FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Zaro @izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala @izany

Zaro @izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala @izany

Publié le 24 avril 2021 à 09:04

Noho ny fihibohana dia tsy afaka miombom-bavaka any amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isika. Misaotra ny Tompo anefa isika fa afaka miombona amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady 25 Aprily 2021, izay hiarahan’ny isan-tokan-trano manatanteraka manomboka @ 9 ora.

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, (Matio 18:20)

Litorjia Alahady 25 Aprily 2021

Salamo 8:1,2,9
Hira:788 and 1,4
Soratra Masina :
* Ohabolana 22:4-6
* Matio:18:10-14
* IJaona2:1-2

Toriteny : Ohabolana 22:6


Confinement! Zavatra ratsy no mby ao antsaina mandrakariva : aretina, tahotra, fahasairanana…

Confinement! Mba misy zavatra miabo koa e! Fotoana fialantsasatra, fihaonan’ ny ankohonana, fotoana ny fanabeazana.Torolalana ny @izany fanabeazana izany indrindra no omen’Andriamanitra antsika anio ato @ bokin’ny ohabolana : « zaro @ lalana tokony aleha ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany. »

1.Torolalana @ fitondrana ny taranaka

Fomba fitondrana : fanazarana @lalana iray.

Misy karazan-dalana roa: lalan’ny ditra sy ny lalan’ny fahendrena

Zarina ny zaza handeha @ lalan’ny fahendrena : ampianarina azy isan’andro izany ary ny Raiamandreny sy ny mpanabe no modely @izany.

Ny lalan’ny fahendrena :fanetretena,fahadiovam-po, fahatsorana …

Sarotra ny fanabeazana ankehitriny noho ny firimorimon’ny teknolojia; raha tsy mitandrina isika dia ho simba ny taranaka. Raiso ary ny andraikitra, araraoty izao confinement izao : tezao ny taranaka handeha @ lalan’ny fahendrena.

2.Tian’Andriamanitra hanana ho avy tsara ny zanak’olombelona

Matoa mandeha @ lalana iray dia misy tanjona ao izany.

Matoa ny Tompo miteny hoe : zaro @ lalana tokony aleha…

Dia misy tanjona,misy programme mba hananan’ny olona fiainana tsara izay atomboka @ fanabeazana ny zaza.

Fanabeazana :manaja ny maha izy azy ny tsirairay, mitsinjo ny ho avy, mamelona ny fanantenana.

Ny tanjona :zaza,tanora,lehibe manana fiainana tsara (milamina,azo antoka, feno fiadanana) santarina eto an-tany fa sitrahana feno any an-danitra.

Manampy antsika ny Tompo, nomeny antsika Jesoa lay hoavy tsara ho antsika (jaona 3/16).Ao@ Jesoa Kristy, miaraka @ Jesoa lay fahendren’Andriamanitra ihany no misy hoavy mamiratra sy azo antoka .

Aza kivy @ fanabeazana ary raha te hanana taranaka vanona mandova ny fiainana mandrakizay!

Inona ny atao?

« Zaro @ lalana tokony aleha ny zaza ka na rehefa antitra aza izy dia tsy hiala amin’izany ».

Ho an’Andriamanitra Irery ny Voninahitra Amen .


Fanekem-pinoana Apostolika
Rakitra
Fampatsiahivana ny fitandremana ara-pahasalamana : geste barrière
Fampaherezana : Salamo 46:1″Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. »
Hira 813 and 1,6
Tsodrano


Lire aussi

12/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona mendrika ankasitrahan’ny Tompo

Alahady 12 Martsa 2023, niarahana niombonam-bavaka tamin’ny fiangonana miara-mandroso FJKM Antenimbe, ka nitondran’izy ireo ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 10 : 25-37  » 25Ary, indro, nisy mpahay lalàna anankiray nitsangana ka naka fanahy an’i Jesosy hoe: Mpampianatra ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? 26Ary hoy Izy taminy: Inona no voasoratra ao amin’ny lalàna? Manao ahoana

05/03/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny . Volana sy Kintana

Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay mamerina ny maro ho amin’ny fahamarinana dia ho tahaka ny kintana mandrakizay doria.

Alahady 05 martsa 2023, mbola andinihina ny lohahevitra manao hoe « Mamerina ho amin’ny fahamarinana ny Tompo »; alahady nankalazana an’Andriamanitra koa noho ny faha-80 taonan’ny sampana Volana sy Kintana. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Daniela 12 : 3  » Ary izay hendry dia hamirapiratra toy ny famirapiratry ny lanitra; ary izay

19/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao

Alahady 19 Febroary 2023, nankalazana ny faha-10 taona naha-Sekretera Arsivista an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Miary-Soa teto @ FJKM Ambavahadimitafo. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao @ Josoa 1 : 9  »  Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra alehanao « . Manàsa anao hiara-hiombona @izany fotoana

12/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!

Alahady 12 febroary 2023, natokana hitondrana am-bavaka ny Baiboly, ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 8 : 22-25 «  22Ary tamin’ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ny farihy; dia lasa izy. 23Ary

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :

01/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Taombaovao 2023 : Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny… hiasa sy hitandrina azy

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao ary matokia Azy fa ataony tanteraka izany. Miarahaba anao nahatratra izao taona vaovao izao ka mirary soa anao ho fenoin’ny Tompo ny fitahiany Tompo ianao mandritra izao taona 2023 izao. Alahady 01 Janoary 2023, andro voalohany, alahady voalohany amin’ity taona 2023 ity, andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe