Toriteny Alahady 19 Jona 2009: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Israely aza
Ry Havana malala ao amin’ny Tompo, ny tenin’Andriamanitra hotoriana amintsika dia izay voalaza ao amin’ny Lioka 7: 9 manao hoe:
“Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin’ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Israely aza.”
FAHAGAGANA
Araka ny efa voaretsika indroa misesy teo tamin’ny voankazo mamy sy ny vakiteny, dia isan’izay fahagagana niteraka fieritreretana lalina teo amin’ny Tompo ity niseho ity. Isika mihevitra fa rehefa ny Tompo no manao zavatra dia ny olona no mandray fahasoavana, fa Izy Jesoa dia mety hoe havizanana na fahasahiranana no azony. Kanefa dia mba izy koa dia mba nandray fahagagana.
Fahagagana roa sosona:
Fahagagana roa sosona no mitranga eto: fa Jesoa gaga, ary ny olona koa nanaovany fahagagana. Ary ny fahagagana nitranga tamin’i Jesoa (satria izy aloha no nandray ny fahagagana vao ny olona), dia ny finoana nasehoan’ilay kapiteny Romana. Izany tantaran’ny fahagagana izay Jesoa no niharany dia tsy mahazatra antsika izany. Kanefa izy Tompo dia niaiky fa mahery, lehibe, tsy fahita firy ny finoan’ity Kapiteny Romana ity ka izy koa mba gaga, talanjona, ary tena fahagagana teo imasony izao mitranga izao.
Antony nampitolagaga an’i Jesoa:
Fa inona tokoa moa no antony nampitolagaga azy toy izany, ka nahatonga azy niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’ny Israely aza.” Satria voalohany indrindra moa, ny an’i Jesoa dia tsy misy zavatra mahagaga azy afatsy ny finoana, ny zavatry ny finoana izay miseho amin’ny olona, satria ny miseho sy mpitranga dia ny tsy fahampian’ny finoan’ny olona. Ary raha mamaky ny filazantsara isika dia impiry izy no efa ho kivy ny amin’ny mpianany: ry kely finoana… Fanomezan-tsiny noho tsy fahampian’ny finoana. Maha tsy tonga lafatra izany, tsy hahavitana ny asan’Andriamanitra.
Izany no matetika no hita, koa tena mahalana, ary amin’ny fotoana vitsivitsy isaina amin’ny ratsan-tanana tokana toy izao ihany no hahitany tena finoana. Ka miaiky izy. Gaga izy satria fahagagana eo imasony izany.
Fa inona tokoa no toetran’izany finoana nasehon’ilay kapiteny izany, ka nahatonga azy hidera azy toy izao?
1. Ny Finoan’ilay kapiteny:
Voalohany indrindra, dia ny fihetsika voalohany nasehoan’ilay kapiteny izay nampaniraka Jiosy aloha, loholona teo amin’ny Jiosy, hankeo aminy mba hangataka azy ho avy hahasitrana ny mpanompony. Izany no fihetsiky ny finoana voalohany. Izany hoe ny fahalalana, ny fahafantarana, ny faresen-dahatra fa Jesoa dia olona be indrafo, azo hifampirarahana, hifampiresahana ny amin’izay mandinin-tena. Ho an’ny olona izay mila vonjy, dia olona izay azo hidododohanao tokoa izao Jesoa izao. Izany no lafiny anankiray voalohany amin’ny finoana izay lehibe teo amin’ity kapiteny ity. Ary tsy hoe mitsapatsapa, mifampitsapa hery tahaka ny nataon’ny Jiosy tamin’ny fotoana sasany hoe: “atsoy hoe raha mahavita an’io izy” na toy izany… “Andao hoe fandriana fa Sabata izao ka hita eo izy raha hanasitrana,” na toy izany. Ny an’ny olona moa izany no mitranga ary tantarain’ny Filazantsara izany. Fa ny azy tsy izany fa mila vonjy izy. Ary eo ilay anankiray avy any Nazareta izay azony antonona. Ary hinoany fa hihaino ny fitarainany, satria ny mpanompony efa marary, ambavahaon’ny fahafatesana. Satria Jesoa Kristy aminy dia mpitondra fiainana, mpanome fanantenana ny kivy sy ny ketraka, ka mety hihaino ahy.
Izany tokoa ry Havana, dia toetra takiana amintsika rehetra. Izany finoana ny amin’i Kristy azo hidodododohana, satria fantatsika loatra fa hihaino ny atintsika, ny tebitebintsika, ny halahelontsika, ny fanaintainantsika, na dia efa eo ambavahaon’ny fahafatesana aza. Ary mbola hihaino antsika izy.
Fa raha misalasala ny amin’izany isika, raha mitsapatsapa fotsiny ihany ny amin’i Jesoa isika, hoe “ento amin’Andriamanitra izy io e, ento ambavaka izy io, andraso aloha andrakandramana sao mba mety.” Rehefa tsy mety moa dia entina any an-kafa ihany. Any amin’ny toerana izay mahazatra antsika eo amin’ny fiaraha-monina. Ary izany no miseho matetika, satria raha ny marina aza ny antsika ny eo amin’Andriamanitra tsy ny voalohany akory fa rehefa diso daholo ny fitsaboana tany rehetra tany, na tsy nahahomby, na ohatran’izany, izay vao “Andriamanitra ô, aiza moa ianao?” Satria tsy dia tena matoky an’Andriamanitra isika. Tsy tena resy lahatra isika fa vonon-kiaino ny fahavoazantsika i Jesoa Kristy. Ary izany no hitaoman’ny Tompo antsika mba hianatra amin’ity kapiteny Romana avy amin’ny firenen-kafa izay tsy voahomana, tsy voataiza ohatran’ny Israely tamin’ny Tenin’Andriamanitra, tamin’ny fihavavana an’Andriamanitra, amin’ny fahatokiana ny asan’Andriamanitra, fa vahiny amin’ny tanàna no manjary tonga ohatran’ny finoana ankehitriny. Mitady an’i Jesoa, manirak’olona mba ho avy hanasitrana izy.
2. Ny Fanetretenany:
Fa ny lafiny faharoa izay lehibe koa nasehon’ity kapiteny Romana ity ry havana dia izao: nanetritena izy ary nahatsiaro ny tsy faha-mendrehany. Ao moa ilay olona izay mpanelanelana, amin’ilay fiteny mahazatra aty Madagasikara hoe “manao mahitahita, manao intervention”, ilay loholon’ny Jiosy izany, hoe “mendrika hanaovanao an’izao mihitsy io fa io nanao sinagoga teto amin’ny tanànantsika, mendrika an’izany io.” Hay izy tompony no nanao azy: “Za tsy mendrika ny hidiranao ao amban’ny tafotranoko. Za tsy mendrika akory ho eo aminao, ny hihaona aminao. Tsy mendrika anao aho. Tena ambany loatra aho.” Mahatsiaro ny fetran’ny fahotany, raha amin’ny fitenin’ny finoana. Satria i Jesoa aminy dia lehilahy masina, avy amin’Andriamanitra, ka raha izy tsotra izao, izy tsy dia mpivavaka mankaiza, fa mpanampy fotsiny ny Jiosy nanangana ny sinagoga isan-karazany mba nanaiky ilay Andriamanitra tokana izay hivavahana sy ny sisa fa tsy mbola tena niova ho Jiosy; nanaraka ny fomba tanteraka amin’ny maha-proselita, fa ohatran’ny hoe olona matahotra an’Andriamanitra amin’ny ankapobeny ihany. Raha olona tahaka azy, tsy mendrika ny hihantra aminy i Jesoa, tsy mendrika hanana fihaonana manokana aminy. Ary izany no milaza fa tsapany loatra, tsy hoe ny fahambanian’ny tenany, satria tsy hoe ambany mankaiza izy raha eo amin’ny fiaraha-monina, fa ny fahambonian’i Jesoa Kristy. Fantany loatra fa masina, izany hoe misaraka, tsy mitovy amin’ny olona, fa avy amin’Andriamanitra ity lehilahy ity. Ka inona moa izy na dia lolohavina an-tapon’ny loha aza, ka nanome baiko, satria hatramin’ny loholon’ny Jiosy (izany hoe olona lehibe indrindra ao amin’ny tanàna izany atao hoe loholona izany) dia manaiky irahan’ilay Kapiteny. Izany hoe karazan’ny olona amban’ny fifehezany am-boninahitra izany raha tiantsika. Satria tsy ny olona ohatran’izany no hirahanao, fa olona ambany noho ianao. Kanefa rehefa eo anatrehan’i Jesoa izy dia hoy izy hoe “izaho tsy mendrika.” Ary naveriny indroa izany, satria izany mihitsy no fahatsiarovany tena fa tsy olona mpanasitrana mitovy amin’ny rehetra ity, fa ilay masina avy amin’Andriamanitra. Ary izay indrindra no hanajany azy, ary hahatsiarovany ny maha-tsinotsinona ny tenany.
Mbola mila fanadiovana, mila famindram-po izay vao afaka hihaona aminy sy ampiantrano aminy azy toy izany. Ary toetra ambony izany, fahalalana an’i Jesoa Kristy lalina dia lalina izany, satria ireto Jiosy ireto tsy mahalala an’izany. Fa aminy ity dia lehilahy mpanasitrana. Betsaka koa moa ny mpanasitrana tamin’izany. Tsy i Jesoa irery no nahay nanasitrana tamin’ny fotoan’andro teo amin’ny Jiosy. Ary na mandrak’ity aza tsy Jesoa izany ihany no mahasitrana akory, fa be dia be ny olona aleha eny dia mahasitrana, entina ery ananina ery dia sitrana. Afaka milaza ny olona fa sitrana. Ka tsy any akory ny problema. Fa hoe ity mpanasitrana ity, iza no ao ambadika? Iza no naniraka azy? Iza no nanome fahefana azy? Ary izay no hihavahany amin’ny mpanasitrana rehetra. Fa ny Jiosy tsy nahalala an’izany. Nihevitra ny loholon’ny Jiosy fa olona azo hifampiresahana fotsiny eny ananina eny, tsy dia miavaka sy ny toy izany. Fa dia mety azo fitampitahana eny aza angamba, fandripadrihana amin’ny lalànan’ny sabata, sy ny fomba-tany sy ny sisa. Aminy dia olona tsotra ihany izy io fa be ambo fotsiny na ohatran’ny to mihantsy azy ireo. Izany hoe tsy ao mihitsy ny fahatakarana ny maha-Izy an’I Jesoa. Tsy ampy izany fahalalan’ny finoana izany.
Fa ity kapiteny Romana ity nahalala izany. Ka avy hatrany dia nitakemotra. Nitakemotra tsy hoe nihataka taminy, fa nanetri-tena lalina dia lalina. Ary izany koa ho an’I Jesoa dia finoana mahatalanjona, fahagagana. Ary mino aho fa na ny kristianina ankehitriny, na isika mianakavy izao aza, dia ho gaga ny Tompo raha mba misy kristianina mba manaja ny fahamasinan’i Jesoa. Tsy mitovy amintsika anie izany Jesoa izany, zanak’Andriamanitra anie izany. Isika anie mpanota mahantra, izy masina avy amin’ilay masina. Mba feno fanajana ny Tompo va isika? Mba mahalala va isika fa tsy mitovy lenta amintsika anie izany e, tsy namana niaraka nanao kanety tamintsika, na nanao dihim-bazaha anie izany Jesoa izany? Fa zanak’Andriamanitra. Miavaka amintsika sy izay raiaman-dreny manam-pahefana rehetra eo amintsika, izay heverintsika hoe lolohavina antampon’ny loha eto amin’ity tany fandalovana ity. Tsy mitovy amin’izany anie Jesoa. Ary tsy mendrika ny hitoerany akory ny tranontsika. Tsy mendrika ny hitoerany akory eo am-pontsika. Fa izy Jesoa no manantona, izy anie manantona! Fa ianao tokony hahatsiaro fa tsy mitovy aminao izy. Izany no hatao hoe finoana. Izy no ilay masina, izay tsy mitovy lenta na amin’iza na amin’iza. Ao amintsika va izany fihondrehana, fanajana, fahatsiarovana ny voninahitra tsy azo ampitahaina izay hananan’i Jesoa izany? Izany no fihetsiky ny finoana voalohany. Izany no hotsaraina ny amin’ny finoantsika. Ary izany no finoana mahagaga an’i Jesoa.
3. Ny fahatokisany ny herin’ny tenin’i Jesoa:
Ary ny fihetsika fahatelo sady farany izay nahatalanjona an’i Jesoa, nolazaina tamin’ny voankazo mamy teo, dia ny fahatokisan’ilay kapiteny ny herin’ny tenin’i Jesoa. Inona moa no dikan’izany? Dia ny hoe i Jesoa ity dia tena manam-pahefana eo amin’ny hatao sy ny tenenina. Tahaka azy miaramila manan-dehibe, izany hoe manana mpibaiko eo ambony. Ary fantany tsara fa rehefa baikon’ny jeneraly sy ny mpitaritarika ambony any Roma izy, na amin’ny faritany romana izay niadidy an’ny Palestine, rehefa ny governora no miteny azy, mankato tsara izy, manantateraka ny baiko sy ny toy izany. Ary izy koa manana olona eo amban’ny fifehezany. Akevitry ny olona zato lahy no feheziny amin’izany raha ny anarana izay entiny. Mpifehy zato ity Kapiteny ity, ka fantany tsara ny fahefany. Olona firy izao no nirahany, delegasiona nirahiny, loholona Jiosy, ny namany koa nirahiny sy ny sisa. Olona zatra mibaiko io miteny io. Tsy ampianarina ny hoe fibaikona tafika. Fantany izany ny fahefan’izy tenany sy ny olona eo ambony izay mibaiko azy. Ary hoy izy hoe, “izaho izay tsy mendrika akory ny hihaona amin’ity lehilahy ity aza maha-baiko toy izany. Ary izay baikoko rehetra tanteraka. Ary tsy avelako raha tsy tanteraka. ‘Ataovy ity,’ ataony iny. Tsy misy miodiditra. Mainka moa fa ity lehilahy avy amin’Andriamanitra, mpanasitrana ity. Nahaona ny teniny no tsy hotanteraka?” Ary hotoavin’ny fanahy sy ny olona izay hanatanterahan’izany satria manana fahefana feno amin’izany izy. “Izaho,” hoy ilay kapiteny, “mahatoky an’izany. Satria izaho izay tsy mahasitrana ity mpanompoko ity aza afaka manome baiko be dia be izay ny zato isan-jato na ny sivy folo isan-jato tanteraka daholo. Mainka moa fa izy.” Ary raha ny fahalalana an’i Jesoa manam-pahefana toy izany dia finoana lehibe mampiaiky volana, na dia ny Tompo aza.
Mila mino koa isika
Fa isika koa ve ry Havana, mba mahatoky ny tenin’i Kristy toy izany, hoe teny manafaka, manasitrana, manavao, manome antsika hery ao anatin’ny fahakiviana, fanantenana eo anoloan’ny fahafatesana. Ny tenin’ny Tompo ve tadiavintsika toy izany. Satria manakery amintsika, hanova antsika, hanova ny toe-javatra hiainantsika. Mbola misy olona ato amin’ity fiangonana ity ve mino an’izany ho an’ny tenany, mino an’izany ho an’ny fianakaviana, mino an’izany ho an’ny fiangonana, mino an’izany ho an’ny firenena sy izao tontolo izao. Hoe “miteny i Kristy, mitenena ianao, dia ho tanteraka izany, dia ho to izany. Satria na dia izay olombelona kely, zara fa manana fahefana, izay hihadiana lava tsy misy farany, mba afaka mibaiko ihany aho. Mba te hibaiko daholo, na dia tsy misy mankato aza. Fa ianao Tompo, inoanay. Raha ianao kosa no miteny, raha ianao no milaza, raha ianao kosa no manatanteraka ny sitraponao, dia tanteraka izany.” Ary izay finoana izay no andrasan’ny Tompo hahatanterahany azy. Izay mantsy no zava-miafin’ny fivavahana. Izy ity koa akory tsy magie ka dia hoe “fo fo fo,” dia hoe atao “fo fo fo” dia miova inona eo. Na mino ianao na tsy mino ataon’ny olona “fo fo fo” dia ataon’ny olona ao am-paosinao ny famantaranandro, sy ny sisa. Tsy izany ny asan’ny Tompo, fa miandry finoana izy. Mitaky finoana izy. Ary rehefa mahita finoana izy, ary izany no tantarain’ny filazantsara, indraindray tsy ny olona marary no manana finoana, fa hoy izy hoe, ilay nitondra marary, nahita ny finoan’ireo izy, ilay nibata marary izany, dia nositraniny ilay marary. Ity izao dia tsy ilay marary no manam-pinoana fa ilay Kapiteny, ilay tompony, dia nositraniny ilay mpiasa. Io izany tsy voatery ilay marary foana, fa mila finoana izy eo amin’ny olona. Ary izay no nanatanterahan’i Jesoa ny fanasitranana. Ary ny hafarany aza tsy mila notantaraina intsony eto amin’ity filazantsara ny Lioka ity hoe fa inona ary no tenenin’i Jesoa. Fa alefaso ary ilay fitenenana marina, tsy mila intsony izany fa vita. Fa nanam-pinoana, nampitolagaga, fiderana sisa no nataon’i Tompo. Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany.
Rehefa mino dia tanteraka
Dia lasa nody iretsy, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo. Izany hoe rehefa misy izay finoana izay, tsy mila miteny intsony i Jesoa. Ato amin’ny filazantsara hafa aza dia hoy izy hoe: “mandehana ary tanteraho araka izay inoanao.” Raha ny Filazantsara ny Matio no hamakiantsika an’io tantara io. Izany hoe i Jesoa koa tsy niteny akory hoe: “sitrano ianao ry marary! avy aty lavitra aty aho no miteny…” Tsy misy an’izany teo. Fa hoy izy hoe: “efa nino an’izany ianao dia tanteraka. Tanteraho ary izay inoanao.” Izany hoe miankina amin’ny finoantsika koa no hanatanterahan’ny Tompo na tsia an’izany. Manampahefana izy, fa tsy avy antrany dia tonga eny izy dia “na mino nareo na tsy mino aloha dia ny ahy dia izao…” Efa fitsarana sy zavatra hafa indray no hataony an’izany na fifandraisana fifamelezana fotsiny eo. Raha ny fiainan’ny fivavahana dia mila finoana foana izy vao mahatanteraka azy. Satria ny fifandraisana aminy no zava-dehibe indrindra. Ary izay no nahatonga azy nidera ilay kapiteny, ka nahatonga azy mora kely ny nahatanteraka ilay fahagagana. Satria vatany vao niteny ilay Kapiteny Romana naneho ny finoany, ary noderainy ampahibemaso, dia sitrana ilay mpanompony tary. Satria izay fifanojoan’ny herin’ny Kristy ny fahamasinana, izy be indrafo, te hanasitrana olona, sy ny finoan’ilay kapiteny, izay mandray an’izany, mino an’izany ho an’ny tenany, dia tanteraka ho azy ny fahagagana. Ka samy mandray fahagagana ny roa tonta. Jeso gaga amin’ny haben’ny finoany, ary ilay kapiteny gaga noho ny amin’ny fahefan’i Kristy izay avy lavitra dia mahasitrana. Enga anie Jesoa hahita fahagagana anio, satria mino isika, manana izany finoan’ilay kapiteny izany. Ary isika koa mba ho gaga rehefa mody, rehefa eo amin’ny fiainana isika, amin’izay zavatra nangatahantsika famonjena amin’ny Tompo, na dia efa eo ambavahaon’ny fahafatesana aza. Fa tsy hoe tsy faty daholo akory izany, fa be dia be mety efa ho faty amin’izany. Mba handraisantsika fanasitranana eo amin’ny fiainana. Amen
Dr Rakotoharintsifa Andrianjatovo,
mpitandrina FJKM Ambavahadimitafo