo amin’ny fanomanana ara-panahy ve dia niara- niasa tamin’ny Raiaman-dreny ara-panahy ianareo?
Tena niara-niasa mihitsy izahay satria ny Sampana Tanora Kristiana dia tokony tsy hiala mihitsy amin’ny maha-kristiana; teo ny raiaman-dreny mpitandrina RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo,  ary teo ihany koa ireo mpitandrina mpiana-draharaha niaraka nifanerasera taminay.
Nisy fotoana nanaovana fandalinam-pinoana ho an’ny mpandray anjara afahany mamantatra fa miainga avy amin’ny fiainam-panahy daholo ny zava-drehetra. Ary isaky ny famerenana dia misy ny cellule de prière, mivavaka ho an’ny asa rehetra.

Inona ary ireo olana natrehana teo @ fanatanterahana ny hetsika?
RANDRIA PATRICK : rehefa manao zavatra aloa dia tsy maintsy misy foana ny olana eh!ary tena nisedra olana goavana be dia be izahay, ilay izy koa arakaraky ny hisedrana olana no ahitana tsirony @ zavatra atao satria raha tsy mahita olana ianao dia ohatran’hoe andeha ho azy dia ohatra ny tsy misy tsirony. Ilay olana izany dia teo @ lafiny ara-potoana ny ankizy rehetra satria tsy maintsy no- gérer-na araka izay tokony ho izy satria ny ankamaroany dia mbola mpianatra ary misy koa ireo efa miasa ka tsy maintsy jerena hoe manao ahoana ny fotoana mampalalaka azy. Ankoatra izany dia ny resaka ara-bola satria raha any ara-bola dia natao mangarahara, dia raha iny voalohany iny dia, na hoe tsy “réussite financière” ho anay aza iny dia mandrisika anay @ ilay zavatra foana iny ka efa tanjona napetraka hoe ho tohizana dia aleo tohizana. Ankoatra izany dia ireo olana madinidinika satria izahay koa no anisan’ny olana mipetraka hoe sarotra ny mitaiza tanora, tsy mitovy @ hoe efa olon-dehibe daholo no miaraka ao fa ilay tanora izany dia mbola ao @ maha-tanora azy, dia izay dia efa anisan’ny olana kanefa ezahina foana ny mitady vaha-olana ataoko hoe raha tsy misy olana dia tsy hita ny tsiron’ny zavatra atao noho izany dia misy foana ny olana fa tsy maintsy mitady vaha-olana hatrany {{Inona ary no tanjona nozahinareo notratrarina t@ fanatanterahana ny hetsika?}} RANDRIA PATRICK : maromaro ny tanjona; anisan’izany ny fampivondronana ny tanoran’ ny fiangonana, izay izany dia tanjona iray, tsy nametraka mihitsy izahay hoe STK fotsiny fa angamba samy nahatsiaro daholo ny rehetra fa nisy fotoana nanentanana ny sampana rehetra mitaiza tanora hoe andao isika hifanome tànana hanao zavatra. Izay izany no tena tanjona lehibe ary tsy nisy fanavahana mihitsy na manana sampana na tsia fa rehefa tanora ka vonona hanatanteraka zavatra dia nivondrona tao avokoa ka afaka lazaina hoe tratra izay tanjona iray izay. Manarakaraka izay koa dia ny tanjona iray koa ny hoe fanomezana an’ilay tanora fahaiza-manao teo @ lafiny kanto izany hoe ampianarina ilay ankizy fa misy zavatra tokony ho “exploiter” -na any aminy ka omena azy daholo ny “atout” rehetra, omena azy daholo ireo izay afaka ampitaina aminy ka anjarany no mandray an’ilay izy ary hita fa noraisin’ireo ankizy tokoa ilay izy. Anisan’ny tanjona koa ny hoe manao ahoana izany fikarakarana izany fampisehoana izany, tao anatin’ny mpikarakara dia nisy ireo efa zatra mikarakara ny hoe “évènementiel”, misy koa anefa ireo tena mbola vao nianatra dia nampianarina izy ka azo lazaina hoe tafita tany aminy ihany koa izay fampitanana fahaiza-manao izay, ka ny tanjona dia ny hoe omena azy ireo fampianarana rehetra ilainy @ fanatanterahana ny seho. {{Inona no hafatra tianao ampitaina @ ireo kristiana rehetra t@ fanatanaterahana ny hetsika?}} RANDRIA PATRICK : Ny hafatra hapetrako dia misy 2 ka ny voalohany dia hoe rehefa miara-mientana ny tanora dia afaka mampiseho fa mahavita zavatra tokoa, ny hafatra faharoa dia hafatra avy @ fampisehoana natao satria @ maha dihy sy teny aman-kira an’ilay izy dia nisy zavatra nosotomina tao anatiny, ary izay koa no tena anisan’ny tanjona notratrarina: mijery ilay olona dia mety tsy ho azony ilay izy fa ny niheritreretina dia ny hoe rehefa mivoaka ny “salle” izy dia rehefa tonga any antrano izy dia miheritreritra hoe nanao ahoana tsara moa ny fandehan’ilay fampisehoana teo? Ka mamerina tsikelikeky izy dia azony ilay izy ka ny tianay ampitaina dia raha dihy sy teny aman-kira izany dia raisina avy @ tonon-kira ny hafatra izay tiana ampitaina dia ny fanankinana ny fiainana @ Andriamanitra, ny zavatra rehetra atao fa rehefa hankinina Aminy dia hainy avokoa ny zavatra rehetra atao ary tsy misy tsy hainy atao. Toa izany ihany koa ny teo @ lafiny dihy satria ny dihy dia fampitaina fa mahavita zavatra ny tanora rehefa miara mientana sy rehefa ao ny fahavononana.


Lire aussi

19/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2024

Alahady Pentekosta , 19 mey 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe Mampahery ny Fanahy Masina, nitondran’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 3 : 5  » Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra izy. « 

05/05/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Mampahery ny Fanahy Masina

Alahady 05 Mey 2024, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Mampahery ny Fanahy Masina« , hanatanterahin’ny sampana Sekoly Alahady ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 8:9-13  » 9Fa ianareo tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy, raha ny Fanahin’Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana

28/04/2024 A la une . AFFA . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady faha-40 taonan’ny AFFA

Alahady 28 aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-40 taona ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy Zatovo (AFFA). Tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavana no nitondran’ny AFFA ny tenin’Andriamanitra

21/04/2024 A la une . Diakona sy Loholona . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy no Ilay mazava

Alahady 21 aprily 2024, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny Mpino ny Tompo », alahady nanavaozan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina délégué mpanampy Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 11 : 33 -36 « 33Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ny vata

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary