FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Akon'ny fivoriamben'ny synodamparitany antananarivo atsinanana ny alakamisy 26 juillet 2007

Akon'ny fivoriamben'ny synodamparitany antananarivo atsinanana ny alakamisy 26 juillet 2007

Publié le 15 novembre 2008 à 12:11

AKON’NY FIVORIAMBEN’NY SYNODAMPARITANY ANTANANARIVO ATSINANANA ny ALAKAMISY 26 JUILLET 2007 NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY SEKOLY VINET AMBOHIMALAZA FIRAISANA.

Ny lohahevitra nobanjinina dia nalaina tao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Jaona 12 and. 35b, manao he :  » Mandehana raha mbola manana ny mazava hianareo « 

Ireto avy ireo nandray anjara tamin’ny fotoampivavahana

  • Mitoriteny : Atoa RAKOTONIRINA Charles, Mpitandrina, Sekretera Jeneraly ny Foibe FJKM
  • Mitarika : Atoa RAKOTOARIMANANA Milson, Mpitandrina, Filoha Mpanampy SPAA
  • Fandraisana : RASAMOELINA Samson, Mpitandrina FJKM AMBOHIMALAZA FIRAISANA
  • NY FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO : Ireo MPITANDRINA voatendry ato amin’ny SPAA, niaraka tamin’ireo DIAKONA avy amin’ny Fiangonana samihafa ato amin’ny SPAA
  • Fanatazana sy fanisana ny rakitra : ireo DIAKONA avy amin’ny Fiangonana samihafa ato amin’ny SPAA

Toy izao ny fanisana ny olona tonga nanatrika ity Fivoriamben’ny Synodamparitany ity :

  • Avy amin’ny faritra MERINARIVO 590
  • Avy amin’ny faritra AMBATOMANGA 510
  • Avy amin’ny faritra FARAVOHITRA 570
  • Avy amin’ny faritra SOAVINA 550
  • Avy amin’ny faritra AVARATR’ANDOHALO : 4.450

 

  • FITAMBARANY : 6.670

 

Tamin’io fotoan-dehibe io no nanolorana ny Prezidà Synodaly ato amin’ny Synodamparitany, Atoa RABENANTOANINA Harimanana Philibert, Mpitandrina.

Toy izao raha fintinina ny mikasika ity Prezidà Synodaly vaovao ity :

Manambady izy ary mananjanaka TELO, ka ny roa efa manan-tokan-trano.

Efa niasa tany amin’ny fiangonana maro teto amin’ny Nosy izy, ary efa PS tao amin’ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano.
Efa nanana traikefa maro teo amin’ny asa iombonana, ka nanome toky teo amin’ny fivoriamben’ny Synodamparitany, fa hiezaka tokoa ahatontosa ny asa iandraiketany eo ambany fahasoavan’Andriamanitra..

Nampahatsiahivin’ny Sekretera Jeneralin’ny Foibe FJKM tamin’io fotoana ion y fotoan-dehibe tsar ho fantatry ny mpino rehetra ato anatin’ny FJKM, ka hanasana azy ireo :

  • ALAHADY 29 JOLAY 2007, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolak’andro : fotoam-pivavahana hanamarihana ny fanirahana ireo Mpitandrina 77 mianadahy, nivoaka tao amin’ny «Faculté de théologie » Ambatonakanga (38), sy tao amin’ny « Collège théologie» Ivato, samy eto Antananarivo.
  • ALAROBIA 15 AOGOSITRA 2007 ivon’ny fankalazana ny faha-170 taona nandefonana and-RASALAMA Maritiora
  • ALAHADY 30 SEPTAMBRA 2007 manomboka amin’ny 10 ora maraina eo amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina :Fotoampivavahana tafiditra ao anatin’ny Hetsika JESOA KRISTY HO AN’NY MADAGASIKARA, hanasana ny Fiangonana FJKM rehetra eto Antananarivo Renivohitra miisa 94 sy ny manodidina.
  • ALAHADY 21 OKTOBRA 2007 : fandraisan-tanana ireo birao vaovao voafidy nandritry ny ZAIKABE notanterahina ny volana JOLAY SY AOGOSITRA 2007, hitantana ny SAMPANA, SAMPAN’ASA ary ASA ato amin’ny FOIBE FJKM.
  • Amin’ny taona 2008 kosa, dia fotoan-dehibe ROA no hatrehina dia ny Synoda Lehibe faha XVII, tanterahina any Mahajanga, sy ny tsingerin-taona faha- 40 ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Eto Madagasikara.

Fa ho an’ny Synodam-paritany manokana kosa, dia amin’ny ALAKAMISY 02 AOGOSITRA 2007, no fivorian’ny Mpihevidraharaha ny SPAA. Aorian’io kosa ny Komity Lehibe.

Nifarana tamin’ny fiaraha-misakafo lehibe ny fivoriamben’ny Synodamparitany Antananarivo Atsinanana io Alakamisy io. Dia amin’ny herin-taona indray mihaona raha sitrapon’Andriamanitra.

« Ho Azy Irery anie ny Voninahitra. A M E N »


Lire aussi

14/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Efa nahita ny Tompo aho

Alahady 14 Aprily 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo« , nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 20;11-18 : 11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana 12ka nahita anjely roa nitafy lamba fotsy nipetraka teo, ny anankiray teo an-doha tamin’ilay

07/04/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manazava ny mpino ny Tompo

Alahady 07 Aprily 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manazava ny mpino ny Tompo » ka nitondran’ny mpitandrina Raharivololona Sahondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 13; 17-22  » : 17Ary rehefa nalefan’i Farao ny olona, dia tsy mba nentin’Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny

31/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Paska 2024

Alahady 31 martsa 2024, alahadin’ny Paska, andro lehibe ho an’ny fiangonana, faraha tsy maty ka nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy Tompo dia tsy mba nanana anjara famonjena tao @ Andriamanitra isika. Isaorana ny Tompo noho ny hafatra nentiny tamin’ny alàlanan’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain tamin’ity alahadin’ny Paska ity; dia araka ny Marka 16 : 7

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo «