FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tsy misy intsony ny fisoràtana anarana @ fanompoam-pivavahana

Tsy misy intsony ny fisoràtana anarana @ fanompoam-pivavahana

Publié le 30 juin 2020 à 11:06

Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo.

Toy izao manaraka izao indray ny fandaminana ny amin’ny fanompoam – pivavahana ny alahady 5 jiolay 2020 ho avy izao :

1. Tsy misy intsony ny fisoratana anarana amin’ny Facebook, ny Site Web , ao amin’ny sacristain ary amin’ny laharana finday mahazatra.

2. Toy izao manaraka izao ny ora fidirana: 7 h 30, 9 h 00

3. Mbola mitoetra avokoa ireo fepetra ara – pahasalamana rehetra . Tsara raha tsy manatrika ny fanompoam – pivavahana ny olona marefo ara – pahasalamana sy ny zaza latsakin ‘ny folo taona.

4.Rehefa vita ny fanompoam – pivavahana maraina dia tsy maintsy manome ny anarana, ny fanampiny, ny adiresy, ny taona ary ny laharana finday ny olona nanatrika ny fanompoam – pivavahana rehetra.

5. Hivoaka ny alahady hariva, ao amin’ny Facebook sy ny Site Web, manomboka amin’ny 18 h 00 ny fanompoam – pivavahana.

Tiana  ny manamarika fa :

1. Fetim – bokatra, izay fanaon’ny fiangonana isan – taona, ny alahady faha – 5 jiolay 2020 ho avy izao. Koa manentana antsika mpianakavin’ny finoana ny amin’ny fanatontosana ny adidy izay tandrify antsika tsirairay avy.

2. Raha tsy mbola manana ny karatra adidy vaovao ianao dia azonao atao tsara ny mandoa ny adidinao ary dia homena ny taratasy fanamarinana ny fandoavam – bola ianao. Ary dia asiana sonia sy fitomboka ny karatrao rehefa vonona.

Dia mankasitraka ny amin’ny fanarahana ny fandaminana ary dia mirary soa samy ho tahian’Andriamanitra.

NY BIRAON’NY FIANGONANA


Lire aussi

08/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Fandaminana Jona 2021

Finaritra, Indro ampitaina amintsika ny fandaminana : 1 – Alahady 13 jona : – fidirana in-2 : @8 ora sy 10 ora – tsy misy fisoratana anarana 2- Mbola miato mandritry ny volana jona : * Mpihevi-draharaha – Fivorian’ny Mpandray – Fandraisana ny Fanasan’ny Tompo * Fianarana Katekomena fa manohy mamita ny enti-mody efa nomena

06/06/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manàna finoana an’Andriamanitra

Alahady 06 jona 2021, andinihina ny lohahevitra vaovao eo amin’ny sahan’ny FJKM : « Anorenana ny maha-kristiana ny finoana ». Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Marka 11 : 20-24 « Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ny fakany ilay aviavy. Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe:

01/06/2021 A la une . Antso sy filazana

Miverina misokatra ny fiangonana ny Alahady 06 Jona 2021

Misaotra ny Tompo isika fa miverina misokatra ny Fiangonana. Toy izao ny tsara ho fantatra : 1 – Misokatra isika amin’ny alahady 06 jona 2021 ho avy izao. 2 – Hisy fidirana indroa : – 08:00 – 09:30 3 – Tsy misy fisoratana anarana. 4 – Tsy mbola misy fianarana katekomena sns… 5 – Tsy

30/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa mifalia satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo

Arahaba ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao. Alahady 30 mey 2021, alahadin’ny Trinité, fetin’ny Reny, iarahabana manokana ny reny ho feno fiadanan’ny Tompo, fahasambarana. Manasa anao hiombona amin’ny fotoam-pivavahana tarihin’ny FJKM Ambavahadimitafo izay tanterahina isaky ny tokan-trano. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio

22/05/2021 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Alahady Pentekosta 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Manasa antsika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana tanterahina isan-tokantrano izao ny Alahady Pentekosta 23 mey 2021 manomboka amin’ny 9 ora maraina. Lohahevitra FJKM Mey 2021 : « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » Fiderana an’Andriamanitra Salamo 104:30-33 Hira FF4

16/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao Azy

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Aoka hanomana ny fo amam-panahy isika hiombona amin’izao fanompoam-pivahahana Alahady 16 mey 2021 izao mbola handihana ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy « . Ny hafatr’Andriamanitra entin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain dia avy ao amin’ny Nehemia

13/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanompoam-pivavahana Andro fiakarana 2021

« Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho », Matio 18:20 Andeha isika hiombona amin’izao fandaharana fanompoam-pivavahana Alakamisy 13 mai 2021 izao (Ascension). Mandinika hatrany ny lohahevitra hoe « Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina » isika amin’ity volana mey ity Fankalazana an’Andriamanitra Apokalypsy 12:10-11Hira 171Vavaka Sitrapon’Andriamanitra Kolosiana 3:1-10Hira

09/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 09 mey 2021 : fanompoam-pivavahana iombonana

Am-pifaliana ry havana no hizarana aminao ny fandaharana amin’ity Alahady 09 mey 2021 ity izay hiombonantsika amin’ny 9 ora maraina. Misy ny toriteny video entin’ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain etsy ambany handraisantsika ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao ary hanomana fo amam-panahy ho amin’izany. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo

01/05/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mampiorina ny mino ny herin’ny Fanahy Masina

Alahady faha 4 aoriana ny Paska. Andeha isika hiombona amin’izao fanompoam-pivavahana ampitain-davitra izao manomboka @ 9 ora maraina, miaraka amin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain. « MAMPIORINA NY MINO NY HERIN’NY FANAHY MASINA «  *FIDERANA AN’ANDRIAMANITRA -Salamo 44 and 1,3-Hira 538 and 1,3– Vavaka *FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA -Hira 175 and 3,4– Vavaka – VakitenyDeo 34:5-9;Matio 10:16-20;2Kor 3:1,6– Hira

24/04/2021 Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Zaro @izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala @izany

Noho ny fihibohana dia tsy afaka miombom-bavaka any amin’ny FJKM Ambavahadimitafo isika. Misaotra ny Tompo anefa isika fa afaka miombona amin’ny fanompoam-pivavahana Alahady 25 Aprily 2021, izay hiarahan’ny isan-tokan-trano manatanteraka manomboka @ 9 ora. « Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia eo afovoany Aho, (Matio 18:20) Litorjia Alahady 25