FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny : Ny fanjakan’Andriamanitra

Toriteny : Ny fanjakan’Andriamanitra

Publié le 23 décembre 2010 à 03:12

Ho an’izay rehetra malala eo imason’Andriamanitra sady voantso no masina. Ho aminareo anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika ! Amena .

Ny basileia qeou na  h basileia twn Ouranwn  izay miverina in-122 ao amin’ny Filazantsara ary in-99 ao amin’ny Synoptika dia fanantanterahana ny Teny faminaniana ny tany tondra-dronono sy tantely nambaran’ny Fanekena Taloha. Miainga avy amin’ny Teolojia Biblika ny fiheverana azy koa tsy mahagaga raha mivelatra sy mamakivaky ny tantara ary ny vazan-tany efatra ny fampiharana azy.

1. Martin Luther KING; United States of America

Tsaroana avy hatrany ny « I have a dream» izay mifamatotra amin‘ny « Kingdom of God » raha ny taompolo faha 50 hatramin’ny taompolo faha 60 sy ny faritra atsimon’i Amerika no itodihana. Fanantenana ny fisian’ny fiaraha-monina anjakan’ny fitiava-namana sy fahamarinana no vokatry ny finoana nananan’i King. Resilahatry ny Tenin’Andriamanitra i King ary nekeny fa ny finoana no niteraka fahitana na ny nofy izay nanosika azy hitolona hanohitra ny tsy rariny. Tsy nofy antoandro anefa fa vina miainga amin’ny herin’ny Filazantsara. Tsy azo hamaivanina ny nofy ao amin’ny Soratra Masina tahaka ireo hita ao amin’ny fivavahan-kafa sy izay hita ao amin’ny Psykolojia sy ny Psykoterapia. Ny nofin’ny anankiray no mitarika ny maro ho amin’ny nofy iombonana toy izay nitranga tao Ambatoreny Soatanana. Mbola ny teolojia biblika ; izany hoe : ny fanazavana ny baiboly hebreo no manondro fa ny mpanelanelana ny olona amin’Andriamanitra no mizara ny traikefan’ny fahitany amin’ny hafa. Ny ohatra akaiky azo omena dia ireo Mpaminany na solovavan’Andriamanitra ao amin’ny Fanekena Taloha. Ireny toy ny fantsona (tuyau) ireny no nanana fahasahiana hanambara ny tsy fahamarinana nanjaka tao amin’ny firenena. Koa na aiza na oviana anjakan’ny tsy rariny ao amin’ny fiaraha-monina dia noraisina ho fanaingana ny tolona iadiana amin’izany izay voalazan’ny tarazo biblikan’ny fanafahana tany Egypta. Tanteraka tokoa ve ny nofin’i King ka nanjaka ny fahamarinana ary azo ilay tany tondra-dronono sy tantely? Ny 04 Aprily 1968 tokoa mantsy no voatifitra sy nodimandry i King ary azo lazaina fa novidiany lafo ny ainy ka natakalony ny nofiny. Nanana fanantenana mafy orina mantsy izy ary tsy azo nozongozonina ny finoany satria nitokiany Ilay nanao ny Teny Fikasana. Ny 03 Aprily hariva no nilazan’i King tamin’ireo namany : «Avelan’ny Tompo hiakatra eo an-tampon-tendrombohitra aho ary avy eo no itazanako ny tany mamy. Angamba tsy hahatratra izany miaraka aminareo aho anefa fantatro androany hariva fa vahoaka tsy mivaky isika. Noho izany, faly aho anio alina ary tsy hanam-panahiana aho na kely aza. Tsy matahotra an’iza na iza aho. Hitako ny voninahitr’Andriamanitra manatona ahy» M. L. KING, Ich bin auf dem Gipfel gewesen, Testament der Hoffnung, p. 117.

2. Ny Teolojian‘ny fanafahana; Amerika Latina

Toerana nifangaroan’ny fivavahana katolika romana, izay tonga be mpankahala, sy ny fanosihosena ny zon’olombelona i Amerika Latina ny taompolo faha 60. Tsy mahagaga izany satria mora ho an’ny fivavahana kristiana ny mikorisa amin’ny fihatsarambelatsihy rehefa ialana ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra ka tsy manjaka ao amin’ny Fiangonana intsony Andriamanitra. Izany toerana voatondro itakosenan’ny haizina izany anefa no namirapiratan’ny fahazavan’ny kintan’ny maraina dia ireo vehivavy mpitarika ho amin’ny teolojian’ny fahafahana. Nantsoina hoe teolojian’ny vehivavy (Théologie féministe) ny teolojia nitarika ny fanafahana tany Amerika Latina. Araka izany, dia ny vehivavy no hery vaika nanosika ny rivotra hamelombelona ny afon’ny teolojian’ny fahafahana. Nanora-tena ho ny zanakavavin’ny masoandro ireo teolojiana ireo araka ny filazan’i B. Fünfsinn sy ny namany:

’’Isika zanakavavin’ny masoandro, ao amin’ny aloky ny mamatonalina no anoratantsika, mamakivaky ny alina isika ary mipoitra ao amin’ny fahazavan’ny maraina…Hotapahintsika ireo rojovy ary mizotra ho amin’ny lalam-pahafahana isika kanefa tsy hijanona eo fa handroso hatrany» (Lima 1996).  Miompana amin’ny fiainana an-davanandro ny teolojian’ny fanafahana ary teolojia ampiharina eo amin’izay anjakan’ny tsindrihazolena sy ny fanamparam-pahefana. Ny rafi-pitondrana sy ny rafi-pitantanana no vatondro fa herin’ny maizina mamatotra ny mahaolona ka tsy maintsy resena amin’ny alalan’ny saina na ny siantsan’ny teolojia biblika. Tsy ampy ny hetsika an-dalambe hitakiana fanafahana ny voageja fa nampiasaina indrindra ny asasoratra teolojika ampibaribariana fa tsy sitrak’Andriamanitra ny fanavakavahana, tsy ny volon-koditra ihany fa ny fahariana ny olona ho lahy sy vavy koa. Koa na iza na iza manavakavaka dia tsy ny olona ihany no avahany fa Andriamanitra Mpahary mihitsy no avoakany tsy hanana anjara toerana ao amin’ny fiaraha-monina misy azy. Tsapan’ireo vehivavy ireo fa mpitarika izy ary ilaina ny teolojia hanovana ny fiaraha-monina anjakan’ny fahantrana. Ny lesona azo tsoahana amin’ny zava-nisy tany Amerika Latina dia izao : izay te-hanafaka ny fireneny ka nahatsapa fa nantsoin’Andriamanitra dia tarihiny hikatsaka ny Fanjakany sy ny fahamarinany aloha ( Mat 6 : 33). Am-pifaliana no ilazana fa rehefa mihalalina ny fahantrana dia mitsangana ny teolojiana hanondrotra ny kalitaon’ny fampianarana teolojia protestanta teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Hoy Paoly nahatsapa izany talohantsika:

«Fa ny Fanjakan’Andriamanitra dia tsy amin’ny fihinanana sy ny fisotroana fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina» (Rom 14: 17). Koa sambatra ny Fiangonana tafiditra ao amin’ny kilasin’ny Fiangonana toa izay nisy ny Fiangonana tany Makedonia : « Fa tamin’ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ny hafaliany, ary ny halalin’ny fahantrany no nampitombo ny haren’ny fahafoizany» (II Kor 8: 2).Izany Fanahy izany no mitarika antsika amin’ny fizarana fahatelo farany.

3.  « Sambatra ny malahelo am-panahy sy izay enjehina noho ny fahamarinana fa azy ny Fanjakan’Andriamanitra » (Matio 5: 3,10).

Tsy ny fahoriana loatra no mahasambatra fa ny fahatsapana fa vokatry ny fanompoana an’Andriamanitra ny fangirifiriana. Izany fitondrana ny ziogan’ny Filazantsara izany dia nekena tamim-pahafahana ary tanterahana amim-pitiavana. Eo anelanelan’ireto tendro roa ireto isika Fiangonana irahana sy omena fahefana hitory ny Tenin’Andriamanitra:

1.       Andaniny: « Tsara ho an’ny olona ny mitondra zioga raha mbola tanora izy» (Fit 3 :27)

Tsapa fa ny andron’ny hatanorana no fotoana tsara indrindra anombohana ny asan’ny mpitandrina noho ny hery vao sy ny saina matsilo mbola vonona hanefana ny fanompoana. Noho izany; tonga maivana ny hazofijaliana noho ny fahafahana manompo ao anaty ary miteraka fahasambarana izany ka anovozana hery enti-mandresy ny fahoriana.

2.       Ankilany: « Aza mety hasiana zioga tsy antonona anareo…» (II Kor 6 :14)

Tsapa fa miadana izay manompo an’Andriamanitra, vokin’ny Tenin’Andriamanitra ary mivelona amin’ny teolojia, mahasoa koa ny fiombonana ao amin’ny fiaraha-miainan’ny samy voantso sy ny mitombo amin’ny fahalalana tsara an’i Kristy Jesoa. Tsy manery Andriamanitra raha nifidy sy niantso fa nampitsimohany tao anatintsika ny fitiavana hanompo azy.

Hoy Jesoa: « Ento ny ziogako, ka mianara amiko fa malemy fanahy sy tsy miavona am-po Aho dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo fa mora ny ziogako ary maivana ny entako» (Matio 11 : 29-30).

Tsy hijanona eo amin’ny tarazo biblika anefa isika fa ndeha itodihantsika fohy ny hevitr’i Calvin manoloana ny Fanjakan ‘Andriamanitra . Ny dominatio divini na ny fanjakan’ny fahefan’Andriamanitra ao amin’ny fiainan’ny mpino anoherany ny asan’ny maizina eto amin’izao tontolo izao no mampiavaka an’i Calvin. Tsy misy fanjakan’Andriamanitra hoy Calvin raha tsy resy dieny ety an-tany ny asan’ny maizina. Izany no antony nanorenana ny Fanjakana noheverina fa nanjakan’ny fanapahan’Andriamanitra tanteraka (Theocratie) andaniny sy nitakiana ny fahaleovan-tenan’ny Fiangonana manoloana ny Fanjakana ankilany tamin’ny andron’i Calvin (1509-1564). Raha fintinina izay lazain’i Calvin mikasika ny Fanjakan’Andriamanitra dia toy izao: Toerana ahatanterahan’ny voninahitr’Andriamanitra ny Fanjakan’Andriamanitra; toerana iverenan’ny fahariana amin’ny endriny tsara noho ny asam-panavotana nataon’i Kristy ary fanjakana hita maso eo ambany fitantanan’ny fiangonana ka azon’ny fiaraha-monina ialofana toy izay hita tao Genève. Tsy Ilay Andriamanitra mitsofoka ao amin’ny tantaran’izao tontolo izao no nampianarin’i Calvin fa Ilay Andriamanitra manjaka sy manintona ary atonin’ny fiaraha-monina. Tsy ahetsika ny Fanjakan’Andriamanitra satria efa miaina rahateo izy ; satria Fanjakan’i Kristy izay manana ny tenany dia ny Fiangonana ; tsy mifindra izy ary iainana ao amin’ny Fiangonana hita maso izay tsy mitsahatra manome voninahitra an’Andriamanitra (soli deo gloria) ary Fiangonana ampianarina isanandro hikatsaka ny fahafenoan’ny haren’Andriamanitra sy ny famirapiratry ny voninahiny (Théologie de la prospérité). Ny toerana misy Fiangonana izany dia toerana iorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra; fahefa-manjaka tokana ao ny Tenin’Andriamanitra ary tantanina mazava ao ny haren’Andriamanitra! Raha kalvinista (reforme) tokoa isika, moa ve hita taratra ao amin’ny Fiangonantsika ny voninahitr’Andriamanitra; mazava amin’ny vahoakan’Andriamanitra ve ny fanambarana ny Soratra Masina? Tokony hanjaka ao tokoa ny fahamarinana  amokisana sy itondrana ny ondrin’Andriamanitra (disciplines ecclésiastiques). Noho izany,  araka i Calvin,  tsy ny olona ao amin’ny Fiaraha-monina ihany akory no ovaina ho kristiana fa ny Fiangonana no itarina mba hahazo vahana handrakofana ny Fanjakan’Andriamanitra eo amin’ny faritra rehetra izay onenan’ny olona (oikoumenh). Tsy hitory fahasambarana fotsiny isika fa hampiseho koa fa ny fahantrantsika no mampanan-karena ny maro! Tsy fiadanana ho anao loatra izay manao ny asan’ny mpitandrina fa fahafinaretana ho an’ny hafa kosa. Tsy fifaliana vetivety fa fifaliana maharitra ao amin’ny fiombonana ka ahatsapan’ny mpitarika fa ampy ny enti-miaina ary tsara antoka ny vahoakan’Andriamanitra. Mbola ilaina ny fijoroan’ny Fiangonana ao anatin’ny fiaraha-monina tsy mino; fiaraha-monina asesiky ny fitiavan-tena; mandrombaka izay hitan’ny masony fa tsy mivelona amin’ny fanantenana; fiaraha-monin’ny herisetra, fiaraha-monin ‘ny samy maka ho azy ka anjakan’ny fahalovana sy ny fahantrana ! Koa ho Fiangonana sira hiparitaka sy hanome tsiro ary hanova ny tontolo ho amin’ny endrika nikasan’Andriamanitra azy; hanova ny fiaraha-monina hanome voninahitra an’Andriamanitra tsy amin’ny vavany ihany fa ny fony koa feno fitiavana Azy ! Amin’ny fahombiazana anefa dia tsarovy fa tsy fitadiavana tombon-tsoa ny asan’Andriamanitra fa filanjana ny hazofijaliana isanandro, fitondrana ny ziogan’ny filazantsara sady fibabena ny fahalemen’ny hafa! Koa mahereza sy matanjaha ary mahareta hatramin’ny farany!

Vavaka: Ho tonga anie ny Fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra ! Amena.

Dr Christian Eric Rakotoniera, Mpitandrina
Desambra 2010


Lire aussi

27/11/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Advento 2022 : Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany

Alahady 27 novambra 2022, alahady voalohany @ Advento, mbola handalinana hatrany ny lohahevitra hoe « Miomàna handray ny Mpamonjy« , ka nitondran’ny mpitandrina mpiza-draharaha Tianarisoa Miora ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 1 : 9:13 «  9Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao. 10Teo amin’izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao

20/11/2022 A la une . Antso sy filazana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa

Fanentanana 25 taona Pst. Randrianarisoa Alain

« Haleloia, hidera an’i Jehovah amin’ny foko rehetra aho », Salamo 111, 1a Afaka alahady 2 dia ho tonga ny andro firavoravoantsika hankalazana  ny Jobily volafotsy maha-mpitandrina an’Andriamatoa Randrianarisoa Alain mivady. Hatraiza ny fanomanana ? Zoma 02 desambra 2022 : fanompoam-pivavahana hanasàna ny Foibe FJKM, Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana, Fiangonana, fianakavian’ny mpitandrina ary ny vahoakan’Andriamanitra, izay arahina sakafom-pifaliana

20/11/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy ho avy amin’ny fahefany

Alahady 20 novambra 2022, nitondrana am-bavaka ny Sampana Mpanazava sy Tily manerana ny sahan’ny FJKM, mbola handinihana ny lohahevitra hoe « Miomàna handray ny Mpamonjy« . Ny mpitandrina Razakamanantsoa Narinjaka no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Tesaloniana 5 : 1-5 « Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, 2satria ianareo

13/11/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Anio no tonga eto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’i Abrahama koa

Alahady 13 novambra 2022, hitondrana am-bavaka ny fitantanana ny fanànana eo anivon’ny FJKM ary koa hitondrana am-bavaka ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo. Mbola antin’ny lohahevitra isika manao hoe « Miomàna handray ny mpamonjy » ka ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 19 1 – 10 :  » 1Ary Jesosy niditra ka nandeha

06/11/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.

Alahady 06 novambra 2022, hiarahana misantatra ny teny faneva amin’ity volana ity manao hoe « Miomàna handray ny Mpamonjy« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 24 : 42-51 :  » 42Koa amin’izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo. 43Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny

23/10/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa manavao ny fanompoan’ny fiangonana

Alahady 23 oktobra 2022, mbola nibanjinana ny lohahevitra hoe « Havaozy ny fanompoan’ny fiangonana« , natokana hitondrana am-bavaka ny Sampana Fifohazana manerana ny sahan’ny FJKM. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 5 : 21-26 «  21Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe: „Aza mamono olona” (Eks. 20.13); ary izay mamono olona

16/10/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy

Alahady 16 Oktobra 2022, nitondrana am-bavaka ny Masera MAMRE, mbola handinihan’ny FJKM ny lohahevitra manao hoe « Havaozy ny fanompoan’ny fiangonana« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Malakia 3 : 18-24  » 13Ny teninareo dia mahery mamely Ahy hoy Jehovah. Nefa hoy ianareo: Inona no resakay nentinay namely Anao? 14Tamin’ny nanaovanareo hoe:

09/10/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo

Alahady 09 oktobra 2022, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Havaozy ny fanompoan’ny fiangonana » ary nanatanterahan’ny MIASAFIA ny fanateram-bokatra. Ny mpitandrina Rambinintsoa Onja no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 14 : 13-14  » Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; 14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba

02/10/2022 A la une . Fampianarana . Fanompoam-pivavahana

Fampianarana : Hazakazaka masina

Alahady 02 Oktobra 2022, andinihina lohahevitra vaovao eto anivon’ny FJKM hoe « Havaozy ny fanompoan’ny fiangonana« . Ny mpitandrina RANDRIANARISOA Alain no nitondra ny fampianarana mahakasika ny atao hoe « Hazakazaka masina » araka ny FJKM. Manasa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

25/09/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Jesoa Kristy manome fahefaha izay olona irahiny

Alahady 25 septambra 2022, handinihina farany ny lohahevitra hoe « Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana« , hitondrana am-bavaka ny FFP na Fikarohana sy Fandalinam-pinoana. Ny mpitandrina Ranaivoson Bodo Hanitriniaina no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Matio 10 : 1-10  » 1Ary Jesosy niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka