FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Antso sy filazana



Vaovaom-piangonana 01 novambra 2020

Publié le 06 novembre 2020 à 07:11

Ireo vaovao tsara ho fantatra momba ny fiangonana, ny sampana, vaomiera sy asa samihafa eto @ FJKM Ambavahadimitafo nambara t@ 01 novambra 2020

» Tohiny...

Fanentanana Komitin’ny fifandraisan – tanana

Publié le 30 octobre 2020 à 01:10

« Koa mifandraisa ianareo tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo koa ho voninahitr’Andriamanitra », Romana 15 : 7 Ry havana malala ao amin’i Tompo, Alahady dimy sisa dia ho tonga ilay fotoan -dehibe nifanomezantsika tamin’ny Tompo sy ny Fiangonana hanatanterahana ny fifandraisan-tanana eo amin’ny Ray aman – dreny Mpitandrina mivady sy ny Fiangonana Ambavahadimitafo. Koa miantso anao hitondra

» Tohiny...

Fampitam-baovao Biraom-piangonana

Publié le 30 octobre 2020 à 01:10

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Toy izao manaraka izao indray ny vaovao tsara ho fantatra mikasika ny fiainan’ny fiangonantsika : 1. Amin’ny 9 ora maraina no fidirana ny alahady faha – 1 novambra 2020 ho avy izao ary dia fidirana indray mandeha ihany. Ary dia hiverina amin’ny fandraisana ny fanasan’i Tompo  , ihany koa , 

» Tohiny...

Ho avy ny krismasy 2020…

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

« Koa mahereza sy mahatanjaha, aza matahotra ny mivadi-po fa omba anao ny Tompo Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao. » Finaritra isika satria ho avy ny krismasy. Tena fotoan-dehibe ho antsika kristiana tokoa izany satria hankalazantsika an’Andriamanitra noho ny fahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra tonga nofo tamin’ny alàlan’i Jesoa Kristy. Hafa mihitsy izany fiangonana mankalaza an’Andriamanitra amin’ny krismasy izany, ary misy

» Tohiny...

18% no vola voaangona ho amin’ny fifandraisan-tànana

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Misaotra an’Andriamanitra isika fa afaka miroso hatrany amin’ny fanomanana ny fifandraisan-tànana eo amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain mivady sy ny fiangonana @ zoma 4 sy alaady 6 desambra 2020. Ny 18%-n’ny vola no eo am-pelatànan’ny komity ankehitriny ka manana alahady dimy isika hanatrarana ny tanjona 50 millions Ariary izay napetraka. Izany vola izany dia hoentintsika hampitaovana

» Tohiny...

FJKM Vohitsara Famonjena Marovato

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Mikarakara foara lehibe ny FJKM Vohitsara Famonjena Marovato isaky ny sabotsy tontolo andro any an-toerana. Koa fifaliana ho azy ireo no mangataka amintsika izay manana akanjo, kiraro, poketra, kojakojan-dakozia, kitapo, satroka… izay tsy ampiasaintsika intsony, mba ho atolotra azy ireo. Izany hetsika izany dia tafiditra amin’ny fitadiavam-bola hananganana ny fiangonana vaovao

» Tohiny...

Fisoràtana anarana Oniversite FJKM Ravelojaona 2020 – 2021

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Noho ny fitahian’ny Tompo dia feno 5 taona ny nitsanganan’ny Oniversite FJKM Ravelojaona, sampana fahasalamana, ary efa namoaka mpianatra nahazo Licence miisa 116. Koa fifaliana ho azy ireo no mampandre antsika fa misokatra ny fisoràtana anarana 2020 – 2021. Azontsika atao ny manoratra eto raha mila fanazavàna fanampiny.

» Tohiny...

Kere Ambovombe Atsimo : antso vonjy aina

Publié le 25 octobre 2020 à 07:10

Manoloana ny hain-tany, ny tsy fisian-drano sy ny ranon’orana ny taona 2019 – 2020 tany amin’ny faritra atsimo, synodam-paritany Ambovombe Atsimo Kristy rano velona, izay niteraka tsy fahampian-tsakafo ka niteraka fahafatesana olona maro, dia miantso antsika ny mpiandraikitra Foibe mba handefa ny fanampiana izay fointsika ao amin’ny Foibe FJKM, varavarana 2018

» Tohiny...