FJKM Ambavahadimitafo

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara

Toriteny alahady 20 Septambra 2009 : Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay

Toriteny alahady 20 Septambra 2009 : Izay matoky an'i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay

Publié le 23 septembre 2009 à 12:09

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Tompontsika.

Ny tenin’Andriamanitra izay toriana amin’ity alahady maraina ity dia ny Salamo 125, 1-5 : 1 Fihirana fiakarana.

1Izay matoky an’i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema no anodidinan’i Jehovah ny olony Hatramin’izao ka ho mandrakizay

3 Fa tsy hitoetra eo amin’ny anjaran’ny marina ny tehim-panjakan’ny ratsy fanahy, Fandrao ny marina haninjitra ny tànany hanendry zava-dratsy.

4 Jehovah ô, manaova soa amin’ny tsara Sy ny mahitsy fo.

5 Fa izay mivily ho amin’ny sakeli-dalana mivilivily Dia horoahin’i Jehovah miaraka amin’ny mpanao ratsy anie. Fiadanana anie ho amin’ny Isiraely.

Raha vao mijery ity Salamo 125 ity isika dia mahita ny teny hoe : « Salamo Fiakarana », fa ny bokin’ny Salamo anefa dia anisan’ireo boky izay famovoizana aim-panahy be dia be ho an’ny kristianina, ary tsy vitsy ny olona mijoro vavolombelona hoe rehefa reraky ny fiainana avy any izy dia mamaky ny bokin’ny Salamo, satria ireo bokin’ny Salamo ireo dia nanehon’ireo zokintsika ara-panahy ny zavatra niainany teo amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra nandritra izay niarahany tamin’ny Tompo, ary izany indrindra no mahatonga azy hoe Salamo Fiakarana,

Tsy hoe rehefa làlana miakatra dia manao an’ity Salamo ity akory fa ny fisian’ny hevitra manao ambaratonga, izany hoe ny fiaingana tamin’ny kely indrindra ary tonga amin’izay be ; kely niha-nitombo teo nandritra ny fotoana izay niarahan’ny mpanompon’Andriamanitra izay nanoratra izao Salamo izao, ary dia izany indrindra no hitantsika amin’ity Salamo 125 ity satria miainga amin’ny hoe « mahatoky » ary miafara amin’ny hoe « fiadanana », dia misy ambaratongam-piainana miakatra raiketin’izao Salamo 125 izao.

Ny fanontaniana ezahantsika hovaliana ato anatin’ity toriteny ity sy hisintomantsika fiangonana fiainam-panahy vaovao indray dia ny hoe : Ahoana àry ny zotram-piainan’ny olona mahatoky izay hiafaràny any amin’ny fiadanana, ahoana ny fiantraikan’izany fahatokiana ny Tompo izany, eo amin’ny fiainan’ny olona anankiray ?

Andriamanitra miaro izay mahatoky Azy

Misy fomba fivavaky ny kristianina rehefa hatory amin’ny alina, ary matetika re izany, dia ny hoe : « aoka Tompo ô ireo anjely manodidina Anao hiaro anay amin’ity alina ity ».

Izany hoe te hahazo fahalemana izy ao anatin’ny torimaso, te hahazo fiadanana, mba hanavoizany hery vaovao indray ho entina miatrika ny rahampitso ary mila fiantohana mba tsy hiahiahy amin’izay alina ho lalovany fa hahatratra soamantsara indray ny maraina vaovao, tsisy fiahiahiana izany ao anatin’izany torimaso izany, te hametraka ny fiainany izy, te hiantso an’Andriamanitra izy hiaro azy amin’izay zavatra tsy hampoizina mety hitranga amin’izany alina izany.

Ary raha eo amin’ny fiainana andavan’andro dia fanaon’ny olona ihany koa ny mametraka izay zavatra heveriny ho mafy eo amin’ny fiainany eo amin’Andriamanitra, izay heveriny ho mafy ihany satria indraindray izy dia mieritreritra hoe vitako izaho samirery ity ka tsy dia hilàna mpanampy na dia Andriamanitra aza satria Andriamanitra rahateo moa afaka miaritra izany zavatra mafy izany.

Anefa ao amin’ity Salamo 125 ity dia toetran’Andriamanitra mihitsy ny manao tahaka izany dia « miaro izay mahatoky Azy ».

Saingy mba ahazoana izany fiarovan’Andriamanitra izany dia takiana ny hoe « mahatoky », izany hoe tsy mihetsika ny toetra mandrakizay.

Tendrombohitra moa no hanoharana azy eto, dia tendrombohitra izay eo n’inon’inona zava-miseho na horohoron-tany io na oram-panala io na kotroka na inona na inona dia ny tendrombohitra dia miorona eo. Ary eo amin’ny lafin’ny finoana dia ara-bakiteny mihitsy ny hoe mihantehatra amin’Andriamanitra irery ihany, tsy miala na inona na inona, ary tsy mametraka fepetra hoe ahatoky an’Andriamanitra aho raha izao, tsy mandeha mitady zavatra hafa hianteherana tahaka ny mahazatra antsika malagasy hoe mamonjy ombiasy na mandeha manompo eny amin’ny toerana malaza eny amin’ny tendrombohitra 12 sy ny ohatra izany, fa tena tahaka ny hoe tokam-po tahaka ny siny mihitsy izany ka tsy manankatao afa-tsy rano.

Dia tahaka izany ny atao hoe mahatoky, izay tsy mihantehatra na amin’inona na amin’inona afa-tsy amin’Andriamanitra irery ihany.

Fa eo anatrehan’izany zavatra rehetra izany kosa anefa Andriamanitra dia manao zavatra be dia be izay mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika raha toa ka mahatoky Azy isika dia ilay andininy faha 2 manao hoe : « Tahaka ny tendrombohitra manodidina an’i Jerosalema no anodidinan’i Jehovah ny olony ».

Ny zava-tsoa azon’ireo olona izay mahatoky an’Andriamanitra : Any amin’ny Salamo hafa moa dia lazainy hoe « bateria fiarovana » mihitsy Andriamanitra, ary izany moa dia ampiasaina amin’ny ady, manao vato mirakotra ny ao aloha, ary iny no miaro ny zana-tsipîka izay alefan’ny fahavalo avy eny aloha any ary ahafahana miembotra, ahafahana manohitra, ahafahana manao fanafihana vaovao ho an’ny fahavalo indray; toeram-pamaharana amin’ny fotoana rehetra Andriamanitra.

Amintsika malagasy moa ny famaritana ny miaramila dia mifanakaikikaiky amin’izay ihany, satria ny antsika ny miaramila dia lazaina hoe tandroka miaro ny vozona, ary dia tahaka izany mihitsy Andriamanitra eto hoe tendrombohitra miaro ny manodidina, any Jerosalema no hanodidinan’i Jehovah ny olony. Tena miaro azy, tena ara-bakiteny mihisy hoe manodidina eo Andriamanitra.

Tantaran’ny mpanompon’Andriamanitra

Fa mampahatsiaro fiovam-pon’ny mpanompon’Andriamanitra iray izany fahatokiana an’Andriamanitra sy valiny ataony izany. Ity mpanompon’Andriamanitra iray ity tsy mba mpivavaka, kanefa rehefa nandinika ny zava-boahary nanodidina azy izy tao anatin’ny cyclone dia nahatsiaro ny fahatokiana an’Andriamanitra sy izay nataony amin’izay mahatoky Azy izay.

Sendra nivoaka izy rehefa tapitra ny cyclone dia nahita ny faka teny an-tampon-tanety niongotra ny sasany ary mahita ny sasany tsy miongotra izay mbola mijoro ihany, Fantany tsara anefa fa ilay hazo izay mbola mijoro dia avy nahozongozon’ny rivotra teo ary teo no nahatakarany ny hatsaran’Andriamanitra manoloana izay mahatoky Azy satria ireo hazo ireo dia fakany manta teo amin’ny tany teo ihany. Samy nandefa ny fakany teo amin’ny tany ihany ary samy naniry, saingy rehefa avy ny rivotra dia nisy ny mianjera ary nisy ny mbola tafajoro.

Dia tahaka izany koa ny fahatokiana an’Andriamanitra, samy milaza mahatoky an’Andriamanitra ihany ny olona rehetra fa misy ny mahatoky amin’ny zavatra sasantsasany ary misy ny mahatoky amin’ny zavatra rehetra, misy ny eo ivelambelany fotsiny ihany ka rehefa tonga ny fitsapana sy ny rivotra izay mamely ny fiainany dia mety tafahongotra, fa misy kosa ny lalim-paka, miorina tsara, ka na inona na inona manjo azy eo amin’ny fiainana, ilay fahatokiana an’Andriamanitra tsy miova dia valin’Andriamanitra fiarovana ho azy.

Anisan’ny zavatra iainan’ny olona izay mahatoky an’Andriamanitra ry havana izany fiarovan’Andriamanitra izany, izay mahatoky an’Andriamanitra, miorina tsara, mamikotra tsara tsy miala amin’Andriamanitra no arovany, izany no takiana ary aorian’izay Andriamanitra kosa dia vonona hiaro sy hiandàny aminy.

 

Roahiny sy esorin’Andriamanitra ny ratsy rehetra mitady hanantona ny olona izay mahatoky Azy

Izany indrindra moa ny antoka ahafahana miala sy handroahan’Andriamanitra ny ratsy mba tsy hitoetra ao amin’izay mahatoky Azy araka ny andininy faha 3 satria ny fahefan’Andriamanitra mihitsy izay miaro ilay olona mahatoky Azy no manilika sy mandroaka ny ratsy ary tena miaro ara-bakiteny, araka izay voalaza teo aloha teo, ary indrindra indrindra miaro ilay mahatoky Azy tsy hivilivily hisaina ho amin’izay ratsy any.

Ny olona izay mahatoky ny fiarovan’Andriamanitra dia afaka amin’ny fakam-panahy ary tsy manao ny fanao ratsy. Fa inona tokoa moa ry havana ny antoka izay ahafahantsika manohitra ny fakam-panahy raha toa ka misy zavatra anankiroa milahatra eo, ny iray tsara ny iray ratsy? Fa amin’ny maha-nofo antsika zanak’olombelona dia hifidy ilay ratsy fa ilay Andriamanitra izay tsy mampitoetra ny tena fanjakanan’ny ratsy eo amin’izay mahatoky Azy dia manolo-tsaina sy manome toro-hevitra ny olona Izy mba hifidy ny tsara. Ary Andriamanitra ilay hiaro azy, ilay Mpiaro azy dia tsy hamela ny ratsy velively hanjaka eo amin’izay mahatoky Azy.

Ny zotram-piainan’ny mahatoky an’Andriamanitra faharoa izany, izay dingana ao amin’izay mahatoky an’Andriamanitra dia voaaro amin’ny ratsy ihany koa izy, ary indrindra ny andininy faha 4 sy faha 5 izay efa somary miendrika vavaka moa dia mbola maneho izany, milaza fa ny mahatoky an’Andriamanitra dia afaka mangataka ny zavatra rehetra ao Aminy.

Eto amin’ity andininy faha 4 sy faha 5 ity dia mangataka zava-tsoa ho azy ny olona mahatoky an’Andriamanitra ary mangataka ny handroahana ny mpanao ratsy hiala eo amin’ny fiaraha-monina na eo amin’izay mahatoky an’Andriamanitra ary izany no ahafahana mahazo ilay fiadanana tononina ery amin’ny tapany farany ery.

Fa tsy lazaina hoe miadana ny olona anankiray raha toa ka hananany daholo ny zava-tsoa rehetra eto amin’ity fiainana ity kanefa feno olon-dratsy manodidina azy izay tokony afaka mangalatra na misaina ny hanao ratsy ilay olona manana zava-tsoa. Ary dia tahaka izany ihany koa rehefa hafamadika ireo, raha toa ka tsy misy indray ny mpanao ratsy kanefa tsy manana na inona na inona ny olona anankiray dia tsy ho tonga amin’izany fiadanana izany izy.

Izany hoe mifamatotra izany ny fanananao zava-tsoa, ny fanananao ny zavatra rehetra ao amin’Andriamanitra sy ny tsy fisian’ny ratsy manjaka eo amin’ny fiainana andavan’andro. Tsy afaka miadana mihitsy isika manoloana izany raha tsy afaka mangataka zava-tsoa sy ny zavatra rehetra mampandeha ny fiainantsika ary mangataka ihany koa ny hanesoran’Andriamanitra ny ratsy izay eo amin’ny fiainantsika isan’andro isan’andro.
Zotram-piainan’ny mahatoky izany ny mahazo « fiadanana ».

Betsaka ny zavatra ataon’Andriamanitra amintsika raha mahatoky Azy isika

Ry hava-malala rehetra ao amin’ny Tompo, nampianarin’i Jesoa Kristy rahateo koa izany any amin’ny filazantsara ka nilazany hoe : « Iza moa aminareo no angatahan’ny zanany mofo no hanome azy vato ary iza no angatahan’ny hazan-drano no hanome azy maingoka ? Fa ianareo na dia ratsy aza dia mahay manome zava-tsoa ho an’ny zanakareo tsy maika va fa ny Rainareo izay any an-danitra? »

Misy ny zavatra be dia be ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika raha mahatoky Azy isika ary indrindra fa hamarinintsika eo amin’ny fiainantsika ny fanononana Azy ho Ray dia tahaka ny raim-pianakaviana izay mikarakara ny zanany ka na dia ao anatin’ny kapoka aza dia ny fikarakaràn’ny zanany ihany mba ahafantarany ny fiadanana eo amin’ny fiainana, ary ny zanaka raha toa ka mahatoky ilay rainy dia ara-bakiteny mihitsy izao Salamo faha 125 izao hoe : mahatoky ny zanaka ny ray, ny fiarovana ho ataon’ny ray amin’ny zanaka ary ilay ray handroaka ny ratsy hiala eo aminy dia afaka mangataka ny zava-tsoa sy ny fanomezana rehetra avy amin’ny rainy ilay zanaka ary dia ahazo fiadanana rehefa avy eo.

Ny olan’ny fiaraha-monina ankehitriny mantsy ry havana dia be dia be ny te-hanana fiadanana ary eto amin’ity fiainana mandalo ity dia adala izay tsy mitady izany fiadanana izany. Saingy te hanam-piadanana izy fa tsy mahatoky an’Andriamanitra ary izao Salamo faha 125 izay Salamo fiakarana misy ambaratongan-kevitra izao no mampianatra antsika an’izao hoe : raha te hanana fiadanana ianao, raha maniry izany fiadanana izany ianao, tsy maintsy miainga amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra aloha avy eo Andriamanitra hiaro anao, handroaka ny ratsy eo amin’ny fiainanao, avy eo Andriamanitra azonao hangatahina izay mety rehetra hampiadana anao ary dia ahazo fiadanana tokoa ianao.

Afaka miaina amin’ny fiadanana raha tena mahatoky an’Andriamanitra

Takiana àry ry havana ny fananantsika ny fahatokiana an’Andriamanitra, izany no hasehontsika amin’ny fifamatoram-piainana tahaka ilay tany sy hazo voalaza tery aloha tery satria ny hazo mamaka ao anatin’ny tany ary ny tany mihazona ny hazo tsy hihongotra ihany koa, dia tahaka izany ny fifamatorantsika sy Andriamanitra, isika mamaka ao amin’Andriamanitra ary Andriamanitra mihazona antsika tsy hiala ao Aminy, dia Izy no hanjary ho manda ary isika, ahatonga antsika ho voaaro amin’ny ratsy ary afaka mangataka ao aminy isika mba hananantsika fiadanana. Koa ny mpanao Salamo izay zokintsika amin’ny finoana izay miaina sy mijoro vavolombelona amin’ny alàlan’izao fihiràna fiakarana izao dia milaza fa raha tena mahatoky an’Andriamanitra isika dia afaka miaina amin’ny fiadanana.

Koa mba hahamarina ny tso-drano izay tononona isan’alahady isaky ny fotoana fanompoam-pivavahana, isaky ny fiarahantsika amin’ny fanompoana eny fa na isaky ny izay mihaona koa aza mirary soa hoe ho aminareo anie ny fiadanana dia tsy maintsy mahatoky an’Andriamanitra isika. Koa handeha àry ry havana hanao dingana lehibe vaovao indray isika eo amin’ny fiainantsika hanana fahatokiana an’Andriamanitra mba ahatratrarantsika ny fiadanana dia ny fiadanana ao amin’ny Tompo irery ihany. Amen.


Lire aussi

29/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana

Alahady 29 Janoary 2023, andinihana farany ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny fampianarana araka ny lohahevitra hoe « Ny fiheverana Kristiana momba ny aretina sy ny loharanon’ny fanasitrànana ». Manàsa anao hiombona @ fanompoam-pivavahana :

22/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay

Alahady 22 janoary 2023, hitondrana am-bavaka ny FFKM, ary mbola handinihina ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina Randrianarisoa Alain no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Jeremia 10:6-13 «  6Tsy misy tokoa izay tahaka Anao, RY TOMPO ô;lehibe Ianao, ary lehibe amin’ny hery ny anaranao.7Iza no tsy hatahotra Anao, ry

10/01/2023 Antso sy filazana . Vaovao

Katekomena 2023

 » Atongilano ny sofinareo , ka mankanesa aty amiko, mihainoa dia ho velombelona ny fanahinareo… », Isaia 55 : 3 Miarahaba antsika amin’ny anaran’i Tompo. Araka ny efa nolazaina tamin’ny raharahan’ny fiangonana dia efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo izay manam – paniriana hiditra ho mpianatra katekomena amin’ity taona 2023 ity. Noho izany dia azontsika

08/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Alahady 08 Janoary 2023

Alahady 08 Janoary 2023, mbola hibanjinana ny lohahevitra hoe « Mpahary izao rehetra izao ny Tompo ». Ny mpitandrina miza-draharaha Tinarisoa Miora no nitondra ny hafatr’Andriamanitra. Manasa anao hanaraka ny fotoana :

01/01/2023 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Taombaovao 2023 : Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny… hiasa sy hitandrina azy

Ankino amin’i Jehovah ny làlanao ary matokia Azy fa ataony tanteraka izany. Miarahaba anao nahatratra izao taona vaovao izao ka mirary soa anao ho fenoin’ny Tompo ny fitahiany Tompo ianao mandritra izao taona 2023 izao. Alahady 01 Janoary 2023, andro voalohany, alahady voalohany amin’ity taona 2023 ity, andinihina ny lohahevitra amin’ity volana ity manao hoe

25/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Toriteny

Noely 2022 : Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao

« Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao », Lioka 1:28 Arahabaina ianao nahatratra izao Krismasy 2022 izao, mbola hibanjinantsika ny lohahevitra hatrany hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ». Andeha hiombona amin’izany fanompoam-pivavahana krismasy izany :

22/12/2022 A la une . AMA . Antso sy filazana

Noely 2022 : Ny hatsarany

Atolotry ny Antoko Mpihira Ambavahadimitafo ny Sabotsy 24 desambra 2022 @ 06.30 ora hariva, antsan-kira Noely 2022 mitondra ny lohateny hoe « Ny hatsarany ». Manasa anao hiombona amin’izany fotoana izany eny @ FJKM Ambavahadimitafo. Mirary krismasy sambatra !

18/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Katekomena . Toriteny

Alahady fanokanana Katekomena « Sandratra 2022 »

Alahady 18 desambra 2022, fotoana nanokanana ny katekomena andiany « Sandratra » teto amin’ny FJKM Ambavahadimitafo. Mbola anatin’ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana ». Ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 12 : 32-40 no nanotoriana tamin’izany : « 32Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana. 33Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana;

11/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . STA . Toriteny

Izay rehetra manana dia homena; fa ny amin’izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza, dia halaina aminy

Alahady 11 desambra 2022, natokana ho an’ny Sekolin’ny Tenin’Andriamanitra na Sekoly alahady manerana ny FJKM ary mbola andinihina ny lohahevitra hoe « An’ny Tompo ny Fanjakana« . Ny mpitandrina Rakotoarisoa Heritiana, filohan’ny Sekoly Alahady Foibe no nitondra ny hafatr’Andriamanitra avy ao amin’ny Lioka 19:11-28 : « 11Raha mbola nihaino izany ny olona dia nandroso niteny ihany Jesosy ka

04/12/2022 A la une . Fanompoam-pivavahana . Jobily 25 taona Past. Alain Randrianarisoa . Toriteny

Alahady 04/12/2022 : Haleloia, hidera an’i Jehovah @ foko rehetra aho

Ny Alahady 04 desambra 2022 kosa no fotoana nankalazana an’Andriamanitra, niaraka tamin’ny fiangonana manontolo sy ny zanak’am-pielezana noho ny Jobily faha-25 taona nitandreman’ny mpitandrina Randrianarisoa Alain mivady. Manàsa anao hiombona amin’izany fotoana izany :