FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanekem-pinoana fahatelo

Mino an’ Andriamanitra Tsitoha aho,
Izay Mpanao ny lanitra sy ny tany,
Andriamanitra dia Fanahy.
Andriamanitra dia fitiavana.
Andriamanitra dia matanjaka hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika.
Fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika i Kristy.

Mino an’i Jesoa Kristy, Zanany lahy Tokana, Tompontsika aho.
Tonga Izy hitady sy hamonjy ny very.
Izy no làlana sy fahamarinana ary fiainana.
Izy dia tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay.

Mino ny Fanahy Masina aho.
Izy no manambara amin’ny fanahintsika.
Fa zanak’ Andriamanitra isika.
Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray.
Ny fandresena izay enti-mandresy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Tompo ô, ampitomboy ny finoanay Anao.

Amena.