FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 26 Jolay 2009: Ny dihy mirindra ny fiainana kristianina

Toriteny Alahady 26 Jolay 2009: Ny dihy mirindra ny fiainana kristianina

Publié le 29 juillet 2009 à 12:07

II Petera 1: 1-7
Simona Petera, mpanompo sy Apostolin’I Jesosy Kristy, mamangy izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay amin’ny fahamarinan’I Jesosy Kristy, Andriamanintsika sy Mpamonjy.
Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. Efa nomen’ny herin’Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany; ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra amin’izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin’izao tontolo izao noho ny filana; koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa hianareo, ka amin’ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin’ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, amin’ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin’ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin’ny faharetanareo dia toe-panahy araka an’Andriamanitra, ary amin’ny toe-panahinareo araka an’Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin’ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.

1. Fihetsiky ny Finoana:
Manana fahalalana hafa vokatry ny fiarahana amin’Andriamanitra ny mpino, mamantatra fanahy samihafa eo anivon’ny fiaraha-monina hoe izany feo mandeha izany, izany fisaorana izany, avy amin’Andriamanitra ve izany sa avy amin’ilay ratsy? Fahalalana miorina amin’ny finoana sy ny hatsaram-panahy. Ary tokony hirindra tsara amin’izany mba tsy hisy fifanoherana.

2. Fahononam-po na fifehezan-tena
Ao anatin’ity dihy mirindra ny fiainana krisitianina ity, dia mbola lazaina koa ny hoe “fahononam-po.” Eto raha ny marina, ny tena lazaina dia hoe “fifehezan-tena.” Aoka ho fehezinao ny tenanao. Satria ilay fahalalana teo mety hampiavonavona. Heverinao fa dia fantatry ny lohanao raha hitanao fa toa hoe inona moa no maha-ratsy an’izany ka andeha hotanterahanao, sy ny zavatra fantatra sy ny hay rehetra dia mahasoa daholo. Na ilay olona nahita ny zavatra fitaovana sy ny zavatra fihevitra iny aza mety tsy nanao an’izany akory fa mba nolazainy fotsiny. Mety tsy mahasoa azy akory. Ary mety tsy niteram-bokatra mahafinaritra teo amin’ny fiaraha-monina akory fa mba noteninitenenina tany, na natao tany, vokatry ny fahalalana sy ny fandinihana. Ary izay nolazain’i Paoly rahateo hoe: fa ny fahalalana dia mampieboebo. Ary na ny fahalalana ara-pivavahana aza dia mety hiteraka izany fieboeboana izany. Fa tsy mahasoa anao akory.
Fa ianao dia mila mifehy tena. Misy zavatra fantatrao amin’ny fahalalana tsy azo iainana, tsy mahasoa an’iza na an’iza, ary na dia ianao aza. Ka noho izany dia ny mety mahasoa ny tenanao sy ny hafa ihany no tokony hataonao. Satria tsy maintsy manao sivana ianao. Ary izay no hoe fahononam-po: fahaizana manivana ny hatao sy ny tsy hatao. Izany no hatao hoe “olona mahafehy tena.” Fa tsy izay rehetra fantatra dia hotononin’ny vava. Izay nianarana rehetra io dia avoaka na inona na inona hitranga na hampikorontana an’iza izany na hampisavoritaka an’iza dia alefa foana na ho any na tsy ho any. Ary io fahononam-po na fifehezan-tena io izany no hahita hoe hendry ilay olona, fa tsy be fahalalana fotsiny. Satria izy manivana izay zavatra fantany sy izay tena mahasoa ny be sy ny maro. Ary na dia mahasoa ny tenany koa ary.

3. Faharetana
Ao anatin’izany firindran’ny fihetsika ao amin’ilay dihy kristianina, satria heverina fa zavatra mahafinaritra anie izany fiainana kristianina izany, ohatran’ny dihy mirindra, dia tokony hiaraka eo koa ny faharetana. Faharetana eo anatrehan’ny zava-tsarotra izay hatao, satria tsy izay neritreretinao dia tanteraka eo ny eo, harahin’olona, na ho tody amin’izay hatao. Fa tsy maintsy miaritra eo ianao. Na ho voatsindry sy ho voa-porotra eo aza dia tsy maintsy miaritra. Satria mila fotoana ny zavatra rehetra, mila fiovana lehibehibe kokoa eo amin’ny fiaraha-monina sy ny toe-tsain’ny mpiara-belona sy ny sisa. Ary izany tsy vitanao in-dray mipimaso. Andriamanitra aza tsy mahavita izany in-dray mipi-maso, fa mbola mandresy lahatra sy ny mitaona. Koa iza ianao no hahavita izany? Fa tsy maintsy miaritra ianao, mba hahita vokatra amin’ny fotoana mety. Dia Andriamanitra no mahalala, fa ny anjaranao dia ny manatanteraka.

Ary izany ny fanetretena, mba tsy hahatonga ilay fahalalana sy finoana miredareda teo. Satria misy koa ny olona manana finoana sy ny fahalalan’ny finoana izay heveriny fa tokony hanaraka izany foana ny olona, araka ny fihazakazahany sy ny hafainganam-pandehany. Fa tsy voatery ohatran’izany ny olona rehetra, na dia ny vadinao aza tsy ohatran’izany, na dia ny zanakao aza tsy ohatran’izany, na ny iraitampo aminao tsy ohatran’izany, ny raiamandreninao tsy ohatran’izany. Fa tsy hoporitinao eo fotsiny. Ary ny sasany koa aza efa mba efa ela be izy no teo nefa mbo lasa izy dia notereny daholo ny olona amin’ny hafainganam-pandehany. Fa tsy azonao hatao an’izany ny olona. Ary izay no tsy maintsy hijalianao kely. Satria manjary tsy maintsy mianatra ny miaritra ianao, mahazaka an’izany ianao. Ary izany ao anatin’ilay dihy mirindra ny fiainana kristianina. Mahatonga azy ho fiainana feno fifaliana fa tsy fimenomenona, fifanomezan-tsiny ny hafa, satria tsy ho mitovy ny fotoana sy ny hafainganan’ny olona rehetra.

4. Ny firaketam-po amin’Andriamanitra
Ary ao anatin’ilay fihetsika, ao anatin’ilay dihy isan-karazany, satria ilay dihy misy fihetsika be dia be (ny Komity moa izao nianatra dihy dia tsemon-dratsy mihitsy vao vita izany, ela be vao vita), ka ilay mianatra mandihy izany dia misy fihetsika hafa koa amin’izany dihy mirindra amin’ny fiainana kristianina izany. Dia hoy izy hoe izany fiaretana izany, na faharetana, dia ataovy tohiny eo, amin’ilay fihetsika mahafinaritra, ny firaketam-po amin’Andriamanitra. Izany no dikan-teny protestanta hoe “toe-panahy araka an’Andriamanitra.” Satria io no hahafahanao manompo an’Andriamanitra marina tokoa. Satria ianao manana fo sy toetra mivavaka, tena mivavaka. Fa tsy hoe manatanteraka zavatra dia mijaly eo. Ka ianao na dia miaritra fotsiny eo, kanefa tsy manana ilay firaketam-po amin’Andriamanitra dia ho kivy eo ianao, ho ketraka eo ianao. Hiala eo ianao hoe “rehefa tsy hanao daholo ianareo dia tsy mahavita koa aho. Fa angaha izaho ihany no hataon’io, fa angaha misy ariariko io, na tombontsoako io na inona?” Dia nisy ny sasany miala satria tsy mahatanty, tsy mahatanty lazon’ady. Satria io fiaretana io dia lazon’ady izy io. Fa zakanao io lazan’ady io rehefa miraiki-po amin’Andriamanitra ianao. Tena mivavaka tokoa ianao, tena manolo-tena ho an’ny Tompo tokoa ianao, ary tena manompo azy amin’ny fahatsorana amin’ny zavatra rehetra. Satria izay no hangatahina amintsika. Hoe tena manompo an’Andriamanitra tokoa ve isika sa mieritreritra zavatra ao ambadika ao? Dia mba mody manompo aloha. Rehefa tsy mitranga iny dia hialanao satria tsy misy tombontsoa. Hay ilay eritreretina tsy izany akory. Aleo hialana ity. Fa tena Andriamanitra mihitsy no tianao amin’izao fiainana izay nosafidianao tao amin’ny finoana izao.

5. Fifankatiavana

–    Fandalana ny havana amin’ny finoana:
Ary ny fihetsika manaraka an’izany indray, amin’ilay fihe
tsiky ny fiainana kristianina dia hoe fandalana ireo havana iray finoana. Io efa lasa teny gasy, satria fiangonana any Antsirabe anankiray dia hoe “Fiangonana Filadelpfia”. Izany filadelfia izany teny grika natao amin’ny teny Malagasy hoe “fandalana ireo havana,” miray fo amin’ny fitiavana amin’ny rahalahy sy ny anabavy, na ny rahavavy, izany hoe ny rahavavinao ao amin’ny mpino izany no ampiasana izany fitenenana izany. Asio fifankatiavana izy io, satria tsy hozakanao ny miara-miaina amin’ny hafa izay tsy mitovy aminao, izay mety samy nanana fitaizana samihafa, na dingam-pinoana samihafa. Satria ny fiarahana amin’ny Tompo anie samihafa raha tena hoe niaraka tamin’ny hafanam-po be nandritra ny telo-polo taona, folo taona, raopolo taona, sy ny hoe vao erin-taona. Ny sasany aza vao roa volana, tsy mitovy izany.

–    Tsy mifanome tsiny:
Tsy hifanome tsiny eto isika, hoe hianareo ve efa nihaino toriteny teto in-jato, ny sasany mbola izany ihany. Mbola izany ihany ve ny fahalalanareo an’i Jeso, sy ny sisa sy ny sisa? Hitanareo amin’izany fa hosahirana isika raha tsy mihaina amin’ny fifankatiavana, mba fijerena ny hafa, hoe izy anie mbola tokony hampandrosoana ohatran’izao, mbola tokony omena fiofanana toy izao… Izy indray tokony omena andraikitra mihitsy, satria io andraikitra io no mba hahafantarany ny maha-fiangonana ny fiangonana…

Fa tsy ery ivelany ery no hitabataba eo hoe: “ireo ve no mba diakona?” Manaova ianao diakona hahitana an’izany, raha mba tafafoha maraina manao latabatra eto amin’ny enina ianao dia hitanao tsara izany. Izany no hatao hoe mahafoy tena. Ho entin’ny olona mamangy any amin’ny hopitaly. Tongava indray hoy i Pasitera. Ny sasany vao mahita hoe Pasitera, dia hoe inona indray no nitranga, na iza indray no maty? Hitanao izany hatao hoe diakona, fa menomenomanao fotsiny io diakona io. Izay ilay fitiavana ny rahalahy hoe “aleo izy mba hanao an’izany. Mba hanompo satria tokony efa hanao an’izany izy” sy ny sisa sy ny sisa. Fa tsy ny fanomezan-tsiny eto no hatao.

Ary tsy ny hoe Diakona ihany fa ireny mpampianatra sekoly alahady ireny, tonga eto isan’alahady maraina, mampianatra ankizy kely manoaka, mitabataba. “Mipetraha re fa aza mandehadeha erakin’ny fiangonana.” Heverinareo fa tsy misavoritaka ny loha. Inona indray ny voam-bolana zakan’ny lohan’ilay zaza? ny mety aminy sy ny sisa sy ny sisa? Ireo mpanompo ireo any amin’ny sampana rehetra ireny samy manao daholo. Marina fa tsy tonga lafatra. Iza koa moa no tonga lafatra? Na izaho izao aza tsy tonga lafatra mitoriteny eto, na izaho aza no mpampianatra an’io. Mianatra foana. Kanefa izany ny fitiavana ny rahalahy hoe fantatrao izany fa tsy misy tomombana eto na lavorary, kanefa dia mifampizaka eto isika satria samy zanak’Andriamanitra. Mianatra an’izany, mampanetri-tena, fa tsy ianao koa no mahavita ny zavatra rehetra.

6. Mila ny hafa hitomboana sy hifampandrosoana
Izay no hilanao ny anabavinao sy ny rahalahinao amin’ny Tompo, ny rahavavinao. Satria ireny manana fanomezam-pahasoavana izay tsy hanananao. Fa iza no mahavita ny zavatra rehetra eto am-piangonana? Misy anie olona tsy mahay mandahatra an’io voninkazo io akory hoe atao ahoana. Raha esorina daholo izao ireo haingo ireo, dia hoe apetraho io, ny sasany ataony mitsivalana ary, tsy manana hevitra akory izy hanaovana an’io. Io lamba-databatra io sintosintominy eo dia tsy misy lohany sy vodiny. Na hoe havia sy havanana. Tsy voatery hainao izany. Misy anefa ny olona manana ny hatao hoe ali-kanto. Vao kitian’ny tanany dia ohatrany mety daholo. Ianao kitihina dia tapaka, na maninona, ny tànanao mafy be sahala amin’inona. Io hataovy eo ny micro, dia ny sasany hafolaka. Ity moa efa in-piry nihongotra. Satria na ny micro aza tsy hainao. Anefa misy olona mahay micro. Heverinao fa raha tsy mandeha ny micro tsy himenomenona daholo ianareo any ambany tohatra any, hoe inona izany tenenin’i Pasitera? Satria hitanareo fa na ity fotsiny aza dia mba misy olona vitsivitsy mba mahay an’io. Ary izay ilay fitiavana ny rahalahy. “Hay mila ny rahalahiko, ny anabaviko sy rahavaviko izany aho mba hitomboako sy hifampandrosoana ato amin’ny fiangonana.”

Fiainam-pitiavana
Ary hoy izy hoe, ary ny teny farany aza dia izao, ny fihetsika farany. Nanomboka tamin’ny finoana ilay fihetsiky ny dihy teo, dia mivalona amin’ny fitiavana ny olona rehetra. Izay izany no antony hivavahako, ny antony niraketako fo amin’Andriamanitra, niharetako amin’ny zavatra rehetra, ny hiomanako mba hananana toetra mendrika, sy mahate ho tia, sy ny fahasahina, sy ireny rehetra rehetra ireny, sy ny voatanisa, sy ny fihetsika rehetra teo, no tokony hitsatohany farany indrindra dia ny fitiavana ny olona rehetra. Mba ny fiainako dia ho fiainanam-pitiavana, mibanjina ny hafa, mampandroso ny hafa. Fa raha izay no tanteraka, dia mihaina tokoa amin’ny maha-olombelona mpanota ilay fomban’Andriamanitra izay tiany hiainako, na dia hampahany ihany aza, ety amin’izao tontolo izao. Enga anie ho fantatsika fa dihy mirindra mahafinaritra toy izany ny fiainana kristianina. Fa tsy fiainana gidragidra sy akimenomenona, fiainana fanomezan-tsiny sy inona fotsiny, fa fiainana mahafinaritra, satria ohatrany mandihy ianao, miaraka amin’i Kristy. Ary izay no fihetsika izay harindra ao amin’izany dihy kristianina izany. Miatomboka amin’ny finoana, miahafara amin’ny fitiavana. Amen

Dr. Rakotoharintsifa Andrianjatovo
Mpitandrina ao amin’ny FJKM Ambavahadimitafo

 

Sary nalaina tao amin’ny http://www.waltshouse.com/drupal/files/images/stand.jpg

 


Lire aussi

18/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra

Alahady 18 aogositra 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino« . Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IIKor 6;11 – 7;1  » 11Ry Korintiana, ny vavanay misokatra aminareo, ny fonay malalaka. 12Tsy tery aminay ianareo, fa tery ao am-ponareo ihany. 13Ary mba ho valiny toraka izany (izaho miteny toy ny

11/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fahatahorana an’Andriamanitra no ambonin’ny zava-drehetra

Alahady 11 aogositra 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino », ka nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 12;4-7  » Ary lazaiko aminareo sakaizako hoe: Aza matahotra izay mamono ny tena, nefa nony afaka izany, dia tsy mahay manao mihoatra noho izany. 5Fa hasehoko anareo izay hatahoranareo:

04/08/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ho masina ianareo, satria masina Aho

Alahady 04 aogositra 2024, andinihina lohahevitra vaovao indray manao hoe « Manamasina ny tenany ny Mpino ».  Ny Mpitandrina Andriamifidy Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny IPetera 1;13-16  « 13Koa amin’izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy; 14tahaka ny zanaka manoa, tsy mitondra tena

28/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny olona miara-mandeha amin’ny Tompo dia tsara mpitarika ary tsy manan-tahotra

Alahady 28 Jolay 2024, andinihina farany ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Rakototsihoaranambololona Domoina, mpitandrina FJKM Miadanimerina, fiangonana miara-mandroso @ FJKM Ambavahadimitafo. no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny Deotoronomia 34;1-8  » 1Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’i Pisga, izay tandrifin’i Jeriko. Ary nasehon’i Jehovah azy

14/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Kristy maty noho ny fahotantsika araka ny Soratra Masina, dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo araka ny Soratra Masina

Alahady 14 jolay 2024, ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao », iombonan’ny Sampana Tanora Kristiana manerana ny FKJM. Ny mpitandrina Andriamifidy Miora no nitory ny tenin’Andriamanitra araka ny II Kor 15;1-11 1Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo sady iorenanareo, 2izay amonjena anareo koa, raha tananareo tsara araka izay

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaraha mandeha amin’ny Tomponao fa omeny fahefana manokana ianao

Alahady 07 Jolay 2024, iombonana amin’ny sampana Vondrona Fototra Laika – FJKM, andinihina ny lohahevitra hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo Andriamanitrao ». Ny mpitandrina Raharivololona Sahondra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Apokalipsy 20;1-6 « 1Ary hitako fa, indro, nisy anjely nidina avy tany an-danitra, nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny

07/07/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Fetim-bokatra 2024

Alahady 07 Jolay 2024, alahadin’ny Fetim-bokatra eto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Miaraha mandeha amin’ny Tompo« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jaona 8 : 12 « Ary Jesosy niteny tamin’ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina,

30/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miaro ny olony tsy ho lavo ny Tompo

Alahady 30 jona 2024, ibanjinana farany ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo », ka nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Joda 24-25 24Ary ho an’izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan’ny voninahiny amin’ny firavoravoana, 25ho an’Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie,

23/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahadin’ny Vokovoko manga 2024

Akahady 23 jona 2024, alahadin’ny sampana Vokovoko manga manerana ny FJKM, iarahabana sy itondrana am-bavaka ireo Zokiolona, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo« . Ny mpitandrina Rakotomanana Herintsoa Tahiry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Lioka 21; 34-36 sy ITesaloniana 6; 4-11 34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy

16/06/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fetin’ny Ray 2024

Alahady 16 Jona 2024, fetin’ny Ray, ivon’ny Jobily faha-75 taona ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Miaro ny olony ny Tompo ». Alahady nitondran’ny mpitandrina Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5; 16  » Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo