FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Tsiahy vetivety an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Tsiahy vetivety an’ny FJKM Ambavahadimitafo

Publié le 21 juin 2012 à 06:06

Fanolorana

Manolotra ny fiarahabana antsika Fiangonana eto amin’ny Fitandremana Ambavahadimitafo mahatratra izao Fankalazana ny faha-15O taona niorenan’ny Fiangonantsika izao . Ny Tompo anie hitahy hatrany ity Fiangonana ity mba ho Vavolombelon’ny Fanjakany.

1862/1863 – 2012/2013: 150 taona no nanorenana ny Fiangonana Ankadibevava-Ambavahadimitafo, ary ho feno 150 taona koa no nitokanana azy.

Atao izao topimaso izao ho fampahatsiahivana ny tantara ho an’ireo izay efa mahafantatra izany, ary ho fampahafantarana ihany kosa ho an’ireo taranaka taty aoriana. Sombintsombiny ihany anefa no ho voalaza eto.

Niditra teto Madagasikara ny fivavahana kristiana

Raha efa tany amin’ny taonjato faha 16 no nisy ny fikasan’ireo misionera eoropeanina ampiditra ny Fivavahana Kristiana teto Madagasikara, dia taty amin’ny fiandohan’ny taonjato faha 19 (1818) vao azo lazaina fa tanteraka izany. Tamin’ny alalan’ny fampianarana ireo ankizy sy ny fitoriana ny Filazantsara no nanombohan’ireo misionera galoa David JONES sy Thomas BEVAN izany tao Foulpointe.

Fa ny taona 1820 kosa, tamin’ny fanjakan-dRADAMA I (1810-1823), no tafiditra teto Imerina ny Fivavahana Kristiana. Teo amin’ny fianakavian’ny Mpanjaka no nanatanterahan’i D. JONES ny asany voalohany.

Rehefa nanjaka anefa RANAVALONA I (1823-1861) , nandimby an-dRADAMA I, vadiny, dia nanenjika ny Fivavahana Kristiana izay efa nihanaka izy (fotoanan’ny fivavahana miafiana sy ny martiora).

Ny 1862, faha RADAMA II vao nalalaka indray ny Fivavahana Kristiana; koa tamin’izany fotoana izany no nananganana ny Fiangonana Ankadibevava-Ambavahadimitafo.

Ireo vanim-potoana namarika ny Tantaran’ny Fiangonana

  • Faha “London Missionary Society” (L.M.S.) : 1862-1897 (faha Fitondram-panjaka)
  • Faha « Mission Protestante Française» (M.P.F.) : 1897-1958 (faha Fanjanahan-tany frantsay)
  • Faha « Fiangonana ara-Pilazantsara eto Madagasikara » (F.P.M.) : 1958-1968 (faha Fahaleovantena)
  • Faha « Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara » (F.J.K.M.) : 1968-2012 (ny ankehitriny)

Ireo Mpitandrina nifandimby teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

  • 1863 : Julius KESSLER no misionera LMS nitondra ny Fiangonana tany am-piandohana
  • 1863-1865 : RAINIKETAKA-RALAIMAVO sy RAINDRATAVY (Mpitandrina tao amin’ny Fiangonana Ambatonakanga notendrena hanangana Fiangonana tety amin’ny “faritra atsinana”)
  • 1865-1874 : RAINIMANANA RAHABOKA (tao an-tranony tety amin’ny faritra Ambavahadimitafo no nanaovana fivavahana miafina tamin’ny fotoam-panenjehana)
  • 1874-1883 : RABESIHANAKA (RABETRENA) (mpampianatra vao niofana ho mpitandrina – lefitra mpitari-tafika – voatendry mpitandrina ny Fiangonana tao anaty Rova – mpitoriteny tena nahay)
  • 1885-1888 : RAINIKETAMANGA (nitrangana olana dia najanona)
  • 1888-1891 : Rev Charles JUKES niampy solo-mpitandriana 4 : RAMAMONJY, RASOAMANANA, RAKOTOMANGA ary RANDRIAMANANA
  • 1891-1927 : ANDRIAMANANA (Dada Manana) , izy no naharitra ela indrindra tamin’ny fitondrana fitandremana teto : 36 taona, namarana ny faha LMS ary nanomboka ny faha MPF. Nisy misionera frantsay DELORD, niaraka taminy
  • 1927-1943 : RAMAMBASOA Jean (nametram-pialana noho ny fifanolanana samihafa nisy)
  • 1943-1946 : Henri PEYROT + RALIBERA, rainy, Mpitandrina efa nisotro ronono
  • 1946-1958 : RALAMBOMAHAY Jean Baptiste, mpampianatra nalefan’ny fiangonana hiofana tany ivelany (France). Ny fiangonana no niantoka ny fandefasana azy nianatra. Izy koa no voatendry ho filoha malagasy voalohany nitondra ny FPM. Ny Fiangonana Ambavahadimitafo no voalohany niantoka fandefasana mpianatra ho mpitandrina tany ivelany
  • 1951-1954 : RAZAKARIVONY sy RASOANAIVO no solo-mpitandrina raha mbola nianatra tany ivelany i RALAMBOMAHAY
  • 1958-1959 : RAVELONANTOANDRO
  • 1959-1996 : RALIBERA Daniel. Nanomboka tamin’ny 1991 no nisiana Mpitandrina miza-draharaha voalohany avy ao amin’ny Toeram-panomanana Mpitandrina Ambatonakanga: RANARIMALALA Nirina (maro angamba no mahatadidy azy , fa sady Mpanazava izy no tao amin’ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo)
  • 1996-2009 : Dr. RAKOTOHARINTSIFA Andrianjatovo
  • 2009-2010 : RAKOTONAVALONA Maholy, Mpitandrina Delege
  • 2010- : Dr. RAKOTONIERA Christian Eric

Ny trano Fiangonana

Trano zozoro no trano Fiangonana voalohany naorina tetsy amin’ny toerana misy ny sekoly fanabezana fototra Ambavahadimitafo ankehitriny, trano notokanan’i RADAMA II tamin’ny 11 aprily 1863.

Novaina trano tany izy io ny 1864, fa efa tsy omby ny mpiangona izay nihabetsaka. Tsy nitsaha-nitombo ny isan’ny mpiangona ka ny taona 1865 dia nanorina fiangonana trano tany vaovao indray tery ambany, toerana mifanatrika amin’ny Fiangonana Katolika Ambavahadimitafo.

Ny 1869, dia nanorina trano tany (biriky tany) vaovao indray eto amin’ny toerana misy azy ankehitriny. Ny 8 Jolay 1874 no notokana ny trano ary ny ministry ny raharam-bahiny Rainivoninahitriniarivo no nalefan-dRANAVALONA II hisolo tena azy hitokana ny
trano fiangonana. I POOL sy ireo namany (izay nanao ny maritranon’ireo fiangonana tranovato eto Antananarivo) no nanao ny maritrano.

Fanamarihana :

  • io loko mena ranombalahy io no lokon’ny trano hatramin’izay – tafo kapila lakana novaina fanitso taty aoriana
  • tsy mba misy tilikambo ny Fiangonana
  • tamin’ny 1958 dia nirodana ny rarivato tao atsinana
  • 1974 (jona) : Fitokanana ny akany , tsangam-baton’ny faha 100 taona
  • 1982: nisy fahasimbana ny fiangonana (nivahavaha ny rindrina avaratra, nihotsaka koa ny rarivato)
  • 1982-1986: ny akany no nampiasina ho tranofiangonana
  • Fanamafisana ny rindrina sy Fanamboarana ny valin-tafo.
  • 1993: Fanokanana ny trano vadim-piangonana faha 2 ho fanamarihana ny faha 130 taona : trano hipetrahan’ny Mpitandriana misotro ronono + trano fivorian’ny skoty + trano ho an’ny mpikarakara ny trano fiangonana koa taty aoriana, raha teo amin’ilay trano teo avaratra nametrahana azy (trano fianarana tany ampiadohana)
  • 2003: Ezaka nanamarihana ny faha 140 taona : fanoloana ireo dabilio
  • 2006: Fanamariana ny faha 10 taona nitandreman’ny Pst RAKOTOHARINTSIFA: fanamboarana rihana (rindrina telo) sy alitara ary fanolona ny gorodona

FJKM Ambavahadimitafo Reny fiangonana

1868 : Anisan’ireo Renim-piangonana 9 natsangana teto Antananarivo ny Fiangonana Ambavahadimitafo, ary dia niandraikitra zana-mpiangonana : Ifaliarivo-Ambanidia, Ambohimiandra, Ambohimalaza, Betafo, Ankadindambo, Ambohipeno, Anjeva, Antanamalaza, Imasindray, Imerinarivo,Ambatomanga.

Izany andraikitra izany dia nosahaniny nandritry ny faha LMS. Izy ireo no manatanteraka ny fihaonana isan’6 bolana eo ambany ny fitarian’ny renim-piangonana. Ny taona 1868 no nisy isan’6 bolana voalohany. Volana aprily sy oktobra no fanatanterahana ny isan’6 bolana.

Amin’ny maha Renim-piangonana azy dia nisahana sekoly maro tao amin’ny fari-mpiadidiny, nandefa sy niantoka ireo evanjelista hiasa ao amin’izany faritra izany. Andraikitra mitovitovy amin’ny asan’ny synodam-paritany ankehitriny izany. Ao koa ny fantanterahana ny isan’4 bolana sy ny Lohavolana.

Rehefa faha MPF moa dia niova ny rafim-piasana koa tsy Renim-piangonana intsony ny Fiangonana.

Ny fetim-bokatra

Teto koa no nanatanterahana ny Fetim-Bokatra voalohany teto Antananarivo tamin’ny 7 mey 1887. Fomba izay notazomina ambarak’ankehitriny. (amin’ity 2012 ity dia ny 1 jolay no hanatanterahana izany).

Nanokanana ny fiangonana

Nisy fotoana niangonan’ireo Mpitondra fanjakana tato : ny Mpanjaka RADAMA II no nanokana ny trano fiangonana voalohany(1863).

RANAVALONA II tonga nanotrona ny lohavolana voalohany tamin’ny 8 janoary 1874 ary dia matetika izy no manatrika lohavolana teto.

RAVONINAHITRINIARIVO, ministry ny raharaham-bahiny no nisolo toerana an’dRANAVALONA II tamin’ ny fanokanana ny trano fiangonana ity tamin’ny 8 jolay 1874.

JL RAMANANTSOA, lehiben’ny governemanta no tonga nanatrika ny fankalazana ny faha 100 taona nanokanana ity fiangonana ity.

Sehatry ny fitaizana

1880 – nitsangana ny sekoly niahian’ny fiangonana tetsy amin’ ilay trano vadim-piangonana tetsy avaratra. Ny sekoly alahady dia nanomboka tany amin’ny 1881- natsangana ny fitaizana ny ankizy tao amin’ny Volana sy Kintana, club d’enfants, affa.

Ny taona 1949 no niforona teto ny antoko fitaizana skotisma antoko faha XIII – nisy kilasimandry zazavavy nahitana ireo mpianatra tao avaradrova sy ambatobevanja, nanana ny antoko mpihira nahitana ireo feo 4.

Efa tany ampiandohana dia efa nanana antoko mpihira ny fiangonana izay nitarika sy nampianatra hira nandritry ny fotoam-pivavahana.

Ny Fikambanana ho an’ny Tanora dia natsangana teto tamin’ny 7 mey 1892, io izany no fototry ny Sampana Tanora Kristiana ankehitriny

Maro koa ireo hetsika sy fampisehoana antsehatra natao mba hazahoana vola hanatanterahana ireo vato fehizoro amin’ny fanamarihana ireo vanim-potoana lehibe : teatra Dian’ny Tanora ho any Paradisa – vola hananganana ny akany izay nandraisan’ny
fiangonana sy ireo sampana rehetra anjara – maro ireo mpanantelenta teto nanentana teo amin’ny fiainan’ny fiangonana: Naka Rabemanantsoa , Rasamy Gitara, Gilles Ramiarison , Andriarimalala Abel, mamoaka sangan’asa anamarihana ireo vanimpotoana
lehibe. Ary dia nanana mpitendry zava maneno (orchestra) efa hatrizay ny fiangonana…

Fehiny

Maro be tokoa ry havana ny zavatra nanamarika ny fiainan’ny fiangonantsika ity nandritr’izay 150 taona , Topimaso ihany no natao. Efa maro ireo boky mitahiry izany tantara izany. Koa mitarika anao aho hametraka ihany koa ny dindonao eo amin’ny fiainan’ny fiangonana, fiangonana velona .

Dia samia ho tratry ny taona maro eto amin’ity fiangonan’Andriamanitra ity hampitombo ny Voninahiny ao anatin’ny Firaisana sy Fitiavana, endrika nahafantarana an’ity Fiangonana ity hatrizay.

Ho an’Andriamanitra ihany anie ny VONINAHITRA.

RAVELOARISON Léon Claude, Vaomieran’ny Tantara


Lire aussi

10/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Ho avy Jesoa ka mamerina ny olona ho @ fahalalàna marina ny Soratra Masina

Alahady 10 desambra, natokana hitondrana am-bavaka ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra (STA), mbola andinihina ny lohahevitra @ity volana ity manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy », nitondran’ny Prezida Synodaly Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, ny mpitandrina ALIOLIHARIMANARIVO Mahabo Saotra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 21 : 15-17 « 15Fa nony hitan’ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dàlana ny zavatra mahagaga izay nataony sy

03/12/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2023 : Ny olona voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay

Alahady 03 desambra 2023, taom-baovaon’ny fiangonana, Advento, nitondrana am-bavaka ny Sampana Dorkasy, ka andinihina lohahevitra vaovao @ity volana desambra ity eto anivon’ny FJKM manao hoe « Ankalazao ny Mpamonjy« . Ny tenin’Andriamanitra notoriana tamin’ity alahadin’ny Advento ity dia araka ny Asan’ny Apostoly 13 : 43-48 « 43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ny Jiosy sy ny proselyta

26/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Tsenao @ fihaviany ny Tompo Izay mitondra fanafahana

Alahady 26 novambra 2023, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », ary koa hitondrana am-bavaka eo anivon’ny FJKM ny Komitim-pirenena Miady @ SIDA sy ny Valan’aretina (KPMSV). Ny Katekista Délégué Randrianiana Roland avy amin’ny FJKM Antenimbe (fiangonana miara-mandroso) no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Isaia 40 : 9-11 : « Ny vaovao mahafaly

19/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . SAMPATI . Toriteny

Alahadin’ny SAMPATI : Mitandrena, miambena ka mivavaha

Alahady 19 novambra 2023, alahadin’ny SAMPATI mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo«  Ny hafatr’Andriamanitra araka ny Marka13 : 24- 37 no notoriana :  » 24Fa amin’izay andro izay, aorianan’izany fahoriana izany,dia ho tonga maizina ny masoandroary tsy hanome ny fahazavany ny volana,25hiraraka avy eny amin’ny lanitra ny kintanaary hohozongozonina ireo hery

12/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny AMA 2023

Alahady 12 novambra 2023, nitondrana am-bavaka ny Fitantanana ny fanànana eo anivon’ny Foibe FJKM, sady nitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo (AMA), sy nitondrana am-bavaka ny firenena. Ny lohahevitra amin’ity volana novambra ity dia ny hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo » . Ny mpitandrina miza-draharaha Andrimaifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Romana 2

05/11/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy

Alahady 05 novambra 2023, andinihina lohahevitra vaovao @ity volana novmabra ity manao hoe « Tsenao @ fihaviany ny Tompo », alahady fanateram-bokatry ny Vondrona Fototra Laika (VFLA), ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 24 : 29-31 « 29Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana

29/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Toriteny an-kira MIASAFIA : hira fifohazana redonina @ orgue

Alahady 29 oktobra 2023, nandinihina farany ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana », nanatanterahin’ny antoko mpihira MIASAFIA toriteny an-kira t@ alàlan’ny hira fifohazana redonina @ orgue. Manàsa anao hiombona @izany fanompoam-pivavahana izany :

22/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Fifohazana . Toriteny

Ny tokantrano anjakan’i Kristy

Alahady 22 Oktobra 2023, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Aoreno ao amin’ny Tompo ny fianakaviana », itondrana am-bavaka ny sampana Fifohaza manerana an’i Madagasikara. Ny mpitandrina Ralambomahay Hendrininosy no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Kolosiana 3 : 18-21 « 18Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka izay mety hatao ao amin’ny Tompo. 19Ianareo lehilahy, tiava ny vadinareo ary aza sosotra aminy. 20Ianareo

15/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina taranaka ao @ Tompo

Alahad 15 Oktobra 2023, mbola andinihinia ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @ Tompo ny fianakaviana », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Miora Andriamifidy Mendrikaja ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 : «  39ARY rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalàn’ny Tompo, dia niverina tany Galilia izy, dia tao Nazareta tanànany.40Ary ny Zaza dia nitombo

08/10/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ary ny Zaza dia nihalehibe ka nitombo hery sady feno fahendrena

Alahady 08 oktobra, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbol aibanjinana ny lohahevitra hoe « Aoreno ao @Tompo ny fianakaviana ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 2 : 39-52 Ny niverenan’i Jesosy tany Nazareta sy ny fahatanorany « 39Rehefa vitany ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo dia niverina tany Galilia izy ireo,