FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Averina ao amin’ny Akany Ralibera ny fotoam-bavaka isaky ny Alarobia hariva

Non classé

Averina ao amin’ny Akany Ralibera ny fotoam-bavaka isaky ny Alarobia hariva

Publié le 27 janvier 2010 à 01:01

Ny fanompoam-pivavahana fanaon’ny Vaomieran’ny Aim-panahy isaky ny Alarobia hariva amin’ny 5h30 dia haverina atao ao amin’ny Akany Ralibera Daniel.

Ny antony moa dia :

– tsy hoe miverin-dàlana hoe efa tato am-piangonana indray vao hiverina ho any fa lafiny ara-teknika mihitsy, noho ny fanomanana ny alahadin’ny sampan-drofia amin’ny 28 marsa 2010 izay hitorian’ny Vaomieran’ny Aim-panahy teny, amin’ny alàlan’ny fomba hafa ato am-piangonana, ary dia hisy fikorontanana kely ny fotoana raha toa ka avy eto am-piangonana no hiakatra any amin’ny Akany hanao famerenana

– ny lafiny iray hafa koa dia; eo ireo kristiana marobe izay nantsoina amin’izany fanompoam-pivavahana izany, tsy FJKM fa indraindray loteriana, katolika, anglikana, sns… mirohoroho saina hoe, toa sintonin’ireto olona ireto ho FJKM izahay, ka mody nadalainy tao amin’ny Akany izahay nandritra ny fotoana elaela ary dia notaritiny ato am-piangonana izao.

Tsy izay no tanjontsika fa ny handraisan’ny olona ilay lakile, dia i Jesoa Kristy. Noho izany dia ao amin’ny Akany indray ny fanompoam-pivavahana izay fanao isakyny Alarobia hariva amin’ny 5 ora sy sasany  hanentanana antsika rehetra satria ny fahalalana an’i Jesoa Kristy no tena tovozina ao anatin’izany, tsy ny eto ihany fa ny fiainana mandrakizay ihany koa.


Lire aussi

09/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . MIASAFIA

Toriteny an-kira Miasafia – Alahady 09 Janoary 2022

Alahady 09 Janoary, famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny antoko mpihira MIASAFIA, nanatanterahan’izy ireo toriteny an-kira. Andeha hiombona amin’izany fotoam-pivavahana izany :

02/01/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana

Maharitra tsy miova ny Tompo – Alahady 02 Janoary 2022

Alahady 02 Janoary 2022, alahadin’ny taom-baovao. Mifalia ry sakaiza fa nahazo taom-baovao; Zanahary no mitaiza ka hisaory sy hajao. Manasa anao hanaraka ny fanompoam-pivavahana :

31/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 02 Janoary 2022

Manasa antsika sahady hiomana ho amin’ny fanompoam-pivavahana alahady voalohany amin’ny taona 2022. Toy izao ny fandaharana hiombonantsika amin’izany :

25/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Krismasy fifaliana 2021 : Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra fa indro milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe ho an’ny olona rehetra, fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo », Lioka 2 : 10-11 Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ity krismasy 2021 ity. Andeha hiombona amin’izany

23/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Krismasy 2021

« Ary hoy ny anjely taminy : Aza matahotra ; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an’ny olona rehetra ; fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.» Lioka 2 : 10 – 11 Indro ny fandaharana ny Sabotsy 25 Desambra 2021 amin’ny

19/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana

Mifalia amin’ny fanantenana

Alahady 19 desambra 2021, fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo nanokanana ireo katekomena andriany « Fanantenana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Romana 12;12a : « Mifalia amin’ny fanantenana »

14/12/2021 Antso sy filazana

Fandaharana Alahady 19 desambra 2021

Toy izao no fandaharana ho amin’ny fandraisana ho Mpandray ny Fanasan’ny Tompo andiany « Fanantenana » ny alahady 19 desambra 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina :

12/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiainam-pianakaviana mahafaly an’Andriamanitra

Alahady 12 desambra 2021, natokana ho an’ny Sekoly Alahady mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo« . Ny hafatra avy ao amin’ny Ohabolana 23 : 12-18 no notoriana « 12Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.13Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo

06/12/2021 A la une . Antso sy filazana

Daty tsara ho fantatra : Desambra 2021

Toy izao ny tetiandro eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo ho amin’ity volana desambra 2021 ity : « Miorena tsara aza miova » 18 desambra 2021 : Fanadiovana Faobe : SOKAJY MINO – STA – SAMPATI – TMT – DORKASY 12 desambra 2021 : fizaran-doka Sekoly Alahady 19 desambra 2021 : fandraisana Katekomena « Fanantenana » 20 hatramin’ny 24 desambra 2021

05/12/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo

« Minoa ny fifaliana ao amin’ny Tompo », izany indray no lohahevitra vaovao banjinina eto amin’ny sahan’ny FJKm ho an’ny volana Desambra. Alahady 05 desambra 2021, nitondran’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny hafatr »Andriamanitra avy ao amin’ny Filipiana 4 : 4a – 5b : « Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo … efa mby akaiky ny Tompo »