FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 24 Janoary 2010, alahadin'ny Zanaka am-pielezana – Tena fantatsika ve Jesoa Kristy

Toriteny Alahady 24 Janoary 2010, alahadin'ny Zanaka am-pielezana – Tena fantatsika ve Jesoa Kristy

Publié le 08 février 2010 à 12:02

Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompontsika, amen.

Ny ao amin’ny filazantsaran’i Matio 16 : 13-19 no angalana ny hafatra anio ary hiompana amin’ny fanontaniana hoe : « Tena fantatsika ve Jesoa Kristy?« 

Raha jerentsika ny andininy 13-15, dia misy fiheveran’ny olona maro hoe Kristy izany anie ka :
– Jaona mpanao batisa
– Elia hoy ny sasany
– Anankiray amin’ireo mpaminany hoy ny sasany
– … tsy fantatra loatra hoe iza moa i Kristy

Ary mandrak’ankehitriny dia mbola be no manontany hoe Iza moa Kristy?
Asa raha ianao io, inona no valinteny omenao. Fa tena fanontaniana tsy azo hidivirana ny hoe « Fantatsika ve Kristy? »

Fantatrao ve izay arahinao?

Fa manoloana an’izay, nitodika tamin’ny mpianatra kosa Jesoa : « Ary ianareo, manao Ahy ho iza? »

Antony roa no voalazan’ny mpandinika no mahatonga an’i Jesoa hanontany :
1 – te hanamafy ny finoana
2 – te hametraka i Jesoa hoe : « O ry ‘zalahy a, fantatrareo marina moa ‘ty arahinareo ‘ty? Fa hisy ady mafy hanjoa anareo, hisy zavatra sarotra hiatra aminareo. Ka raha handalo zava-tsarotra sy fisedrana nefa tsy fantatra akory izay arahina dia ho reraka, ho lany andro fotsiny ihany.

Ka tsy tian’ny Tompo ny fiheverana ny olona lany andro, ny mandeha « fa ho any, fa ho any », fa apetrany tsara hoe « Iza moa ity arahinareo ity »?

Tsy hoe fanatitranterana fotsiny ihany, fa fantatry ny Tompo tsara fa hisy zavatra hiatra amin’ny fanarahan-dia ny Tompo ka hoy izy « Fantatrareo ve izay inoanareo? »
Dia mitodika amintsika koa : ny Tompo tsy milaza hoe « rehefa miaraka amiko ianao dia tsy misy ny olana »; tsia.

Tsy maintsy misy ny fisedrana, ny ady lalovana, ka raha tsy fantatrao ny tena maha-Kristy an’i Kristy dia ho reraka ianao.

Fijoroana vavolombelona : ramatoa maty zanaka sy vady

Tsaroako, tamin’ny toerana anankiray, nandalo fahoriana ilay olona anankiray fa maty ny vadiny dia avy eo maty ny zanany lahy tokana. Dia raha nitomany izy dia tsy nataony hitan’ny olona akory ilay tomaniny fa tao anatin’ny mangina tao. Toa tsy rototra, toa tsy taitra akory izy, dia nametra-panontaniana ny olona satria gaga : « Fa maninona ianao no tsy taitra kely akory? Fa maninona ianao no tsy rototra kely akory? Fa maninona ianao no tsy mihorohoro? Fa maninona ianao no tsy manontany hoe dia ahoana ny ampitso?…

Nitsiky ilay ramatoa ary namaly hoe : « Satria fantatro izay inoako. Mandeha amin’ny fahafantarana aho ary tsy hamela ahy irery izao Jesoa izao raha mbola tany koa ny tany »

Mpanara-dia ny Tompo

Izy ity moa rehefa mbola tsy misy ny olana dia mbola samy be resaka daholo, fa rehefa  tena mandalo zava-tsarotra mihavaka amin’izay : iza no tena mahalala ny Tompo? Iza no manaranara-poana?

Ary raha jerenareo ny Baiboly dia eto no fanambarana ofisialy sy manezinezina ary ampahibemaso nataon’ny mpianatra voalohany hoe : « Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona ».

Fa talohan’izay zany dia nanara-dia ny Tompo ny mpianatra, fa mbola tsy nanao filazana ampahibemaso hoe : « Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona ».  Tahaka ny olona mbola tsy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo io; manara-dia ny Tompo fa mbola tsy nilaza ampahibemaso hoe : « Izaho dia manaiky marina sy mino fa Jesoa no Tompo sy Mpamonjy ahy ».

Dia toy izany ny sarin’ny mpandinika : taloha ny mpianatra dia tahaka ilay olona niambina fa mbola tsy Mpandray ny Fanasan’ny Tompo, manao ny fomba fanao.
Fa hafa kosa ireo tena milaza fa mino an’i Kristy. Ary ny ny Andriamanita velona izay tompointsika dia Zanak’Andriamanitra velona.

Velona ao aminao ve Jesoa?

Tsapan’ny fiainanao ve fa velona Andriamanitra e? Sa mitovy amin’ny olona rehetra ihany ianao miatrika ny fiainana? Mba hita soritra eny amin’ny tsikinao ve fa velona Andriamanitra? Sa ianao koa ilay miketron-dava, mora antitra, miandry ny higadonan’ny fahafatesana fotsiny? Misy ange ny olona ohatr’izany e! Tonga ny maraina dia vohaina ny trano dia misasa, dia misakafo dia lasa miasa dia mihazakazaka be any, dia tezitra ny hariva, dia reradreraka, dia matory, dia…. Inona tsy miandry fahafatesana ve izany? …satria tsy mandeha amin’ny finoana.
Ka ianao, raha tena velona ao anatinao ny Tompo, raha sahy manao fanambarana ampahibemaso ianao fa « Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona », ataovy hita amin’ny fiainanao fa velona Andriamanitra ka manana fanantenana ianao fa tsy hihonona amin’ny toerana izay misy anao.

Petera

Rehefa tena mahalala an’i Jesoa Krsity marina ianao, dia ianao no atao hoe Petera.
Inona moa no atao hoe Petera? Petera dia midika hoe « ilay vatolampy, ilay vato ».

Ianao izay tena nahafantatra izay inoanao, izay afaka mamaly amin’ny fotoana reheta hoe « Tena velona ilay inoako, tena velona Ilay Andriamanitra ivavahako », dia ianao no vatolampy. Ary ny fiangonana no atao hoe petera eto. Ny fiangonana no manana ny fanalahidy.
Ao amin’ny fiangonana no misy ny famelan-keloka, ao amin’ny fiangonana no toriana ny famonjena.

Ilay Fanalahidy

Koa mipetraka ary ny fanontaniana hoe : « any aminao any, inona no fanalahidy? » Sao dia ny fanalahidin’ny trano sy ny fiara fotsiny no hanananao? Sao dia tsy hanananao ilay fanalahidin’ny Fanjakan’ny lanitra e? Sao diso fidirana ianao?

Ny fanalahidy tsotra dia rehefa maty ianao dia mijanona iny; fa ilay fanalahidin’ny fiainana kosa dia ianao fiangonana, ianao ilay mahafantatra an’i Krsity, ianao mihitsy ilay fanalahidy hitory famonjena, hitory fanafahana.

Ry havako, fahefana lehibe no nomen’ny Tompo ny fiangonana, fa izay fehezintsika dia hofehezina any an-danitra. Izany hoe izay rehetra itoriantsika famonjena, dia tsy ety an-tany fotsiny izy no voavonjy fa any an-danitra koa. Ary ireo izay mandà, dia tsy hisy famonjena ho azy satria tsy ilay lakile tena izy no any aminy.
Fa tokana ny fanalahidy : ny fahafantaranao an’i Kristy ary hiorina aminao ny fahefana ho amin’ny famelan-keloka.
Ry zanaka am-pielezana Ambavahadimitafo, ry FJKM Ambavahadimitafo, aiza ny fanalahidinao?
Fa tsy tafiditra ny fanjakan’ny lanitra ianao raha tsy hanananao ny tena fahafantarana marina an’i Kristy, ilay Andriamanitra velona.

Fijoroana vavolombelona nataon’ny mpitoriteny

Misy fiangonana ahorinay any Andranomandry, 15Km mankany Anosy Beanala. Ny mponina any amin’ny resaka « gris-gris » dia tena tompony mihitsy; ary mahavita fahagagana ny devoly an! Tena mahavita! Izaho tsy hitantara izay zava-bitan’ny devoly, tsy izany no zava-dehibe.

Dia hotoriana ny filazantsara  : vao mandeha amin’ilay tetezana aloha dia efa hazo tokana roa mampatahotra; eo afovoany ianao dia efa matahotra satria mihozongozona dia manao hoe « Andriamanitro ô mba tantano », satria raha latsaka ao anaty rano dia efa hafa ny dikan’ny hoe pasitera latsaka ao anaty rano. Zava-doza no dikan’izay ho an’ny olona. Ohatr’ilay any Tsiroanomandidy misy atao hoe « Ankadin’i mopera », satria nianjera tao ny 4X4 an’i môpera. Ka raha nianjera tao ny pasitera dia ho lasa hoe « Ranon’i pasitera ». Eo dia manomboka ny ady atrehina.

Vita ny vavaka dia izao indray no fanenjehana azo avy eo : « Iny pasitera iny mpangalatra taolam-paty, ataontsika afaka ny ain’iny, ataontsika tsy tonga aty intsony iny ».
Nefa …hanananay ny lakile, tonga izahay nitory ny anaran’ny Tompo. Avy eo nangina satria fantatsika Kristy, Ilay tsy mba mitaredretra amin’ny fitantanana ny olo-marina.

Fa ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany

Ry havana, enga anie ka tsy isika intsony no hanao hoe « ho an’izay andriamanitra tsy fantatra ». Fa enga anie ho fantatrao ilay Kristy namonjy anao, Ilay tompon’ny fahefana, ilay tompon’ny tantara, Ilay niteny hoe « fa ny zanako sy ny asan’ny tanako dia aoka ho adidiko ihany ».
Ho famaranana ary dia samy hifandray tànana isika ka hanao hoe « Arahabaina r’ise a, fa nahazo ny lakilen’ny fanjakan’ny lanitra isika »

Amen

RAKOTOARISON Solofo, mpitandrina


Lire aussi

04/06/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Sekoly Taninketsa . Toriteny

Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo

Alahdy 04 Jona 2023, alahady fetin’ny reny, nifampizarana niaraka tamin’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain ny Jaona 8:36 « Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo » sady nanoloran’ny Sekoly Taninketsa ny amboaran-kira ho an’i neny. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izana :

03/06/2023 A la une . AMA . Antso sy filazana . Vaovao

AMA : Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina

Ao anatin’ny fankalazan’ny « ANTOKO MPIHIRA AMBAVAHADIMITAFO (AMA) ny faha-45 taonany dia mikarakara konfersansa izy ireo, miompana @ lohahevitra hoe « Tanoran’ny FJKM mandray andraikitra hahatontosa ny vina : Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara, Filazantsara hanova ny tantara » Koa fandriho ny Sabotsy 17 jona @ 3 ora tolak’andro eto am-piangonana. Aza adino ny misoratra anarana @ tél

28/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Pentekosta 2023

Alahady 28 mey 2023, alahady pentekosta, mbola ibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra Asan’ny Apostoly 2 : 1,4a  » Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ny fitoerana iray izy rehetra… 4Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra « . Andeha hiombona amin’izany

21/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fankalazana ny faha-160 taona

Alahady 21 mey 2023, nankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-160 taona ny FJKM Ambavahadimitafo niombonana tamin’ny FJKM Foibe sy ny Synodam-paritany Antananarivo Atsinanana . Ny teny faneva no nangalàna ny hafatr’Andriamanitra avy amin’ny Hagay 2 : 9b « ary eto amin’ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro ». Tamin’ity fotoana ity no :– nihiràna ny

14/05/2023 A la une . Antsan'Ambavahadimitafo . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 14 mey 2023 : SLK sy toriteny an-kira Antsan’Ambavahadimitafo

Alahady 14 mey 2023, nitondrana am-bavaka ny Sampana Lehilahy Kristiana eto anivon’ny FJKM, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina » mandritra ity volana mey ity. Ny « Antsan’Ambavahadimitafo » no nanatanteraka toriteny an-kira araka ny fizaràna efatra manaraka : Asan’ny Apostoly 1 : 1-8 : « 1Ry Teofilo, ilay boky voalohany dia nosoratako ny amin’izay

09/05/2023 A la une . Antso sy filazana . Vaovaom-piangonana

Fitsangatsanganana Pentekosta 2023

« Ary eto amin’ity toerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » Hagay 2,9b Ny Alatsinainy 29 Mai 2023 no hanataterahantsika eny Antsofinondry ny fitsangatsaganan’ny FJKM Ambavahadimitafo ka hanasàna antsika mpianakavin’ny finoana tsy an-kanàvaka. Ny fotoanantsika iaingana dia eny @ CEG Antanimbarinandriana manomboka @ 6ora 30 ka hiainga @ 7h30, ny fiverenana kosa dia @

07/05/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako

Alahady 07 mey 2023, nanatanterahin’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra ny vokatra, andinihina lohahevitra vaovao mandritra ity volana ity manao hoe « Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina ». Ny mpitandrina miza-draharaha no nitondra ny Tenin’Andriamanitra araka ny Jaona 14 : 25 – 26 « 25Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho; 26fa ny Mpananatra, dia ny

30/04/2023 A la une . AFF . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady fanokafana ny taom-piasàna – Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023

Alahady 30 aprily 2023, fanokafana ny taom-piasàna Asa Fitoriana Filazantsara (AFF) 2023, hibanjinana farany @ity volana ity ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo« . Ny mpitandrina Ramamonjiarisoa Robert no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jaona 21 : 15:29  » Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’i Simona Petera: Simona, zanak’i Jaona, moa ny

23/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady Fetin’ny Fahazavàna AFFA 2023

Alahady 23 aprily 2023, alahady faharoa manaraka ny Paska, niderana an’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny Fetin’ny Fahazavàna notanterahin’ny Asa Fitoriana Filazantsara ho an’ny Ankizy sy zatovo (AFFA) ho solon’ny toriteny. Mbola anatin’ny lohahevitra hatrany isika hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo ». Andeha hiombona ho amin’izany fotoam-pivavahana izany :

16/04/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino

Alahady 16 aprily 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Ny herin’ny fitsanganan’ny Tompo », nankalazana ny faha-60 taona nijoroan’ny FIkambanan’ny Tanora Zokiny (FKTZo), ary koa nanavaozan’ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona ny fanoloran-tenany tamin’ny alàlan’ny vokatra. Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra araka ny I Timoty 4 ; 10  » Fa izany no ikelezanay aina