FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 25 Oktobra 2009 : Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra

Toriteny Alahady 25 Oktobra 2009 : Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra

Publié le 30 octobre 2009 à 12:10

Ho aminareo rehetra anie ry havana ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.

Ny tenin’Andriamanitra izay ho toriana amin’ity alahady ity dia araka izay efa novakiana teo ao amin’ny IITimoty 2, 15 vakiana araka ny dikan-teny iombonana :

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra ka ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara momba ny teny fampianarana mari-pototra ».

Fanazaran-tena

Ny mpanao fanatanjahan-tena rehefa hiatrika fifaninanana dia manao fanazara-tena, ary refesina avy amin’iny fanazara-tenany iny izay mety ho vitany ao anatin’ny fifaninanana ; dia toy izany koa ny mpianatra rehefa hiatrika fanadinana dia mianatra mafy, miezaka mampiditra ao an-tsaina ny lesona rehetra izay nampitain’ny mpampianatra tany am-pianarana mba ahitàn’ny mpampianatra izy hoe mahay izy rehefa hadinina ary amin’ny fotoam-panadinana izay hamerenany indray ny fahaizana dia mba ho afaka mamoaka tsara izany zavatra nianarany izany izy avy any anatiny any.

Fa toy izany koa ity andininy faha 15 amin’ny IITimoty 2 izay novakiantsika ity. Soratr’i Paoly ho an’i Timoty dia Timoty ilay tovolahy kely mbola tanora fanahy nefa napetraka hitondra Fiangonana iray lehibe tamin’ny fotoan’androny tao Efesosy dia afaran’i Paoly izy hoe tokony hikely aina fatratra mba ho voazaha toetra ary vokatr’izany dia hanana ny maha-izy azy izy eo imason’ny olona mba tsy ho teny foana ny teny ampianariny fa teny mari-pototra.

Andeha àry ry havana handraisantsika vatsi-panahy mba hampatanjaka ny finoana ka hatonga antsika olona voazaha-toetra, ity andininy ity ka omentsika lohateny hoe : « ny olona voazaha-toetra ».

Nikely aina ve ianao tamin’ny asa fanompoana?

Ahoana moa no hahatonga ny olona iray voazaha-toetra na hoe ahoana izany olona voazaha toetra izany?

Voalohany indrindra voazaha-toetra ny olona iray raha toa ka « mikely aina » amin’ny asa fanompoana.

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra ka ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara momba ny teny fampianarana mari-pototra ».

Izany hoe manao ny ainy tsy ho zavatra ; any amin’ny sehatry ny asa izao na fianarana ohatra dia misy ny « test » rehefa hiditra kilasy na handray asa vaovao ary amin’izay fotoana izay dia ho hita eo hoe mahatratra ilay fenitra takiana ve iny olona anakiray iny?

Ary mba ahafantarana izany dia tsy maintsy mikely aina izy mialohan’ny zavatra rehetra. Miezaka mifehy ilay asa na ilay fianarana ary amin’izany fotoana izany tsy misy fomba azo anaovana « masque » intsony hoe ho saromako kely an’ity vetivety aloha ny fahaizako sy ny fahalalàko mba ahafahako miatrika io fotoana io fa tsy maintsy hiseho ihany io rehefa avy eo satria ny olona voazaha-toetra dia tsy hoe indray andro ihany na in-droa ihany fa mandritra ny androm-piainany dia ho asehony foana izany toetra na fiainana voazaha-toetra izany.

Raha adikantsika eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra izany, ampitahaina amin’ny fomba niainantsika izay fanompoana an’Andriamanitra nandritra izay andro niainantsika izay na izay fotoana nanombohantsika nivavaka izay, afaka manontany tena isika amin’ny asa maha-diakona, amin’ny asa maha-loholona, amin’ny asa maha-biraom-piangonana, amin’ny maha-mpandray fanasàn’ny Tompo, amin’ny maha-mpikambana ao amin’ny sampana iray, amin’ny maha-olona tazaina, amin’ny maha-mpianatra sekoly alahady hoe nikely aina ve ianao tao anatin’izany rehetra izany ? Inona ny fikelezan’aina nataonao tao ?

Fa amin’ny dikan-teny hafa ity mikely aina ity dia hoe ataovy tsinontsinona mihitsy ny ainao manoloana ny anjara fanompoanao, tsy maninona mihitsy na mihena eo aza ny herinao noho io fanompoana ataonao io.

Dia izany ihany koa moa no nampaherezan’i Paoly an’i Timoty hoe « mikaroha tsara, mianara mafy manoloana ny fampianaran-diso izay tsy maintsy toherinao ary izany no hitenenany hoe « Mikeleza aina mba ho olona voazaha-toetra eo imason’Andriamanitra ».

Afaka misongona ny fampianaran-diso

Fa inona anefa no mampiavaka izany olona voazaha-toetra izany amin’ny finoana fa sao dia hoe voazaha-toetra fotsiny dia hijanona amin’izany ny olona iray !

Fa ny olona voazaha-toetra dia mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany, « Mikeleza aina mba ho olona voazaha-toetra eo imason’Andriamanitra ka mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana mari-pototra».

I Timoty araka ny voalaza tery aloha hoe olona mbola tanora fanahy kanefa Fiangonan-dehibe sy tanàn-dehibe no nasaina noentiny. Ary tamin’izany fotoana izany dia feno fampianaran-diso manodidina ny Fiangonana satria misy olona mitsangana manohitra ny fivavahana kristianina.

Vokatr’izany dia tsy maintsy misy fifandonana eo amin’izay mpitarika ny fampianarana entiny ary tsy maintsy misy adi-hevitra, fifaninànana, ary izay indrindra no mahatonga ity mampiavaka ny olona voazaha-toetra ity hoe mpiasa tsy mahazo henatra amin’ny asany satria rehefa voazaha-toetra izy dia afaka hisongona ireo fampianarana hafa izay misy eo amin’ny fiaraha-monina.

Tsy vitan’ny hoe milahatra fotsiny na miara-mandeha eo izany ianao sy ilay fampianarana fa tena afaka misongona mihitsy satria ianao olona voazaha-toetra, amin’ny fomba fiteny frantsay moa iz’io afaka tenenina mihitsy hoe « compétent » ianao, manana fahaiza-manao momba iny zavatra iny ianao, azonao fehezina avy amin’izany ihany koa.

Afaka manohitra ny fakam-panahy

Ny olona voazaha-toetra araka izany dia afaka manohitra ny fakam-panahy satria ny fampianaran-diso dia miteraka fakam-panahy ho an’ny olona anankiray hiala amin’izay fampianarana marina ka hivily ho amin’izany.

Isika ety amin’ny fiaraha-monina raha tsy hiteny afa-tsy ireo karazana antokom-pivavahana miezaka mandresy lahatra antsika eny an-dàlana eny, mitondratondra kitapo kely eny izy dia mitondratondra boky kely dia miteny anao hoe mba afaka hihaino ahy vetivety ve ianao ? Na indraindray tonga mandondona any an-trano mihitsy hoe avy izahay hitondra fampianarana ho anareo !

Raha toa ka olona tsy voazaha-toetra isika dia menatra mihitsy eo anatrehan’ireny satria lazainy hoe io fivavahana arahanareo io fivavahan-diso, tsy ianareo izany no voavonjy any an-danitra fa izay manaraka ity fivavahana ity ary izy dia miteny fa olona tato amin’ity fiangonana ity ihany fa nifindra satria tsy nahita an’Andriamanitra izy tato !

Raha tsy olona voazaha-toetra ianao tsy afaka manohitra izany fampianarana hoentin’ny sasany izany, raha tsy olona voazaha-toetra ianao dia ho menatra manoloana ny asanao satria mba mikely aina ihany ianao manompo an’Andriamanitra ato amin’ny Fiangonana FJKM nefa lazain’ny olona fa olona tsy ho voavonjy akory.

Fa ny fampianaran’i Jesoa Kristy milaza io olona tsy mahazo henatra amin’ny asany io ihany koa dia mira lenta amin’izany ihany satria ny azy ny valin’asa dia ao amin’ilay fanjakan’Andriamanitra ihany ary ny olona voazaha-toetra no hitenenany hoe :

« Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin-kely ianao dia tendrena mpanapaka ny be fa ny olona tsy voazaha-toetra tsy mba hahazo izany teny mamy izany satria ho menatra manoloana ny asany izy, hahazo henatra manoloana ny asany izy ka ho tenenina hoe mialà teto ianao, mivoaha any ivelany ary any no hisian’ny fitomaniana sy ny fikotroha-nify, any no misy ny fahamenàrana« .

Ny olona voazaha-toetra dia mamoka teny tsara momba ny fampianarana mari-pototra

Fa ny faha-telo hitantsika ato anatin’ity olona voazaha toetra ity dia ny hoe ahoana moa no fomba hanaporofonao any amin’ny fiaraha-monina hoe olona voazaha toetra tokoa ianao fa tsy lazalazaina fotsiny eo na misora-tena atao voatango ny olona anankiray fa valian’izao andinin’ny soratra masina izao hoe :

« Ny olona voazaha-toetra dia mamoka teny tsara momba ny fampianarana mari-pototra »,

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra mba ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana mari-pototra »

Satria misy fampianaran-diso moa izany araka ilay voalaza tery aloha tao amin’ny tany izay noentin’i Timoty, saingy ny olona voazaha-toetra amin’ny finoana raha hanao teny ho entina manohitra izany fampianaran-diso izany dia tsy teny foana no entiny fa teny mari-pototra, ary ny teny mari-pototra amintsika dia ny Soratra Masina irery ihany.

Ary amin’ny maha-Fiangonana Protestanta Réformée antsika moa dia misy ilay teny faneva anankiray lehibe hoe « Soratra Masina irery ihany »

Hafatra

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo, izany ihany koa no hafatra ampitain’ny Apostoly dia ny hoe : « Raha misy miteny dia aoka izy hiteny toy ny milaza ny tenin’Andriamanitra » ary izany tenin’Andriamanitra izany no fampianarana mari-pototra izay iainantsika amin’izao fivavahana arahantsika izao.

Amin’ny fotoana rehetra izay ahatsiarovan’ny olona iray tena hoe miteniteny foana izy dia afaka mitsara ny tenany izy hoe izaho izany toa mbola tsy voazaha-toetra amin’ny finoana satria manjary miteniteny foana aho ka tsy ilay teny mari-pototra, tsy ilay teny avy ao amin’ny soratra masina, tsy ilay teny mendrika ho an’ilay olona voazaha-toetra no avokako.

Ry havana malala rehetra ao amin’ny Tompo ô, raha olona mbola tsy voazaha-toetra amin’ny finoana àry ianao mandre izao toriteny izao dia mikeleza aina, ataovy izay rehetra mety takian’ny Tompo ary takian’ny Fiangonana fa amin’izany dia omem-boninahitra ianao noho ny asa izay ataonao ary ny asanao amin’izany moa dia tsy inona fa ny fanompoana an’Andriamanitra.

Ary rehefa omem-boninahitra amin’izany ianao dia handova ilay fanjakan’Andriamanitra ary eny amin’ny fiaraha-monina dia tsy mba anisan’ireo mpiteniteny foana fa hiteny tsara, hiteny ny fampianarana mari-pototra ka ahatonga ny olona izay mandre azy ho isan’ny eo amin’ny valan’Andriamanitra indray handovany ihany koa ny teny fikasàna ny amin’ny fiainana mandrakizay,

« Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason’Andriamanitra ka ho mpiasa tsy mahazo henatra eo amin’ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana mari-pototra ». Amen.

Mpitandrina mizaha-draharaha Harry


Lire aussi

24/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana

Alahady 24 martsa 2024, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina RAKOTONAVALONA Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra, araka ny Malakia 2; 5-6 « 5Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ny anarako izy. 6Ny

17/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fiainam-panekena miaraka @ Andriamanitra

Alahady 17 martsa 2024, nitondrana am-bavaka ny SAF FJKM noho ny ivon’ny Jobily faha-50 taona niorenany, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Ny mpitandrina ANDRIAMAMPIANINTSOA Gershom Daniel avy ao @ FJKM Faravohitra no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Mpitsara 1;1-5 : 1Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany

10/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra

Alahady 10 martsa 2024, alahady faha-4 @ Karemy, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo », nitondran’ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora ny hafatr’Andriamanitra araka ny Eksodosy 6 : 2-8 : « Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3ary tamin’ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’i Abrahama sy Isaka ary

03/03/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Manorina ny fanekeny ny Tompo

Alahady 03 Marsa 2024, alahady fahatelo @ karemy, andinihina lohahevitra vaovao manao hoe « Manorina ny fanekeny ny Tompo« . Dr Jean Andriamarohasina Ravalitera, mpitandrina misotro ronono avy ao La Réunion no nitondra ny hafatr’Andriamanitra tamin’izany

25/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

…tsy mba hanaja ny rainy akory izy.

Alahady 25 febroary 2024, alahady faharoa @ karemy, nandinihina farany ny lohahevitra manao hoe « Mampitandrina @ didiny Andriamanitra ». Ny mpitandrina Rakotonavalona Maholy avy ao @ FJKM Ambohitantely no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 15 : 5  » Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: Efa

18/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ilay zanaka adala

Alahady 18 Febroary 2024, alahady voalohany @ vanim-potoanan’ny karemy, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , natokana hitondrana am-bavaka ny Arsiva sy tranom-bakoka manerana ny FJKM. Ny mpitandrina miza-draharaha Andriamifidy Miora no nitondra ny tenin’Andriamanitra araka ny Lioka 15 : 25-32 «  25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby

11/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Andeha hiaina @ fahamarinana

Alahady 11 febroary 2024, alahadin’ny Baiboly, mbola andinihina ny lohahevitra hoe « Mampitandrina @didiny Andriamanitra« , izay nitondran’ny mpitandrina Andriamasinoro Fidimalala ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5:20  » Fa lazaiko aminareo: Raha tsy mihoatra noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fahamarinanareo, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo « 

04/02/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy

Alahady 04 Febroary 2024, ankalazana ny faha-40 taonan’ny Asa fitoriana Filazantsara ho an’ny Zatovo sy Ankizy (AFFA), ka andinihin’ny FJKM lohahevitra vaovao @ity volana ity manao hoe « Mampitandrina amin’ny didiny Andriamanitra« . Ny mpitandrina Ranaivoson Andry no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Jeremia 1 : 4-8 « Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:5Hatry ny fony ianao tsy

28/01/2024 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily

Alahady 28 janoary 2024, fanokafana ny Jobily faha-75 taonan’ny Sampana Mpanazava sy Tily (SAMPATI), mbola andinihin’ny FJKM ny lohahevitra hoe « Lehibe ny voninahitry ny Tompo ». Ny mpitandrina Ranarimalala Nirina Harisoa no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny Matio 5 : 16 : « 16Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo mba hahitany ny asa

16/01/2024 A la une . Antso sy filazana

Hafatra ho an’ny Mpandray – fifidianana Diakona 2024

Mifarana ny alahady faha-28 janoary 2024 ny fanavaozana ny karatra hiatrehana ny fifidianana Diakona. Hamarino ary fa any aminao ny karatra maha-mpandray miloko fotsy. Raha toa tsy mbola manana ianao dia ento ny sary roa ny alahady faha-28 janoary hahafahana manavao ny karatrao.