Akon'ny fivoriamben'ny synodamparitany antananarivo atsinanana ny alakamisy 26 juillet 2007
AKON’NY FIVORIAMBEN’NY SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA ny ALAKAMISY 26 JUILLET 2007 NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY SEKOLY VINET AMBOHIMALAZA FIRAISANA.
Ny lohahevitra nobanjinina dia nalaina tao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona 12 and. 35b, manao he : » Mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo «
Ireto avy ireo nandray anjara tamin’ny fotoampivavahana
- Mitoriteny : Atoa RAKOTONIRINA Charles, Mpitandrina, Sekretera Jeneraly ny Foibe FJKM
- Mitarika : Atoa RAKOTOARIMANANA Milson, Mpitandrina, Filoha Mpanampy SPAA
- Fandraisana : RASAMOELINA Samson, Mpitandrina FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA
- NY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO : Ireo MPITANDRINA voatendry ato amin’ny SPAA, niaraka tamin’ireo DIAKONA avy amin’ny Fiangonana samihafa ato amin’ny SPAA
- Fanatazana sy fanisana ny rakitra : ireo DIAKONA avy amin’ny Fiangonana samihafa ato amin’ny SPAA
Toy izao ny fanisana ny olona tonga nanatrika ity Fivoriamben’ny Synodamparitany ity :
- Avy amin’ny faritra MERINARIVO 590
- Avy amin’ny faritra AMBATOMANGA 510
- Avy amin’ny faritra FARAVOHITRA 570
- Avy amin’ny faritra SOAVINA 550
- Avy amin’ny faritra AVARATR’ANDOHALO : 4.450
- FITAMBARANY : 6.670
Tamin’io fotoan-dehibe io no nanolorana ny Prezidà Synodaly ato amin’ny Synodamparitany, Atoa RABENANTOANINA Harimanana Philibert, Mpitandrina.
Toy izao raha fintinina ny mikasika ity Prezidà Synodaly vaovao ity :
Manambady izy ary mananjanaka TELO, ka ny roa efa manan-tokan-trano.
Efa niasa tany amin’ny fiangonana maro teto amin’ny Nosy izy, ary efa PS tao amin’ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano.
Efa nanana traikefa maro teo amin’ny asa iombonana, ka nanome toky teo amin’ny fivoriamben’ny Synodamparitany, fa hiezaka tokoa ahatontosa ny asa iandraiketany eo ambany fahasoavan’Andriamanitra..
Nampahatsiahivin’ny Sekretera Jeneralin’ny Foibe FJKM tamin’io fotoana ion y fotoan-dehibe tsar ho fantatry ny mpino rehetra ato anatin’ny FJKM, ka hanasana azy ireo :
- ALAHADY 29 JOLAY 2007, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro : fotoam-pivavahana hanamarihana ny fanirahana ireo Mpitandrina 77 mianadahy, nivoaka tao amin’ny «Faculté de théologie » Ambatonakanga (38), sy tao amin’ny « Collège théologie» Ivato, samy eto Antananarivo.
- ALAROBIA 15 AOGOSITRA 2007 ivon’ny fankalazana ny faha-170 taona nandefonana and-RASALAMA Maritiora
- ALAHADY 30 SEPTAMBRA 2007 manomboka amin’ny 10 ora maraina eo amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina :Fotoampivavahana tafiditra ao anatin’ny Hetsika JESOA KRISTY HO AN’NY MADAGASIKARA, hanasana ny Fiangonana FJKM rehetra eto Antananarivo Renivohitra miisa 94 sy ny manodidina.
- ALAHADY 21 OKTOBRA 2007 : fandraisan-tanana ireo birao vaovao voafidy nandritry ny ZAIKABE notanterahina ny volana JOLAY SY AOGOSITRA 2007, hitantana ny SAMPANA, SAMPAN’ASA ary ASA ato amin’ny FOIBE FJKM.
- Amin’ny taona 2008 kosa, dia fotoan-dehibe ROA no hatrehina dia ny Synoda Lehibe faha XVII, tanterahina any Mahajanga, sy ny tsingerin-taona faha- 40 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagasikara.
Fa ho an’ny Synodam-paritany manokana kosa, dia amin’ny ALAKAMISY 02 AOGOSITRA 2007, no fivorian’ny Mpihevidraharaha ny SPAA. Aorian’io kosa ny Komity Lehibe.
Nifarana tamin’ny fiaraha-misakafo lehibe ny fivoriamben’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana io Alakamisy io. Dia amin’ny herin-taona indray mihaona raha sitrapon’Andriamanitra.
« Ho Azy Irery anie ny Voninahitra. A M E N »