Vokatra faradoboka ho an'ny Rihana natao rakitra manodidina ny alahady 01 marsa 2009
Tatitra nataon’ny Filohan’ny Komity faha-X taona :
Misaotra an’Andriamanitra lehibe fa tanteraka soa-aman-tsara ny rakitra vokatra notanterahina tamin’ny alahady 01 marsa 2009 teo. Toa izao ny vokatra azo tamin’io rakitra manodidina io :
Ar 6 217 370 na 31 088 350 Fmg
Rehefa natao ny kajy dia Ar 233 939 490 ny ezaka vita hatramin’izay ary dia tapitra voaloa daholo ny trosa rehetra.
Ny sisa an-tanana dia mbola misy Ar 4 473 817 izay ho entina hikarakaràna ny fanokanana ny Rihana amin’ny 23 sy 24 mai 2009.
Nomarihina fa efa azo jerena eo amin’ny peta-drindrina ny lisitr’ireo izay nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny Rihana, ary vonona koa ny solontena ao amin’ny komity hizara rosia ho an’izay rehetra mila izany.
Fisaorana tanteraka no natolotry ny filohan’ny Komity faha-10 Taona ary nitsangana nihoby tamin’ny alàlan’ny tehaka mirefodrefotra ny vahoakan’Andriamanitra rehefa vita izany.