FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tsy misy mahasakana ny fihaonantsika amin’i Jesoa

Tsy misy mahasakana ny fihaonantsika amin’i Jesoa

Publié le 08 novembre 2012 à 12:11

Marka 2 : 1-12 : « 1Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy, 2ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy. 3Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’efa-dahy. 4Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ny trano nitoeran’i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ilay nararin’ny paralysisa. 5Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao. 6Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe: 7Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy# Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra? 8Ary niaraka tamin’izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? 9Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? 10Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana et? ambonin’ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ilay mararin’ny paralysisa): 11Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao. 12Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’izay ary niala teo anatrehan’ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay. »


Lire aussi

20/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako

Alahady 20 jona 2021, alahady fetin’ny Ray sy hitondrana am-bavaka ny sampana Vokovoko manga. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Ohabolana 23;26 : « Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako« . Andeha hiombona amin’ny fanompoam-pivavahana teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo : « 26Anaka, atolory ahy ny fonao,Ary

17/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fetim-bokatra 2021 : hafatry ny mpitandrina

Araho ny fanentanana entin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ho an’ny alahady 04 Jolay 2021 eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, hanatenterahina ny fetim-bokatra, fotoan-dehibe hitondrana am-bavaka ny asan’Andriamanitra eto anivon’ny fiangonana ary hitondrantsika izay notahian’Andriamanitra antsika, ho enti-manana ho an’ny fiangonana.

13/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ento ity zaza ity, ka tezao ho ahy, fa izaho handoa ny karamanao

Alahady 13 Jona 2021, hitondrana am-bavaka ny Sekoly FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Eksodosy 2:1-10 : « Ary nisy lehilahy anankiray avy amin’ny mpianakavin’i Levy lasa naka vady tamin’ny zanakavavin’i Levy. Dia nanan’anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary rehefa hitany fa zaza tsara izy, dia nafeniny telo volana. Ary

08/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaminana Jona 2021

Finaritra, Indro ampitaina amintsika ny fandaminana : 1 – Alahady 13 jona : – fidirana in-2 : @8 ora sy 10 ora – tsy misy fisoratana anarana 2- Mbola miato mandritry ny volana jona : * Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Fianarana Katekomena fa manohy mamita ny enti-mody efa nomena

06/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manàna finoana an’Andriamanitra

Alahady 06 jona 2021, andinihina ny lohahevitra vaovao eo amin’ny sahan’ny FJKM : « Anorenana ny maha-kristiana ny finoana ». Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 11 : 20-24 « Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy. Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe:

01/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Miverina misokatra ny fiangonana ny Alahady 06 Jona 2021

Misaotra ny Tompo isika fa miverina misokatra ny Fiangonana. Toy izao ny tsara ho fantatra : 1 – Misokatra isika amin’ny alahady 06 jona 2021 ho avy izao. 2 – Hisy fidirana indroa : – 08:00 – 09:30 3 – Tsy misy fisoratana anarana. 4 – Tsy mbola misy fianarana katekomena sns… 5 – Tsy

30/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo

Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Alahady 30 mey 2021, alahadin’ny Trinité, fetin’ny Reny, iarahabana manokana ny reny ho feno fiadanan’ny Tompo, fahasambarana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana tarihin’ny FJKM Ambavahadimitafo izay tanterahina isaky ny tokan-trano. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio

22/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Alahady Pentekosta 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Manasa antsika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana tanterahina isan-tokantrano izao ny Alahady Pentekosta 23 mey 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Lohahevitra FJKM Mey 2021 : « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » Fiderana an’Andriamanitra Salamo 104:30-33 Hira FF4

16/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao Azy

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Aoka hanomana ny fo amam-panahy isika hiombona amin’izao fanompoam-pivahahana Alahady 16 mey 2021 izao mbola handihana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy « . Ny hafatr’Andriamanitra entin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia avy ao amin’ny Nehemia

13/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Andeha isika hiombona amin’izao fandaharana fanompoam-pivavahana Alakamisy 13 mai 2021 izao (Ascension). Mandinika hatrany ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » isika amin’ity volana mey ity Fankalazana an’Andriamanitra Apokalypsy 12:10-11Hira 171Vavaka Sitrapon’Andriamanitra Kolosiana 3:1-10Hira