FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny Alahady 22 Novambra 2009 – Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana

Toriteny Alahady 22 Novambra 2009 – Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana

Publié le 08 février 2010 à 12:02

Hiaraka hivavaka isika tompoko.
“Ry Andriamanitra Tomponay o, tonga eo amin’ny fanazavana ny teninao izahay. Koa omeo anay ry Tompo ny fahazavantsaina, hitombon’ny finoanay Anao, mba hanahafanay anao eo amin’ny asa tsara rehetra. Misaotra Tompo o. Amen.”

“Raha misy tsy mety miasa, dia aoka izy tsy hihinana” (II Tes. 3: 10b). Anisan’ny fehezan-teny malaza sy hentitra nataon’i Paoly izany fehezan-teny izany, izay hita ao anatin’ny Bokin’ny Tesalonianina, izay novakiantsika teo. Teny hentitra, nefa kosa ialohavan’ny ohatra velona, izany fananarana izany. Ialohavan’ny ohatra velona satria hitantsika ery amin’ny andininy faha-7 ka hatramin’ny faha-9, dia milaza ny fiainana nataon’ i Paoly Apostoly teo amin’ny nitoriany teny tany Tesalonita. Hoy izy ao hoe: “eny, fantatrareo izay tokony hataonareo, hanahafanareo anay. Tsy olona kamo izahay fony taty aminareo. Tsy nihinana ny sakafon’olona maimaim-pona izahay fa nikely aina sy nisasatra, niasa andro aman’alina mba tsy hanahirana na dia ny iray aminareo aza. Izany no nataonay dia tsy hoe tsy manan-jo handray fanampiana avy aminareo izahay, fa mba hanomezanay ohatra hotahafinareo.”

Ny nahatonga an’i Paoly nananatra momba ny asa

Anisan’ny zavatra tsy eken’ny sain’ny olombelona tokoa ry havana, ny mihaino fananarana tsara lahatra, voarindra milamindamina tsara, nefa ilay manome ny fananarana tsy amin’izany akory, na tsy miaina amin’izany mihitsy. Io ilay hatao hoe: “lazain’ny vava hafa, fa ny hataon’ny tena hafa.” Fa hitantsika eto amin’ny nataon’I Paoly kosa dia tsy mba toy izany. Ohatra no hitantsika voalohany. Fa inona tokoa moa no nahatonga ity resaka ity hoe: “raha tsy miasa, aoka tsy hihinana ity?” Ny antony dia nisy fampianarana nataon’I Paoly Apostoly momba ny fihavian’ny Tompo. Ho avy tsy ho ela ny Tompo. Nisy ny nandray izany ho rahampitso dia rahampitso. Misy mihitsy aza ny sasany efa nilaza fa efa tonga io andro io. Ary dia nampisahotaka ny Kristianina teo Tesalonita izany hevitra nateraky ny fandraisana vilana ny fampianarana natao izay. Vokany: ao ny tsy niasa intsony, fa dia nanao tati-reraka tamin’izay mbola niasa. Koa adidin’ny mpitory ny nanao fanazavana ho fanitsiana ny hevi-diso nisy tetsy sy teroa. Ambon’izany ihany koa, izay tsy lavina ny fisiana, dia misy dia misy ireo olona izay hita fa kamo miasa tsotra izao eo amin’ny fiainana, ka mila fananarana. Nisy izany tamin’izany vanim-potoana izany, ary dia mbola misy amin’izao andro hiainantsika izao.

Andriaminatra dia ohatra ho antsika satria miasa tsy ankiato izy
Hoy isika tery ambony hoe, nanome ohatra narahana hita-maso tokoa ny Apostoly Paoly vao nananatra. Tsy izy irery ihany no manome ohatra toy izany, fa na dia ny Raintsika izay any an-danitra aza dia miasa, ary miasa tsy ankiato. Hoy ny teny novakiantsika tamin’ny fiderana teo tao amin’ny Salamo 92: “Ny asan’ny tànanao no hiobiako, Jehovah o, akory ny alehiben’ny asanao. Lalina indrindra ny fisainanao.”

Miasa tsy ankiato Andriamanitra. Misy amin’ireny asany ireny hitan’ny masontsika, fa misy ny maro no eritreretin’olombelona fa misy, mandeha ho azy fotsiny izao. Andeha ange haka ohatra tsotra fotsiny isika. Raha sanatria tsy homen’Andriamanitra rivotra isika ao anatin’ny fotoana fohifohy, ho azontsika eritreretina ve ny zava-mitranga eo amin’ny zava-manan’aina rehetra amin’izany tsy fisian’ny rivotra izany manerana izao tontolo izao? Tsy haintsika ny maminany an’izany. Iray fotsiny izay noresahintsika izay, fa maro dia maro ny asan’Andriamanitra izay tsy ho voatanisa. Ny antony: ilaintsika izany, na ny hatsarany, na ny halehibeny, na ny hasoavana azo avy aminy. Koa raha eken’ny saintsika fa miasa tokoa izany Andriamanitra hivavahantsika izany, raha ekentsika fa miasa toy izany ny Raintsika izay harahintsika, nahoana moa isika no tsy mba manahaka azy? Nahoana isika no tsy miasa tahaka azy? Sady voninahitra ho an’ny Tompo izany, no miteraka vokantsoa ho antsika. Sady haja ho an’ny Tompo izany, no manatsara ny antom-pivelomantsika rahateo.

Sakaizan’ny devoly ny olona kamo miasa

Ambon’izany tsy azo lavina ry havana dia ity, rehefa kamo tsy miasa ny olona, dia lasa sakaizan’ny devoly. Lasa fitaovana mahomby an’ny devoly ka hainy tsara ny mampiasa antsika amin’ny hevi-petsy rehetra, toy ny halatra, fanodikodinantsaina, ny toetra ratsy isan-karazany, ary dia tsy hamelany izay azony amin’izany raha tsy namany ety an-tany, sady tongany ery amin’ny farihy mirehitra afo. Very tanteraka ilay fiainan-tsambatra mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra niriana ho azo.

Ny asa nanirahan’ny Tompo ataontsika

Koa satria efa miresaka an’io fiainan-tsambatra iriana ho azo io ihany isika, dia ankoatra ny asa ataontsika andavanandro, dia misy asa asain’ny Tompo hatao, hanomezany antsika indrindra io fiainana mandrakizay io. Hoy ny voasoratra ao amin’ny Jaona efa novakiantsika teo hoe: “Izaho no naniraka anareo hijinja izay tsy nisasaranareo; olon-kafa no nisasatra, fa hianareo kosa no niditra teo amin’ny nisasarany. (Jaona 4: 38) “Izay mijinja dia mandray karama ka mamory vokatra amin’ny fiainana maharitra mandrakizay, mba hiara-mifaly ny mpamafy sy ny mpijinja.” (Jaona 4: 36)

Tsy eo amin’io toky sy andininy io ihany no hahitana an’i Jesoa maniraka, fa i Matio koa dia efa nanoratra hoe: “ Mandehana hianareo ka ataovy mpianatro ny firenena rehetra,” sns. Misy tokoa ny asa asain’ny Tompo ataontsika, asa ambonin’ny asa fivelomana andavanandro, dia ny asa fitoriana ny Tenin’Andriamanitra, ny asa fanompoana hahatonga ny olona hino ilay Jesoa Kristy nitondra ny famonjena, asa ho famoriana ny ondrin’ny Tompo hanaiky sy hino, fa Jesoa no Tompo sy mpamonjy, asam-piambenana, mampianatra ny rehetra hitandrina ny didin’Andriamanitra mandrapahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

Ry havana, misahirana tokoa isika mianakavy manomana ny asa andavanandro, hivelomantsika mandritra ny fitopolo na valopolo taona. Vao kely mahay miresaka ny zanaka dia tarihina hahay sy hianatra hanomana izany fiainana izany. Ary tsy mitsahatra izany fianarana izany, eny fa na dia efa manana ny asa aza. Ao ny fiofanana isan-karazany, maika moa fa izany hoe hanomana ny fiainana mandrakizay izany. Hiara hiaiky isika mianakavy fa ambony lavitra noho ny fanomamantsika ny fiainana ety ambonin’ny tany izany fanomanana ny fiainana amin’ny tsy hita maso izany.

Famaranana: ny tantaran’an-dRamatoa Yvette

Hamaranana izao toriteny izao ry havana dia tantara marina ity entiko aminao ity. Miara-miasa aminay eo amin’ny zanakam-pielezana misy anay any ambanivohitra nihaviana ry havana dia misy ramatoa iray izay tena mafana fo dia mafana fo: Yvette no anarany. Nijoro vavolombena taminay izy indray andro, ary dia nitantara ny zava-nisy teo amin’ny fiainany. FJKM izy teo aloha, saingy noho ny fanambadiana, dia lasa FLM. Tany amin’ny FLM tany izy dia lasa fifohazana, ary dia tonga mpiandry. Amin’izany toerana misy azy izany anefa dia mbola mpifoka sigara be tsy misy ohatran’izany izy. Indray andro, nolazain’ny Pasitera izy fa anjarany ny mitory teny. “Tampoka,” hoy izy. Ary dia nandà mafy izy, nefa moa dia nanaiky ihany taty aoriana. Mialoha ny hanaovany toriteny anefa dia lasa izy nivoaka tany antokotany tany aloha. Hanao inona? Hifoka sigara, ary dia nahalany sigara roa izy vao niditra. Vao teo ampamakiana ny teny hotoriana izy dia safotra. Ary izy safotra iny dia nandritra ny dimy andro. Hoy isika hoe dans le coma. Tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena izay, dia hitany tsara daholo izy niakatra tery ambony tery. Hitany tsara ny mpitsabo nikarakara, ny havana mikarakara mivezivezy etsy sy eroa. Izy dia lasa niakatra ambony dia ambony ihany. Nahita faritra maro teto Madagasikara mbola tsy hitany izy, ary dia hitany hatramin’ny Nosy Maurice aza hoy izy. Mbola niakatra ihany izy, satria efa nanan-janaka anankiray efa maty, ary dia tany ambony tany izy dia nahita olona be dia be velona. Nitady ny zanako aho hoy izy, nefa tsy hita ny zanako. Ny zavatra nanaitra azy dia karazana olona roa. Ny anankiray miakanjo mainty, ny anankiray miakanjo fotsy. Ireo miakanjo mainty dia manosika azy hiditra ao anaty lavaka mangitsokitsoka. Ary ny miakanjo fotsy dia miaro azy tsy ho latsaka ao anatin’izany lavaka izany. Nifanosehan’ireo karazana olona roa ireo izy, ary niafarany dia niantso vonjy hoe: “Vonjeo aho Jesosy o!”
Tamin’izay fotoana izay dia nihetsika ny vatany tao amin’ny salle de réanimation. Ary dia nanomboka teo ny fahavelomany. Tamin’ny fotoana nahatsiarovany tena dia ankoatra ny fianakaviany akaiky, ny olona hitany dia ny Pastera teny ambanivohitra. Rehefa nody tany an-trano izy, satria tapaka lalan-drà moa i ramatoa, dia rera-dreraka ihany na dia efa nody aza, dia noferana ny olona mamangy. Indray andro dia nilaza ny mpanampy azy fa hoe: “misy olona tonga ao Madama hamangy anao.” Tonga izy dia niteny hoe: “ampidiro ireo olona anankiroa ireo fa fantatro ireo. Pasitera any ambanivohitra io miaraka amin’ny loholona lehibe eny an-tanàna.” Taitra ilay mpanampy hoe mbola olombelona ihany ve ity miresaka amiko ity sa efa inona? Satria voatonon’i Ramatoa teo ampandriana daholo na ny fitafiana hanaovany na ny fihetsiny. Dia nampidirina ilay olona. Rehefa tonga tao izy dia tonga saina izy avy eo. Misy raharaha ilàn’ny Tompo ahy eny an-tanindrazana. Noho izany dia hiasa ho an’ny tanindrazana aho ankoatra ny asako eto amin’ny FLM.

Dia tena niasa manao araka izay tena azony hatao tokoa izy amin’izany asa fanompoana izany. Na dia efa mitarika aza ny tongony, dia mbola mandeha ihany izy. Ireo tany hitany tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tenany, dia nentin’ny vadiny hijery an’ireo izy, ary dia tena gaga izy fa ireo mihitsy ilay tanàna hitany. Nentina tany Maurice izy, dia “ireto mihitsy ilay tanàna efa hitako.” Ary dia nahatsiaro izy fa hoe nokapohan’Andriamanitra, fa nisy toetra tsy nety nataoko. Dia izao  hanokatena amin’izany fanompoana an’Andriamanitra izany. Ny sigara moa dia najanony tanteraka, satria hoy izy hoe: “io no toetra tsy mendrika nataoko teo amin’ny asa fitoriana nataoko.”

Ry havana, mety efa nahita an’io kasety io ianao satria efa navoakany kasety mihitsy io. Ny antony dia mba ny iantsoana ny olona hivavaka amin’Andriamanitra, hino, ary hanao ny asan’ny Tompo.

Aza miandry famaizana vao miasa

Ny lesona azontsika raisina amin’izany dia ny tokony hanavaontsika ny asan’Andriamanitra fa tsy miandry famaizana akory. Koa mahereza ary amin’ny asan’ny Tompo, fa hoy ny famintinana hita ao amin’ny perikopa izay efa novakiana tamintsika in-betsaka hoe: “Marina amin’ny asany ny mpino.” Amen

 


Lire aussi

05/02/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho

Alahady 05 febroary 2023, andinihina ny lohahevitra FJKM amin’ity volana ity manao hoe « Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra« . Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Zakaria 1:3 «  3Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro: Miverena amiko hianareo, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho, hoy

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :

01/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Taombaovao 2023 : Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny… hiasa sy hitandrina azy

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao ary matokia Azy fa ataony tanteraka izany. Miarahaba anao nahatratra izao taona vaovao izao ka mirary soa anao ho fenoin’ny Tompo ny fitahiany Tompo ianao mandritra izao taona 2023 izao. Alahady 01 Janoary 2023, andro voalohany, alahady voalohany amin’ity taona 2023 ity, andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe

25/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Noely 2022 : Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao

« Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao », Lioka 1:28 Arahabaina ianao nahatratra izao Krismasy 2022 izao, mbola hibanjinantsika ny lohahevitra hatrany hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ». Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana krismasy izany :

22/12/2022 A la une . AMA . Antso sy filazana

Noely 2022 : Ny hatsarany

Atolotry ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo ny Sabotsy 24 desambra 2022 @ 06.30 ora hariva, antsan-kira Noely 2022 mitondra ny lohateny hoe « Ny hatsarany ». Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany eny @ FJKM Ambavahadimitafo. Mirary krismasy sambatra !

18/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Katekomena . Toriteny

Alahady fanokanana Katekomena « Sandratra 2022 »

Alahady 18 desambra 2022, fotoana nanokanana ny katekomena andiany « Sandratra » teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Mbola anatin’ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ». Ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 32-40 no nanotoriana tamin’izany : « 32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana;

11/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy

Alahady 11 desambra 2022, natokana ho an’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra na Sekoly alahady manerana ny FJKM ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana« . Ny mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana, filohan’ny Sekoly Alahady Foibe no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 19:11-28 : « 11Raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka