FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanomezana

Maro isika no nanontany ny amin'ny fandaminana ho an'izay maniry hanolotra rakitra isaky ny fanompoam-pivavahana ampitain-davitra. Koa araky ny toro-mariky ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia hisy ny fotoana manokana isaky ny fanompoam-pivavahana ahafahantsika manatanteraka ny rakitra, ka asaina ny isan-tokantrano handrotsaka izany anaty valopy ohatra, ka rehefa tonga ny fotoana hankanesantsika any amin'ny trano fiangonana dia harotsatsika izay efa natokantsika isan-tokantrano

Ho antsika izay maniry hanolotra fanomezana manokana kosa ho fampandrosoana ny asan'Andriamanitra, raki-pisaorana na adidy... dia azontsika atao izany ankehitriny.

Manasa anao handefa email amin'ny contact@fjkm-ambavahadimitafo.info na koa hameno ny tabilao eto ambany dia hampitainay aminao ny fomba hanatanterahina izany.

captcha Avereno ampidirina ny litera