FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Fanekem-pinoana fahaefatra

Mananbara ny finoantsika an’ i Jesoa Kristy isika,
dia araka ny tenin’ i Jaona Mpanao Batisa hoe :
“ Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao” (Jao 1.29)

sy araka ny teny natoan’ i Andrea hoe :
“Efa nahita ny Mesia izahay” (Jao 1.41)

sy araka ny teny nataon’i Natanaela hoe :
« Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpajakan’ny Israely » (Jaona 1:49)

sy araka ny teny nataon’ny Samaritana hoe : “Ny tenanay no nadre, ka fantatray fa Izy tokoa no Mpamonjy izao tontolo izao” (Jao 4.42)

sy araka ny teny nataon’ i Petera hoe :
“Ianao no Kristy Zanak’ Andriamanitra velona” (Mat 16.16).
“Ianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jao 6.68).

ary araka ny teny nataon’ i Tomasy hoe :
“Tompoko sy Andriamanitro” (Jao 20.28).

Amena.